FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • fg lesona 13 fan. 1-4
  • Inona no Vaovao Tsara ho An’ireo Olona Tia Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Vaovao Tsara ho An’ireo Olona Tia Fivavahana?
  • Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Mitovitovy Aminy
  • Hatao Ahoana ny Fivavahan-diso Amin’ny Hoavy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-diso
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Vaovao Tsara Natao ho Anao!
fg lesona 13 fan. 1-4

LESONA 13

Inona no Vaovao Tsara ho An’ireo Olona Tia Fivavahana?

1. Marina daholo ve ny fivavahana rehetra?

Lehilahy mamaky Baiboly

Azo antoka fa misy olona tia an’Andriamanitra, any amin’ny fivavahana rehetra. Hitan’i Jehovah ireny olona ireny, sady tena tiany. Misy anefa mampiasa ny fivavahana mba hanaovan-dratsy. (2 Korintianina 4:3, 4; 11:13-15) Resahin’ny vaovao, ohatra, fa misy mpivavaka mamono olona, mampihorohoro, manohana ny ady, na mampijaly sy mametaveta ankizy mihitsy. Tena mampalahelo izany!—Vakio ny Matio 24:3-5, 11, 12.

Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fivavahana marina. Ny fivavahan-diso kosa mampahatezitra azy, satria mampianatra zavatra tsy ao anaty Baiboly. Anisan’izany ireo fampianaran-diso momba an’Andriamanitra sy momba ny maty. Tian’i Jehovah hahalala ny marina anefa ny olona.—Vakio ny Mpitoriteny 9:5, 10; 1 Timoty 2:3-5.

2. Hataon’Andriamanitra ahoana ny fivavahan-diso?

Fantatr’Andriamanitra hoe tsy tia azy ny fivavahan-diso fa tia an’izao tontolo izao, nefa i Satana no mitondra an’izao tontolo izao. (Jakoba 4:4) Antsoin’ny Baiboly hoe “Babylona Lehibe” ny fivavahan-diso rehetra. Tanàna fahiny ilay hoe Babylona, ary tao no nisy fivavahan-diso voalohany, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tsy ho ela dia haringan’Andriamanitra ny fivavahan-diso, izay mamitaka sy mampijaly ny olona.—Vakio ny Apokalypsy 17:1, 2, 5, 16, 17; 18:8.

Misy vaovao tsara koa anefa: Hangonin’i Jehovah ireo olona tia azy, izay mbola any amin’ny fivavahan-diso isan-karazany eran-tany. Efa manao izany izy izao, ka mampianatra azy ireo ny fahamarinana.—Vakio ny Mika 4:2, 5.

3. Inona no tokony hataon’ireo tia an’Andriamanitra?

Olona miresadresaka aorian’ny fivoriana kristianina

Mampihavana ny olona ny fivavahana marina

Te hamonjy an’ireo olona miezaka manao ny tsara i Jehovah. Mampirisika azy ireo àry izy mba hiala amin’ny fivavahan-diso. Raha tena tia an’Andriamanitra izy ireo, dia ho vonona hiala amin’ny zava-dratsy rehetra.—Vakio ny Apokalypsy 18:4.

Nisy olona toy izany tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nitorian’ny apostoly izy ireo, dia nanaiky avy hatrany sady faly. Modely ho antsika izy ireny satria nanova ny fiainany, ka ny sitrapon’i Jehovah indray no nataony zava-dehibe indrindra. Nanjary sambatra izy ireo, satria lasa nanana tanjona sy fanantenana.—Vakio ny 1 Tesalonianina 1:8, 9; 2:13.

Raisin’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany ireo olona miala amin’ny fivavahan-diso. Raha manaiky hanatona an’i Jehovah àry ianao, dia ho lasa namany sady hahazo fianakaviana vaovao tena tia anao, ary koa hiaina mandrakizay.—Vakio ny Marka 10:29, 30; 2 Korintianina 6:17, 18.

4. Inona no hitranga amin’ny hoavy?

Tsy ho ela dia ho foana tanteraka ny fivavahan-diso. Vaovao tsara tokoa izany! Tsy hijaly intsony ny olona eran-tany amin’izay, satria tsy hisy fivavahan-diso hamitaka sy hampiady intsony. Hihavana kosa ny olon-drehetra, ka hivavaka amin’Andriamanitra tokana, dia ilay tena Andriamanitra.—Vakio ny Apokalypsy 18:20, 21; 21:3, 4.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 15 sy 16 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’​ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara