FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 14 p. 38-p. 39 feh. 7
  • Nanomboka Nanao Mpianatra i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanomboka Nanao Mpianatra i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ireo Lasa Mpianatr’i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Natanaela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 14 p. 38-p. 39 feh. 7
I Jaona Mpanao Batisa mampahafantatra hoe i Jesosy no Zanak’ondrin’Andriamanitra

TOKO 14

Nanomboka Nanao Mpianatra i Jesosy

JAONA 1:29-51

  • NANOMBOKA NANARAKA AN’I JESOSY IREO MPIANANY VOALOHANY

Nankany Galilia i Jesosy taorian’ilay 40 andro tany an-tany efitra. Nankany amin’i Jaona anefa aloha izy, ka hoy i Jaona tamin’ny olona teo aminy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! Izy ilay nolazaiko hoe: Misy olona ho avy ao aoriako, nefa efa nialoha ahy izy, satria efa nisy talohako.” (Jaona 1:29, 30) Zokin’i Jesosy i Jaona nefa nahalala fa efa nisy talohany i Jesosy, saingy anjely tany an-danitra.

Toa tsy tena azon’i Jaona antoka hoe i Jesosy no ho Mesia, tamin’i Jesosy nanatona azy mba hatao batisa, herinandro vitsivitsy talohan’izay. Niaiky izy hoe: “Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa ny mba hampisehoana azy amin’ny Israely no anaovako batisa amin’ny rano.”—Jaona 1:31.

Nanohy nitantara ny batisan’i Jesosy izy ka nilaza hoe: “Hitako nidina toy ny voromailala avy tany an-danitra ny fanahy, ka nitoetra teo amboniny. Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa Ilay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano mihitsy no nilaza tamiko hoe: ‘Izay olona hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia izy ilay manao batisa amin’ny fanahy masina.’ Efa hitako izany, ka nanaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.”—Jaona 1:32-34.

Niaraka tamin’ny mpianany roa lahy i Jaona ny ampitso. Nanatona azy ireo indray i Jesosy ka hoy i Jaona: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” (Jaona 1:36) Tonga dia nanaraka an’i Jesosy ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa ireo. I Andrea ny iray, ary Jaona koa no anaran’ilay iray. Mety ho io Jaona io no nanoratra an’ilay fitantarana. Toa zanak’olo-mpiray tam-po izy sy Jesosy, satria zanak’i Salome i Jaona. Rahavavin’i Maria angamba i Salome ary vadin’i Zebedio.

Hitan’i Jesosy nanaraka azy i Andrea sy Jaona, ka hoy izy: “Inona no tadiavinareo?”

Hoy ireo: ‘Raby, aiza ianao no mipetraka?’

Hoy i Jesosy: “Avia, dia ho hitanareo.”—Jaona 1:37-39.

I Jesosy miresaka amin’i Andrea sy Petera

Tamin’ny efatra tolakandro teo ho eo tamin’izay, ary nijanona tao amin’i Jesosy i Andrea sy Jaona tamin’iny andro iny. Faly be i Andrea ka hoy izy rehefa nahita an’i Simona na Petera rahalahiny: “Efa hitanay ny Mesia!” (Jaona 1:41) Dia nentiny tany amin’i Jesosy i Petera. Toa hitan’i Jaona koa i Jakoba rahalahiny ary nentiny tany amin’i Jesosy, rehefa jerena ny nitranga taorian’izay. Tsy noresahin’i Jaona tao amin’ny fitantarany anefa izany.

Nihaona tamin’i Filipo avy any Betsaida i Jesosy ny ampitso. Eo akaikin’ny morontsiraka avaratry ny Ranomasin’i Galilia i Betsaida ary tao no niavian’i Andrea sy Petera. Hoy i Jesosy tamin’i Filipo: “Andao hanara-dia ahy.”—Jaona 1:43.

Hitan’i Filipo i Natanaela na Bartolomeo, ka hoy izy taminy: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy voasoratry ny mpaminany, dia i Jesosy, zanak’i Josefa avy any Nazareta.” Tsy nino anefa i Natanaela ka hoy izy tamin’i Filipo: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?”

Hoy i Filipo: “Avia ange jereo e!” Hitan’i Jesosy nanatona azy i Natanaela, ka hoy izy: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka.”

Nanontany i Natanaela hoe: “Ahoana no ahafantaranao ahy?”

Hoy i Jesosy: “Efa hitako ianao talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, tamin’ianao teo ambany aviavy.”

Gaga i Natanaela ka niteny hoe: “Raby ô, Zanak’Andriamanitra ianao! Mpanjakan’ny Israely ianao!”

Hoy i Jesosy: “Ny nilazako taminao ve hoe hitako teo ambany aviavy ianao no mahatonga anao hino? Mbola hahita zavatra lehibe noho izany ianao.” Nampanantena izy avy eo hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ho hitanareo ny lanitra misokatra, sy ny anjelin’Andriamanitra hiakatra sy hidina mankatỳ amin’ny Zanak’olona.”—Jaona 1:45-51.

Niala tany amin’ny Lohasahan’i Jordana i Jesosy sy ireo mpianany vaovao taoriana kelin’izay, ary nankany Galilia.

  • Iza avy no mpianatr’i Jesosy voalohany?

  • Ahoana no nahalalan’i Petera sy Jakoba an’i Jesosy?

  • Inona no naharesy lahatra an’i Natanaela hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara