FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 48 p. 120-p. 121 feh. 8
  • Nanao Fahagagana Izy Nefa Nolavin’ny Olona tao Nazareta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanao Fahagagana Izy Nefa Nolavin’ny Olona tao Nazareta
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaozana ny tranon’i Jairo ary fitsidihana an’i Nazareta indray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nandao an’i Jairo i Jesosy ary niverina tany Nazareta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 48 p. 120-p. 121 feh. 8
Vahoaka manaraka an’i Jesosy tamin’izy niala tao an-tranon’i Jairo

TOKO 48

Nanao Fahagagana Izy Nefa Nolavin’ny Olona tao Nazareta

MATIO 9:27-34; 13:54-58 MARKA 6:1-6

  • NANASITRANA OLONA JAMBA SY MOANA I JESOSY

  • NOLAVIN’NY OLONA TAO NAZARETA IZY

Be atao i Jesosy nandritra an’ilay andro. Nanasitrana vehivavy nandeha ra izy ary nanangana ny zanakavavin’i Jairo, rehefa avy tany Dekapolisy. Mbola nisy zavatra nataony anefa tamin’io andro io. Nisy jamba roa lahy nanaraka azy rehefa niala tao amin’i Jairo izy. Hoy izy ireo: “Mba iantrao izahay, ry Zanak’i Davida ô!”—Matio 9:27.

Niantso an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida” ireo jamba, satria nino fa izy no Mesia mpandova ny seza fiandrianan’i Davida. Toa nodian’i Jesosy tsy re izy ireo, satria angamba tiany ho hita raha hisisika hiantso. Izany tokoa no nataon’ireo jamba. Nanaraka an’i Jesosy izy ireo rehefa niditra tao amin’ny trano iray izy. Hoy i Jesosy: “Mino ve ianareo fa mahay manao izany aho?” Tsy nisalasala izy ireo namaly hoe: “Eny, Tompoko.” Nokasihin’i Jesosy àry ny mason’izy ireo ary hoy izy: “Aoka ho tonga aminareo izany, araka ny finoanareo.”—Matio 9:28, 29.

Tampoka teo dia nahita izy roa lahy. Nandrara azy ireo tsy hitantara izay nataony i Jesosy, toy ny fanaony. Faly be anefa izy roa lahy ka niresaka momba azy hatraiza hatraiza.

Nony lasa izy roa lahy dia nentin’ny olona nankeo amin’i Jesosy ny lehilahy nisy demonia sady moana. Navoakan’i Jesosy ilay demonia ary afaka niteny avy hatrany ilay lehilahy. Talanjona ny vahoaka ka niteny hoe: “Mbola tsy nisy toy izao mihitsy teto amin’ny Israely.” Teo koa ny Fariseo, ary tsy afaka nanda hoe nahavita fahagagana i Jesosy. Nampangainy indray àry i Jesosy hoe: “Hery avy amin’ny lehiben’ny demonia no amoahany demonia.”—Matio 9:33, 34.

Nankany Nazareta tanàna niaviany i Jesosy tsy ela taorian’izay, ary nanaraka azy ny mpianany. Nampianatra tao amin’ny synagoga tao izy, herintaona teo ho eo talohan’io. Nampitolagaga ny olona izay nolazainy tamin’izay. Sosotra tamin’ny fampianarany anefa izy ireo, ka nitady hamono azy. Niezaka nanampy azy ireo indray izao i Jesosy.

Nampianatra tao amin’ny synagoga izy tamin’ny Sabata. Gaga be ny olona maro ka niteny hoe: “Taiza no nahazoan’ilehio fahendrena toy izany sy fahaiza-manao fahagagana toy izao? Tsy io ve ilay zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria ve no anaran-dreniny, ary tsy i Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy ve no rahalahiny? Ary tsy eto amintsika avokoa ve ny anabaviny? Taiza àry no nahazoan’ilehio izany rehetra izany?”—Matio 13:54-56.

Nihevitra ny olona fa avy teo an-tanàna ihany i Jesosy. Nieritreritra izy ireo hoe: ‘Hitantsika ny nahalehibe azy, ka nahoana no hoe izy no Mesia?’ Nolavin’izy ireo i Jesosy, na dia teo aza ny porofo maro, ohatra hoe tena hendry sy nahay fahagagana izy. Efa nifankazatra taminy ny havany, ka na izy ireo aza tafintohina taminy. Hoy àry i Jesosy: “Ao amin’ny faritra niaviany sy ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”—Matio 13:57.

Gaga i Jesosy hoe tsy nanam-pinoana izy ireo. Tsy nanao fahagagana tao àry izy, “afa-tsy fametrahan-tanana tamin’ny marary vitsivitsy” mba hahasitrana azy ireo.—Marka 6:5, 6.

  • Inona no ninoan’ireo jamba roa lahy matoa izy ireo niantso an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida”?

  • Inona no nolazain’ny Fariseo rehefa nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy izy ireo?

  • Ahoana no nandraisan’ny olona tao Nazareta an’i Jesosy ary nahoana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara