FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 2 fan. 1-5
  • Iza moa Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa Andriamanitra?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza moa Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Iza Marina Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Nahoana Ianao no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 2 fan. 1-5

LESONA 2

Iza moa Andriamanitra?

1. Nahoana isika no tokony hivavaka aminy?

Izy no Mpamorona ny zava-drehetra. Tsy nisy fiandohana izy ary tsy hisy fiafarana. (Salamo 90:2) Avy aminy ilay vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 1:11) Ilay tena Andriamanitra irery no tokony hivavahana, satria izy no nanome ny aina.—Vakio ny Apokalypsy 4:11.

2. Hoatran’ny ahoana izy?

Fanahy izy, ka tsy misy afaka mahita azy. Ambony sy mahery noho ny olombelona ny fanahy. (Jaona 1:18; 4:24) Na tsy hita maso aza anefa Andriamanitra, dia hita amin’ny zavatra nataony ny toetrany. Hendry sy be fitiavana, ohatra, izy matoa nanao voninkazo sy voankazo isan-karazany. Tena mahery koa izy matoa nahavita ny lanitra sy ny kintana be dia be.—Vakio ny Romanina 1:20.

Hahafantatra kokoa ny toetrany isika raha mamaky Baiboly. Voalaza ao, ohatra, ny zavatra tiany sy tsy tiany, ary koa ny fomba itondrany ny olona sy izay ataony rehefa manao fahadisoana isika.—Vakio ny Salamo 103:7-10.

3. Manana anarana ve izy?

Anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, amin’ny fiteny samihafa

Eny, satria hoy i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Maro ny anaram-boninahitra iantsoana an’Andriamanitra, fa iray ihany no tena anarany. Arakaraka ny fiteny ny fanononana azy io. “Jehovah” na “Iaveh” no ampiasaina amin’ny teny malagasy.—Vakio ny Salamo 83:18.

Baiboly maro no nanolo an’io anarana io tamin’ny hoe Tompo na Andriamanitra. Tamin’ny vao nosoratana anefa ny Baiboly dia niverina tao im-7 000 teo ho eo ny anaran’Andriamanitra. Nampahafantatra an’io anarana io i Jesosy rehefa nampianatra.—Vakio ny Jaona 17:26.

Jereo ilay video hoe Manana Anarana ve Andriamanitra?

4. Tsy miraharaha antsika ve i Jehovah?

Ray aman-dreny mikarakara ny zanany marary

Mitady izay hahasoa ny zanany ilay rainy. Mitady izay hahasoa antsika koa i Jehovah

Tsy tiany ve ny olona matoa avelany hijaly? Misy mihevitra fa fitsapana avy amin’Andriamanitra ny fijaliana. Tsy marina anefa izany.—Vakio ny Jakoba 1:13.

Avelan’Andriamanitra hisafidy an’izay tiany hatao ny olona, ka afaka mifidy ny hanompo azy na tsia. (Josoa 24:15) Maro anefa no mifidy ny hanao ratsy, ka mampijaly ny hafa. Malahelo i Jehovah mahita an’izany tsy rariny izany.—Vakio ny Genesisy 6:5, 6.

Tia antsika i Jehovah, ka tiany ho faly amin’ny fiainana isika. Kely sisa dia hofoanany izay rehetra mahatonga ny olona hijaly. Misy antony koa matoa mbola tsy esoriny ny fijaliana. Manazava izany ny Lesona faha-8.—Vakio ny 2 Petera 2:9; 3:7, 13.

5. Ahoana no hanatonantsika an’Andriamanitra?

Vehivavy mivavaka amin’Andriamanitra

Amin’ny alalan’ny vavaka. Tian’i Jehovah hanatona azy isika, ka hiresaka aminy. Mitady izay hahasoa antsika tsirairay izy. (Salamo 65:2; 145:18) Vonona ny hamela heloka izy, ary hitany ny ezaka ataontsika na dia manao fahadisoana aza isika indraindray. Afaka mifandray akaiky aminy àry isika na tsy lavorary aza.—Vakio ny Salamo 103:12-14; Jakoba 4:8.

I Jehovah no tokony ho tiantsika mihoatra noho ny olona rehetra, satria izy no namorona antsika. (Marka 12:30) Asehoy àry fa tia azy ianao, ka tohizo ny fianaranao ary ampiharo izay ianaranao. Ho akaiky kokoa azy ianao amin’izay.—Vakio ny 1 Timoty 2:4; 1 Jaona 5:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara