FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 65 p. 154-p. 155 feh. 3
  • Nampianatra i Jesosy Teny An-dalana ho any Jerosalema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampianatra i Jesosy Teny An-dalana ho any Jerosalema
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Dia nangingina nankany Jerosalema
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fandehanana mangingina ho any Jerosalema
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Tsy Mbola Tonga ny Fotoany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fotoan-dehibe Niravoravoana teo Amin’ny Tantaran’ny Isiraely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 65 p. 154-p. 155 feh. 3
I Jesosy sy ny mpianany eny an-dalana ho any Jerosalema

TOKO 65

Nampianatra i Jesosy Teny An-dalana ho any Jerosalema

MATIO 8:19-22 LIOKA 9:51-62 JAONA 7:2-10

  • TSY NINO AZY NY RAHALAHINY

  • TENA ZAVA-DEHIBE NY FANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA

Nisy fotoana nitorian’i Jesosy elaela tany Galilia. Nandray azy kokoa ny olona tany noho ny tany Jodia. Nanasitrana lehilahy iray tamin’ny Sabata koa izy tao Jerosalema, ka “vao mainka nitady hamono azy” ny Jiosy.—Jaona 5:18; 7:1.

Fararanon’ny taona 32 izao ary efa akaiky ny Fetin’ny Tranolay (na Trano Rantsankazo). Fito andro io fety io, ary nisy fivoriambe manetriketrika ny andro fahavalo. Io fety io no namarana ny asa fambolena tao anatin’ny taona, ka nifaly sy nisaotra an’i Jehovah ny Israelita tamin’io.

I Jesosy sy ireo mpianany atao hoe Jakoba sy Jaona

Hoy i Jakoba sy Simona sy Josefa sy Jodasy, izay samy rahalahin’i Jesosy: “Mialà eto ianao ka mankanesa any Jodia.” I Jerosalema no foiben’ny fivavahana tany Israely. Feno olona tao nandritra ireo fety telo fanao isan-taona. Hoy ireo rahalahin’i Jesosy: “Tsy misy olona te ho fanta-bahoaka nefa manao zavatra ao amin’ny miafina. Koa raha manao ireny zavatra ireny ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.”—Jaona 7:3, 4.

“Tsy nino azy” ho Mesia ny rahalahiny raha ny marina. Tian’izy ireo hahita azy manao fahagagana anefa ny olona tonga tamin’ilay fety. Fantatr’i Jesosy fa mampidi-doza izany, ka hoy izy: “Tsy misy antony ankahalan’izao tontolo izao anareo. Fa izaho kosa halany, satria manaporofo fa ratsy ny ataony. Mandehana ianareo mamonjy ny fety, fa izaho mbola tsy handeha satria mbola tsy tena tonga ny fotoana voatondro ho ahy.”—Jaona 7:5-8.

Lasa niaraka tamin’ny ankamaroan’ny olona hamonjy an’ilay fety ny rahalahin’i Jesosy. Andro vitsivitsy taorian’izay izy sy ny mpianany vao nandeha, ary niafinafina mba tsy ho tsikaritra. Nanitsy nankany Samaria izy ireo, fa tsy tany amin’ny lalana nahazatra teo akaikin’i Jordana. Nila trano hilasiana izy ireo tany Samaria ka naniraka olona hanomana an’izany. Tsy nety nandray azy ireo na nanao ny fomba fanao rehefa misy vahiny anefa ny olona tao amin’ny toerana iray, satria ho any Jerosalema mba hankalaza fety jiosy i Jesosy. Tezitra i Jakoba sy Jaona ka nilaza hoe: “Tompo ô, tianao ve ny hitenenanay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handringana an’ireo?” (Lioka 9:54) Niteny mafy azy roa lahy i Jesosy ary nanohy ny diany izy ireo.

Nisy mpanora-dalàna iray niteny tamin’i Jesosy teny an-dalana hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.” Namaly i Jesosy hoe: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Matio 8:19, 20) Te hilaza izy fa hiatrika zava-tsarotra ilay mpanora-dalàna raha lasa mpanara-dia azy. Toa nanambony tena loatra izy io ka tsy nanaiky hiatrika an’izany. Eritrereto àry hoe: ‘Tena vonona hanara-dia an’i Jesosy ve ianao?’

1. Amboadia iray ao anaty lavaka; 2. Vorona iray ao anaty akany

Hoy i Jesosy tamin’ny lehilahy iray hafa: “Andao hanara-dia ahy.” Hoy anefa izy io: “Avelao aho aloha handeha handevina ny raiko.” Fantatr’i Jesosy ny fiainan’io lehilahy io ka hoy izy: “Avelao ny maty handevina ny maty eo aminy, fa ianao kosa mandehana ka torio hatraiza hatraiza ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:59, 60) Toa mbola tsy maty ny rain’ilay lehilahy, matoa izy mbola niresaka tamin’i Jesosy teo. Tsy vonona hanao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

Nisy lehilahy iray koa niresaka tamin’i Jesosy, rehefa lasa lavidavitra izy ireo. Hoy izy io: “Hanaraka anao ihany aho, Tompo ô, fa avelao aloha aho hanao veloma ny ao an-tranoko.” Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 9:61, 62.

Tsy maintsy mifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izay tena te ho mpianatr’i Jesosy. Azo inoana fa hivilana ny soritra ataon’ny mpamboly raha miherikerika izy. Ho tara koa ny asa eny an-tsaha, raha apetrany ny angadinomby ary ilaozany mijery any aoriana. Toy izany koa fa mety hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana izay miherika any amin’ity tontolo tranainy ity.

  • Ahoana no niheveran’ireo rahalahin’i Jesosy azy?

  • Ahoana no nataon’ny Samaritanina tamin’i Jesosy, ary inona no saika hataon’i Jakoba sy Jaona?

  • Inona avy ireo resaka telo nataon’i Jesosy teny an-dalana? Ahoana no nampisehoany fa zava-dehibe ny fanompoana an’Andriamanitra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara