FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 75 p. 176-p. 177 feh. 1
  • Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny loharanon’ny fahasambarana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny loharanon’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Iza no Nanome Hery An’i Jesosy mba Hanaovany Fahagagana?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nahatonga fiadian-kevitra Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 75 p. 176-p. 177 feh. 1
Nanarin’i Jesosy ny vehivavy iray nanome voninahitra manokana an’i Maria reniny

TOKO 75

Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra

LIOKA 11:14-36

  • NAMOAKA DEMONIA TAMIN’NY ALALAN’NY “RANTSANTANAN’ANDRIAMANITRA” IZY

  • INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Vao avy namerina nampianatra momba ny vavaka i Jesosy. Tsy izany ihany anefa no naveriny noresahina nandritra ny fanompoany. Nendrikendrehina izy tany Galilia hoe hery avy amin’ny lehiben’ny demonia no nahavitany fahagagana. Voaendrikendrika tamin’izany indray izy tao Jodia.

Gaga ny vahoaka rehefa namoaka ny demonia tao amin’ny lehilahy iray moana i Jesosy. Niampanga azy indray anefa ny mpanakiana hoe: “Mamoaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba lehiben’ny demonia izy.” (Lioka 11:15) Ny hafa kosa te hahita porofo bebe kokoa hoe iza i Jesosy, ka nangataka famantarana avy any an-danitra.

Fantatr’i Jesosy fa te hitsapa azy izy ireo, ka novaliany toy ny namaliany an’ireo nanakiana azy tany Galilia. Nilaza izy fa ho rava ny fanjakana iray raha misaratsaraka ny ao anatiny. Hoy izy: “Raha mizarazara hanohitra ny tenany ihany i Satana, ahoana moa no haharetan’ny fanjakany?” Notsorin’i Jesosy avy eo hoe: ‘Raha ny rantsantanan’Andriamanitra no amoahako demonia dia efa eo aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo.’—Lioka 11:18-20.

Tokony hahatsiaro an’izay nitranga teo amin’ny Israely fahiny ireo mpihaino rehefa nandre an’ilay hoe “rantsantanan’Andriamanitra.” Hoy ny tao an-dapan’i Farao rehefa nahita an’i Mosesy nanao fahagagana: “Rantsantanan’Andriamanitra ity!” Ny “rantsantanan’Andriamanitra” koa no nanoratra ny Didy Folo tamin’ny takela-bato roa. (Eksodosy 8:19; 31:18) Izy io dia ny fanahy masina na ny hery ampiasain’Andriamanitra. Izy io no nanampy an’i Jesosy hamoaka demonia sy hanasitrana. Efa teo amin’ireo mpanohitra ireo àry ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantany. Teo amin’izy ireo mantsy i Jesosy, ilay voatendry ho Mpanjakan’izy io, ary nanao fahagagana.

Mahafehy an’i Satana i Jesosy matoa nahavita namoaka demonia, toy ny andresen’ny lehilahy iray mahery ny mpiambina iray mirongo fiadiana. Naverin’i Jesosy koa ilay fanoharany momba ny fanahy maloto niala tamin’ny olona iray. Raha tsy fenoin’ilay olona zavatra tsara ny toerana banga, dia hiverina ilay fanahy ary hitondra fanahy fito hafa. Ho ratsy noho ny tamin’ny voalohany àry ny hanjo an’ilay olona. (Matio 12:22, 25-29, 43-45) Toy izany no nanjo ny firenen’Israely.

Hoy ny vehivavy iray nihaino an’i Jesosy: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!” Naniry ho renin’ny mpaminany ny vehivavy jiosy, indrindra fa ny ho renin’ny Mesia. Nety ho nieritreritra àry ilay vehivavy fa tena sambatra i Maria satria renin’io mpampianatra mahay io. Nanitsy azy anefa i Jesosy ka nolazainy izay tena mahasambatra. Hoy izy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!” (Lioka 11:27, 28) Tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe tokony homena voninahitra manokana i Maria. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra no tena mahasambatra, fa tsy ny rohim-pihavanana na ny zava-bita, na lehilahy ianao na vehivavy.

Nangataka famantarana avy any an-danitra ilay vahoaka, ka niteny mafy azy ireo i Jesosy, toy ny nataony tany Galilia. Nilaza izy fa tsy hisy famantarana homena azy ireo afa-tsy “ilay famantarana ny amin’i Jona.” Famantarana ho azy ireo i Jona noho izy telo andro tao an-kibon’ny trondro sy noho izy sahy nitory ka nahatonga ny Ninivita hibebaka. Hoy i Jesosy: “Misy lehibe noho i Jona anefa eto.” (Lioka 11:29-32) Tonga hihaino ny fahendren’i Solomona koa ny mpanjakavavin’i Sheba, nefa lehibe noho i Solomona i Jesosy.

Hoy koa i Jesosy: “Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy any anaty lakaly na ao ambany sobika famarana, fa ataony eo amin’ny fitoeran-jiro kosa izany.” (Lioka 11:33) Tsy nanana maso tsotra ny olona niresahan’i Jesosy, ka tsy azon’izy ireo ny antony nanaovany ny asany. Nety ho te hilaza àry i Jesosy hoe toy ny nanafina ny hazavan’ny jiro izy rehefa nampianatra azy ireo sy nanao fahagagana teo anatrehany.

Vao avy namoaka demonia tamin’ny lehilahy iray i Jesosy ary lasa afaka niteny izy io. Tokony handrisika ny olona hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hitantara ny zavatra ataony izany. Nampitandrina an’ireo mpanakiana àry i Jesosy hoe: “Koa aoka ianao ho mailo, sao dia haizina ilay hazavana ao anatinao. Koa raha mazava ny tenanao manontolo ka tsy misy maizina mihitsy, dia hazava toy ny tarafin’ny jiro ny tenanao manontolo.”—Lioka 11:35, 36.

  • Ahoana no nataon’ny olona sasany tao Jodia rehefa nanasitrana lehilahy iray i Jesosy?

  • Inona ilay “rantsantanan’Andriamanitra”, ary nahoana no azo lazaina fa efa teo amin’ireo mpihaino an’i Jesosy ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantany?

  • Inona no tena mahasambatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara