FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 6 fan. 1-5
  • Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy Fanantenana ho An’ny Maty Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ilay Lehilahy Maty Nandritra ny Efatra Andro
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 6 fan. 1-5

LESONA 6

Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?

1. Inona no vaovao tsara ho an’ireo namoy havana?

Lazarosy natsangana tamin’ny maty, sakambinin’i Marta sy Maria

Nankany Betania, any akaikin’i Jerosalema, i Jesosy, satria maty i Lazarosy namany. Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga izy. Nankany amin’ny fasana izy, niaraka tamin’i Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy. Vetivety dia nitangorona ny olona. Natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy avy eo. Azonao an-tsaina ve ny hafalian’i Marta sy Maria tamin’izay?—Vakio ny Jaona 11:21-24, 38-44.

Efa fantatr’i Marta ilay vaovao tsara hoe mbola hatsangan’i Jehovah ny maty, ary hiaina eto an-tany indray.—Vakio ny Joba 14:14, 15.

2. Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Ny namoronana an’i Adama sy ny nahafatesany

Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”—GENESISY 3:19.

Vovoka no nanaovana ny olona. (Genesisy 2:7; 3:19) Rehefa maty ny vatana, dia tsy hoe mbola misy fanahy mandehandeha any ho any. Raha maty isika dia maty koa ny atidohantsika, ka tsy afaka mieritreritra intsony isika. Tsy nitantara na inona na inona momba an’izay nanjo azy tamin’izy maty àry i Lazarosy, satria tsy mahatsiaro tena ny maty.—Vakio ny Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

Marina ve fa mampijaly olona any amin’ny afobe Andriamanitra? Tsy marina izany satria ny maty aza tsy mahatsiaro tena. Manendrikendrika an’Andriamanitra ny olona mampianatra momba ny afobe. Na ny mieritreritra fotsiny aza hoe handoro olona ao anaty afo dia efa mahatsiravina Azy.—Vakio ny Jeremia 7:31.

Jereo ilay video hoe Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

3. Afaka miresaka amintsika ve ny maty?

Tsy afaka miteny na mandre intsony ny maty. (Salamo 115:17) Misy anjely ratsy anefa miresaka amin’ny olona, ka misandoka hoe olona efa maty. (2 Petera 2:4) I Jehovah mihitsy no mandrara antsika tsy hitady fomba hiresahana amin’ny maty.—Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11.

4. Iza no hatsangana amin’ny maty?

Lehilahy natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Paradisa, avy eo mianatra momba an’Andriamanitra, ary mampianatra olon-kafa natsangana tamin’ny maty.

Olona an-tapitrisany no hatsangana amin’ny maty, ka hiaina eto an-tany indray. Anisan’izany ireo nanao ratsy satria tsy nahalala an’i Jehovah.—Vakio ny Lioka 23:43; Asan’ny Apostoly 24:15.

Hampianarina ny marina momba an’Andriamanitra ireo olona hatsangana amin’ny maty, ary afaka mifidy ny hino an’i Jesosy sy hankatò azy. (Apokalypsy 20:11-13) Hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo raha manao ny tsara.—Vakio ny Jaona 5:28, 29.

5. Inona no toetran’i Jehovah hita avy amin’izany?

Tsara fanahy sy tena tia antsika i Jehovah, matoa nanome ny Zanany ho faty ho antsika. Tsy ho nisy mantsy ny fitsanganan’ny maty, raha tsy namoy ny ainy ho antsika i Jesosy. Rehefa hatsangana àry ny maty, iza no mba tianao ho hita indray?—Vakio ny Jaona 3:16; Romanina 6:23.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 6 sy 7 ary 10 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara