FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jl lesona 11
  • Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?
  • Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Isika Hidera An’Andriamanitra Amim-piravoravoana ao Amin’ireo Fivoriambe
    Ny Vavolombelon’i Jehovah—Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany
  • Fivoriana ‘Mandrisika Hampiseho Fitiavana sy Hanao Asa Tsara’
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
jl lesona 11

LESONA 11

Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Meksika

Meksika

Boky vaovao navoaka tamin’ny fivoriambe tany Alemaina

Alemaina

Vavolombelon’i Jehovah mamonjy fivoriambe, any Botswana

Botswana

Tanora natao batisa tany Nikaragoà

Nikaragoà

Tantara an-tsehatra nandritra ny fivoriambe tany Italia

Italia

Faly erỳ ireo olona eo amin’ny sary ireo satria manatrika fivoriambe. Manahaka ny mpanompon’Andriamanitra fahiny izahay Vavolombelon’i Jehovah, ka manao fivoriambe intelo isan-taona: Indroa manao fivoriamben’ny faritra iray andro, ary indray mandeha manao fivoriamben’ny vondrom-paritra telo andro. (Deoteronomia 16:16) Nahoana no mahasoa anay izy ireny?

Mampifankatia kokoa anay ny fivoriambe. Faly erỳ ny Israelita fahiny niara-nivory mba hidera an’i Jehovah. Miara-mivory hoatr’izany koa izahay amin’izao. (Salamo 26:12; 111:1) Any amin’ireny fivoriambe ireny izahay no afaka mihaona sy miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah namanay avy amin’ny fiangonana hafa na avy any an-tany hafa mihitsy aza. Ao amin’ny toerana anaovana fivoriambe ihany izahay no misakafo antoandro, ka vao mainka mahafinaritra ilay izy. (Asan’ny Apostoly 2:42) Any no tena ahitana hoe mifankatia toy ny mpiray tam-po mihitsy izahay.—1 Petera 2:17.

Manampy anay hifandray tsara amin’i Jehovah ny fivoriambe. Nandray soa ny Israelita rehefa niara-nivory, satria “azon’izy ireo tsara” izay nohazavaina taminy avy tao amin’ny Soratra Masina. (Nehemia 8:8, 12) Tena tianay koa ny zavatra ampianarina any amin’ny fivoriambe. Misy lohateny lehibe isan’andro, ka mifandray amin’io ny lahateny rehetra. Andinin-teny foana no atao lohateny lehibe. Misy lahateny tsotra sy lahateny mifampitohy ary fampisehoana any. Manampy anay hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. Mandre ny tantaran’ny mpiara-manompo aminay koa izahay any, ary tena mampahery ilay izy satria mahavita tsy mivadika izy ireo na dia manana olana aza. Misy tantara an-tsehatra handraisana lesona rehefa fivoriamben’ny vondrom-paritra. Rehefa fivoriambe koa no atao batisa izay te hampiseho fa efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy.

  • Nahoana no tena mahafinaritra ny manatrika fivoriambe?

  • Inona ny soa ho azonao raha manatrika fivoriambe ianao?

IEZAHO ATAO IZAO

Soraty eo amin’ny kalandrie ny daty sy ny toerana hanaovana ny fivoriambe manaraka, dia tongava raha afaka ianao. Ho hitanao amin’izay fa tena mifankatia izahay. Asaivo mampiseho fandaharana tamin’ny fivoriambe iray ny mpampianatra Baiboly anao. Ho fantatrao amin’izay hoe hoatran’ny ahoana ny zavatra resahina any.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara