FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 10 fan. 1-4
  • Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Momba ny Fivavahana Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ahoana no Fomba Ahitanao ny Fivavahana Marina?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 10 fan. 1-4

LESONA 10

Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?

1. Iray ihany ve ny fivavahana marina?

Jesosy mampianatra

“Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka.”—MATIO 7:15.

Fivavahana iray ihany no nampianarin’i Jesosy, ary io no fivavahana marina. Nohariny tamin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy io, ary “vitsy no mahita” azy. (Matio 7:14) Izay fivavahana manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Teniny ihany no eken’Andriamanitra. Mitovy ny zavatra inoan’ny Kristianina rehetra manaraka ny fivavahana marina, na aiza na aiza misy azy.—Vakio ny Jaona 4:23, 24; 14:6; Efesianina 4:4, 5.

Jereo ilay video hoe Eken’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

2. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy?

Mpitondra fivavahana mitory teny any am-piangonana, nefa avy eo mitso-drano miaramila hiady.

“Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.”—TITOSY 1:16.

Nampitandrina i Jesosy fa hisy mpaminany sandoka, izay mody miseho ho tena Kristianina. Ahoana àry no ahalalana hoe iza no marina ary iza no diso? Ny Kristianina marina ihany no maneho toetra tsara sady manao asa tsara, ary tsy miafina amin’ny rehetra izany.—Vakio ny Matio 7:13-23.

3. Ahoana no amantarana ny Kristianina marina?

Ireto misy lafiny dimy mampiavaka ny tena Kristianina.

  • Manaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly: Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo, fa tsy hoatran’ireo fivavahana mampianatra hevitr’olombelona. (Matio 15:7-9) Tena mampihatra ny zavatra toriny koa izy ireo, fa tsy hoe hafa ny ampianariny nefa hafa ny ataony.—Vakio ny Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17.

  • Kristianina manao lahateny, ary avy eo mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy manampy tra-boina ary mikarakara be taona.

    Manaja an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah: Nampahafantatra an’io anarana io i Jesosy. Nitory momba an’i Jehovah izy, ary nampianatra ny olona hivavaka hoe: ‘Hohamasinina anie ny anaran’Andriamanitra.’ (Matio 6:9) Iza amin’ireo fivavahana eo amin’ny faritra misy anao no mampianatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra?—Vakio ny Jaona 17:26; Romanina 10:13, 14.

  • Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra: Nirahin’Andriamanitra i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Io Fanjakana io ihany no afaka manafoana ny olana eto an-tany. Nitory momba azy io foana i Jesosy mandra-pahafatiny. (Lioka 4:43; 8:1; 23:42, 43) Nirahiny hitory momba azy io koa ny mpianany. Raha misy olona manatona anao ary miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra, mety ho avy amin’ny fivavahana inona re izy e?—Vakio ny Matio 24:14.

  • Tsy anisan’ity tontolo ratsy ity: Tsy miditra amin’ny politika na ny fifandirana eo amin’ny fiaraha-monina ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 17:16; 18:36) Tsy manahaka ny fanao ratsy sy ny toetra ratsin’ny olona eo amin’izao tontolo izao koa izy ireo.—Vakio ny Jakoba 4:4.

  • Tena mifankatia amin’ny fo: Tsy manavakavaka izy ireo, satria nianarany avy ao amin’ny Baiboly fa mitovy daholo ny olon-drehetra. Matetika ny fivavahan-diso no manohana ny ady. Tsy miditra amin’ny ady mihitsy anefa ny tena Kristianina. (Mika 4:1-3) Mahafoy tena kosa izy ireo, ka mampiasa ny fananany sy ny fotoanany mba hanampiana sy hampaherezana ny hafa.—Vakio ny Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 4:20.

4. Hainao ve ny mamantatra ny fivavahana marina?

Ahoana ny hevitrao? Iza no fivavahana tsy mampianatra afa-tsy izay lazain’ny Baiboly, sady manaja ny anaran’Andriamanitra? Iza no mitory fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manafoana ny olana eto an-tany? Iza no tena mifankatia sy tsy miditra amin’ny ady mihitsy?—Vakio ny 1 Jaona 3:10-12.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 15 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara