FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 34 p. 82-p. 83 feh. 6
  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifidy ireo apostoliny i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fifidianana ireo apostoliny
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ireo Lasa Mpianatr’i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Mampianatra eo An-tendrombohitra i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 34 p. 82-p. 83 feh. 6
Mankany an-tendrombohitra i Jesosy

TOKO 34

Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy

MARKA 3:13-19 LIOKA 6:12-16

  • IREO APOSTOLY 12

Herintaona sy tapany teo ho eo izay no lasa hatramin’ny nilazan’i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesosy no Zanak’ondrin’Andriamanitra. Rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy dia lasa mpianany ny lehilahy vitsivitsy tso-po toa an’i Andrea, Simona Petera, Jaona, Jakoba (rahalahin’i Jaona) angamba, Filipo, ary Bartolomeo (na Natanaela). Nisy maro hafa koa lasa mpanara-dia an’i Kristy.—Jaona 1:45-47.

Vonona hifidy ny apostoliny i Jesosy tatỳ aoriana. Izy ireo no hiara-miasa akaiky aminy ary hahazo fampiofanana manokana. Nankany amin’ny tendrombohitra iray anefa izy talohan’ny nifidianany azy ireo. Teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia angamba izany, ary tsy lavitra an’i Kapernaomy. Nivavaka nandritra ny alina manontolo i Jesosy ary azo inoana fa nangataka fahendrena sy fitahiana tamin’Andriamanitra. Niantso ny mpianany izy ny ampitso ary nifidy 12 mba ho apostoly.

Anisan’ny nofidin’i Jesosy ireo enina voalaza terỳ aloha. Nofidiny koa i Matio, izay nantsoiny teo amin’ny birao famorian-ketra. Ny dimy hafa indray dia i Jodasy (nantsoina koa hoe Tadeo sy “zanak’i Jakoba”), Simona Kananeanina, Tomasy, Jakoba zanak’i Alfeo, ary Jodasy Iskariota.—Matio 10:2-4; Lioka 6:16.

I Jesosy mivavaka, alohan’ny hifidianany ny apostoliny 12

Efa niaraka tamin’i Jesosy izy 12 ireo ary fantany tsara. Havany koa ny sasany taminy. Toa zanak’olo-mpiray tam-po izy sy Jakoba sy Jaona, izay mpirahalahy. Ary raha marina ny noeritreretin’ny olona sasany hoe rahalahin’i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy i Alfeo, dia zanak’olo-mpiray tam-po koa i Jesosy sy Jakoba zanak’i Alfeo.

Tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nitadidy ny anaran’ny apostoliny. Ary ianao? Afaka manampy anao izao: Misy Simona roa, Jakoba roa, ary Jodasy roa. Manana rahalahy atao hoe Andrea i Simona (Petera), ary manana rahalahy atao hoe Jaona i Jakoba (zanak’i Zebedio). Efa valo izay no tadidinao. Ireto kosa ny efatra ambiny: Ilay mpamory hetra (Matio), ilay nisalasala tatỳ aoriana (Tomasy), ilay nantsoina teo ambany hazo (Natanaela), ary ilay naman’i Natanaela (Filipo).

Avy tao Galilia, faritra niavian’i Jesosy, ny apostoly 11. Avy any Kana i Natanaela, ary avy any Betsaida i Filipo sy Petera ary Andrea. Nifindra tany Kapernaomy i Petera sy Andrea tatỳ aoriana, ary toa tao koa i Matio no nipetraka. Nipetraka tao Kapernaomy na teo akaiky teo i Jakoba sy Jaona, ary tsy lavitra teo izy ireo no nanao ny asan’ny mpanarato. Toa i Jodasy Iskariota irery no apostoly avy any Jodia. Izy ilay namadika an’i Jesosy tatỳ aoriana.

  • Inona no fanapahan-kevitra lehibe noraisin’i Jesosy rehefa avy nivavaka nandritra ny alina manontolo izy?

  • Iza avy ireo apostolin’i Jesosy, ary ahoana no hitadidianao ny anaran’izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara