FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 5 fan. 1-5
  • Inona no Fikasan’Andriamanitra Rehefa Namorona ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Fikasan’Andriamanitra Rehefa Namorona ny Tany?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hatao Amin’ny Tany?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Aiza no Misy ny Paradisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Any Amin’ny Paradisa Mihaona E!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 5 fan. 1-5

LESONA 5

Inona no Fikasan’Andriamanitra Rehefa Namorona ny Tany?

1. Inona no antony namoronany ny tany?

Adama sy Eva ao amin’ny zaridainan’i Edena dia avy eo voaroaka tao amin’ilay zaridaina

Nomen’i Jehovah ho antsika olombelona ny tany, mba honenantsika. Tsy niteny tamin’i Adama sy Eva àry Andriamanitra hoe mamenoa ny lanitra, satria ny anjely no efa noforoniny hipetraka any. (Joba 38:4, 7) Napetrany tao amin’ny paradisa tsara tarehy atao hoe zaridainan’i Edena kosa ny olombelona. (Genesisy 2:15-17) Tian’i Jehovah ho sambatra sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo sy ny taranany.—Vakio ny Salamo 37:29; 115:16.

Ny zaridainan’i Edena ihany no paradisa tamin’ny voalohany. Nasaina niteraka sy nameno ny tany anefa i Adama sy Eva. Tokony hovan’izy ireo sy ny taranany ho paradisa àry ny tany manontolo, rehefa mandeha ny fotoana. (Genesisy 1:28) Tsy ho potika mihitsy ity tany ity. Tsy maintsy hisy olona hipetraka foana eto.—Vakio ny Salamo 104:5.

Jereo ilay video hoe Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany?

2. Nahoana no tsy paradisa ny tany ankehitriny?

Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka noroahiny avy tao Edena. Simba ilay paradisa tatỳ aoriana, ary tsy nisy olona nahavita namerina an’ilay izy intsony. Nanomboka teo dia lasa feno olon-dratsy teto an-tany.—Vakio ny Genesisy 3:23, 24.

Olona manao trano ao amin’ny Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy

Midika ve izany fa tsy vitan’i Jehovah ny nanatanteraka an’ilay fikasany? Tsy izany mihitsy! Mahery indrindra izy ka tsy maintsy tanteraka izay kasainy. (Isaia 45:18) Hataony paradisa ny tany ary hiadana ny olona.—Vakio ny Salamo 37:11, 34.

3. Ahoana no hahatonga ny tany ho paradisa indray?

Ny fitondran’i Jesosy no hamerina ny Paradisa. Hitarika an’ireo anjely aloha izy ka handringana an’ireo olona manohitra an’Andriamanitra, amin’ilay ady atao hoe Hara-magedona. Hogadrainy mandritra ny 1 000 taona i Satana avy eo. Harovan’i Jesosy kosa ny vahoakan’Andriamanitra, ary ho sambatra sy hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Vakio ny Apokalypsy 20:1-3; 21:3, 4.

4. Rahoviana no tsy hisy intsony ny fijaliana?

Rahoviana tokoa Andriamanitra no hanafoana ny zava-dratsy rehetra? Nanome “famantarana” momba izany i Jesosy, ary efa tanteraka ilay izy. Hita avy amin’ireo loza maro mampahory ny olombelona ankehitriny fa efa andro farany izao. Tsy ho ela intsony àry dia ho foana ny fijaliana.—Vakio ny Matio 24:3, 7-14, 21, 22.

Hanjaka avy any an-danitra i Jesosy mandritra ny 1 000 taona, ka hanafoana ny fijaliana rehetra. (Isaia 9:6, 7; 11:9) Tsy hoe Mpanjaka fotsiny izy fa Mpisoronabe koa, ka hanaisotra ny fahotan’ireo rehetra tia an’Andriamanitra. Hampiasa an’i Jesosy àry i Jehovah mba hanafoana ny aretina sy fahanterana ary fahafatesana.—Vakio ny Isaia 25:8; 33:24.

5. Iza no hiaina ao amin’ny Paradisa?

Olona mianatra Baiboly ao amin’ny Efitrano Fanjakana

Olona tia an’Andriamanitra sy mianatra manao ny tsara no ho hitanao any amin’ny Efitrano Fanjakana

Izay mankatò an’Andriamanitra ihany. (1 Jaona 2:17) Nirahin’i Jesosy ny mpianany mba hitady an’ireo mpandefitra sy hampianatra azy ireo an’izay takin’Andriamanitra. Misy an-tapitrisany izy ireny ankehitriny, ary efa omanin’i Jehovah mba hiaina ao amin’ny Paradisa. (Zefania 2:3) Ampianarina ho tsara fanahy amin’ny vady aman-janany ny olona manambady, rehefa any amin’ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay atao hoe Efitrano Fanjakana. Miara-mianatra ny vaovao tsara koa ny ray aman-dreny sy zanaka, ka mihatsara ny fiainany.—Vakio ny Mika 4:1-4.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 3 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara