FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ll hevitra 8 p. 18-19
  • Midika ho Inona ho Anao ny Fahafatesan’i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Midika ho Inona ho Anao ny Fahafatesan’i Jesosy?
  • Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 8
    Mihainoa An’Andriamanitra
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Jesosy Kristy — nirahin’Andriamanitra ve?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
ll hevitra 8 p. 18-19

Fizarana 8

Midika ho Inona ho Anao ny Fahafatesan’i Jesosy?

Maty i Jesosy mba hahavelomantsika. Jaona 3:16

Vehivavy mijery ao amin’ny fasan’i Jesosy

Nankao amin’ny fasan’i Jesosy ny vehivavy vitsivitsy, telo andro taorian’ny nahafatesany. Foana anefa ilay fasana! Efa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy.

Jesosy miseho amin’ny apostoliny, ary miakatra any an-danitra avy eo

Niseho tamin’ny apostoliny izy taorian’izay.

Natsangan’i Jehovah tokoa i Jesosy, ary nataony anjely mahery sy tsy mety maty. Nahita ny niakarany tany an-danitra ny mpianany.

  • Inona no mitranga amintsika, noho isika mpanota? —Romanina 6:23.

  • Ho afaka hiaina mandrakizay isika, noho i Jesosy. —Romanina 5:21.

Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesosy ary nataony Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Daniela 7:13, 14

Jesosy eo ambony seza fiandrianana, sady manjaka amin’ireo olona ao amin’ny paradisa eto an-tany

Nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona i Jesosy. (Matio 20:28) Afaka manome antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra, noho io vidim-panavotana io.

Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka hitondra ny tany i Jesosy. Hisy olona tsy mivadika hiara-manjaka aminy. Miisa 144 000 izy ireo ary hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra. I Jesosy sy ireo 144 000 no anisan’ilay fitondram-panjakana any an-danitra, izay antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra. —Apokalypsy 14:1-3.

Hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny ady, heloka bevava, fahantrana, ary hanoanana. Ho sambatra tokoa ny olombelona. —Salamo 145:16.

  • Inona no zava-tsoa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra?—Salamo 72.

  • Tokony hangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika rehefa mivavaka.—Matio 6:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara