FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yc lesona 1
  • Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika
  • Ampianaro ny Zanakao
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2018
  • Zava-miafina Tsy Azon’ny Kristiana Hazonina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Zava-miafina Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ampianaro ny Zanakao
yc lesona 1
Anjely mihaino an’i Jesosy miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra

LESONA 1

Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika

Zavatra tsy azo tenitenenina amin’olona no atao hoe tsiambaratelo. Efa nisy nilaza tsiambaratelo taminao ve?...a Resahin’ny Baiboly fa misy tsiambaratelo iray atao hoe “zava-miafina masina.” Masina ilay izy satria avy amin’Andriamanitra. Zava-miafina koa izy io satria tsy fantatry ny olona sy ny anjely. Tianao ho fantatra ve hoe inona io tsiambaratelo io?...

Fantatrao ve hoe inona no tian’ireo anjely ireo ho fantatra?

Namorona ny lehilahy sy vehivavy voalohany Andriamanitra, tany aloha be tany. Adama sy Eva no anaran’izy ireo. Napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Toerana nahafinaritra be izany. Nila nankatò an’Andriamanitra izy ireo. Amin’izay izy sy ny taranany mba ho afaka hiaina mandrakizay sy hanova ny tany manontolo ho paradisa hoatran’io zaridaina io. Inona anefa no nataon’i Adama sy Eva?...

Mbola tsy paradisa ny tany, satria tsy nankatò i Adama sy Eva. Nilaza anefa Andriamanitra fa mbola hataony tsara tarehy ny tany, ary hiaina mandrakizay sy ho sambatra ny olona. Ahoana no hanaovany an’izany? Tsy nisy nahalala an’izany nandritra ny fotoana ela be. Tsiambaratelo ilay izy.

Niresaka momba azy io i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nilaza izy hoe momba ny Fanjakan’Andriamanitra io tsiambaratelo io. Nasainy nivavaka ny olona mba ho tonga io Fanjakana io. Izy io no hanova ny tany ho paradisa tsara tarehy.

Faly ve ianao nahafantatra an’io tsiambaratelo io?... Tadidio fa mila mankatò an’i Jehovah ianao raha te hiaina ao amin’ny Paradisa. Miresaka olona maro nankatò an’i Jehovah ny Baiboly. Te hianatra momba azy ireo ve ianao?... Andeha isika hijery ny sasany amin’izy ireo sy izay azo ianarana avy aminy.

VAKIO NY

  • Marka 4:11

  • 1 Petera 1:12

  • Genesisy 1:26-28; 2:8, 9; 3:6, 23

  • Matio 6:9, 10

  • Salamo 37:11, 29

a Misy teboka telo toa an’io aorian’ny fanontaniana sasany ato amin’ity bokikely ity. Tokony hiato kely ianao rehefa mahita izany ary hamela ny zanakao hamaly.

FANONTANIANA:

  • Nahoana ny tany no mbola tsy paradisa?

  • Inona ilay tsiambaratelo resahin’ny Baiboly?

  • Inona no nolazain’i Jesosy momba an’io tsiambaratelo io?

  • Mila manao inona ianao raha te hiaina ao amin’ny Paradisa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara