FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 13 p. 130-140
  • “Ataovy mba Hanomezam-boninahitra An’Andriamanitra ny Zava-drehetra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ataovy mba Hanomezam-boninahitra An’Andriamanitra ny Zava-drehetra”
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MADIO ARA-PANAHY SADY MADIO FITONDRAN-TENA
  • MADIO ARA-BATANA
  • FIALAM-BOLY METY
  • ANY AM-PIANARANA
  • ASA FIVELOMANA SY NAMANA
  • MIRAY SAINA FOANA
  • Tian’Andriamanitra ny Olona Madio
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fialam-boly Mahasoa sy Mamelombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Aoka isika hitandrina ny fahadiovantsika ara-tsaina sy ara-batana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 13 p. 130-140

TOKO 13

“Ataovy mba Hanomezam-boninahitra An’Andriamanitra ny Zava-drehetra”

EFA nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika, ka tokony hanome voninahitra azy amin’izay rehetra lazaintsika sy ataontsika. Nanome an’izao torolalana izao ny apostoly Paoly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1 Kor. 10:31) Tokony harahintsika foana àry ny fitsipik’i Jehovah, satria hita amin’izy ireny ny toetrany lavorary. (Kol. 3:10) Vahoakan’Andriamanitra isika, ka tsy maintsy miezaka ny ho masina toa azy.​—Efes. 5:1, 2.

2 Niresaka momba izany ny apostoly Petera, rehefa nanoratra hoe: “Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hovolavolain’ny faniriana nanananareo taloha tamin’ianareo mbola tsy nahalala an’Andriamanitra. Aoka kosa ianareo ho masina amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, hoatran’Ilay Masina izay niantso anareo. Fa voasoratra hoe: ‘Tsy maintsy masina ianareo, satria masina aho.’” (1 Pet. 1:14-16) Tsy maintsy masina foana ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana, toa an’ireo Israelita fahiny ihany. Midika izany fa tsy maintsy madio foana isika, ary tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo izao mihitsy. Tena hiavaka isika amin’izay, ka ho afaka hanompo an’i Jehovah.​—Eks. 20:5.

3 Ho masina foana isika, raha manaraka an’ireo lalàna sy torolalan’i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina. (2 Tim. 3:16) Manjary mahafantatra an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra isika rehefa mianatra Baiboly, ka lasa te hifandray aminy. Lasa takatsika hoe mila ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tokony ho zava-dehibe amintsika ny manao ny sitrapony. (Mat. 6:33; Rom. 12:2) Noho izany dia tsy maintsy mitafy ny toetra vaovao isika.​—Efes. 4:22-24.

MADIO ARA-PANAHY SADY MADIO FITONDRAN-TENA

4 Tsy mora foana ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Miezaka mitaona antsika hiala amin’ny fahamarinana mantsy ilay fahavalontsika, dia i Satana Devoly. Manampy trotraka koa ny tontolo ratsy manodidina antsika sy ny fanirian-dratsy ao anatintsika. Mila manao ady ara-panahy foana àry isika, raha tsy te hivadika amin’i Jehovah. Milaza ny Soratra Masina fa tsy tokony ho gaga isika rehefa sendra fanoherana na fitsapana. Tsy maintsy hijaly noho ny fahamarinana mantsy isika. (2 Tim. 3:12) Afaka ny ho sambatra anefa isika na iharam-pitsapana aza, satria fantatsika fa izany no porofo hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra isika.​—1 Pet. 3:14-16; 4:12, 14-16.

5 Lavorary i Jesosy, nefa nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany. Tsy nilefitra tamin’ny fitaoman’i Satana mihitsy izy, sady tsy nitady laza na voninahitra teo amin’izao tontolo izao. (Mat. 4:1-11; Jaona 6:15) Tsy nieritreritra ny hilavo lefona koa izy, na indray mandeha aza. Tsy nivadika izy ka lasa nankahalain’ny olona, nefa mbola nanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana. Nilazany ny mpianany, taloha kelin’ny nahafatesany, fa tsy maintsy hankahala azy ireo koa izao tontolo izao. Nampijalin’ny olona ny mpanara-dia an’i Jesosy nanomboka tamin’izay. Nampahery azy ireo anefa ny nahafantatra hoe efa nandresy an’izao tontolo izao ilay Zanak’Andriamanitra, ka afaka ny handresy koa izy ireo.​—Jaona 15:19; 16:33; 17:16.

6 Tokony hanahaka ny Tompontsika isika, ka hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana, mba tsy ho anisan’izao tontolo izao. Tsy hitsabaka amin’ny ady ataon’ny olona isika, na eo amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny resaka politika. Tsy hanahaka ny fitondran-tena ratsin’ny olona koa isika. Arahintsika ilay torohevitra ao amin’ny Jakoba 1:21 hoe: “Esory daholo ny fahalotoana rehetra sy izay faharatsiana sisa tavela ao aminareo. Dia ekeo amim-pahalemem-panahy ny teny ambolen’Andriamanitra ao am-ponareo, satria afaka mamonjy anareo izy io.” Toy ny hoe “ambolena” ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fahamarinana, rehefa mivory sy mianatra Baiboly isika. Tsy hitsiriritra ny zavatra eto amin’izao tontolo izao mihitsy isika raha manao an’izany. Hoy i Jakoba mpianatra: “Angaha tsy fantatrareo fa lasa fahavalon’Andriamanitra izay minamana amin’izao tontolo izao? Izay te ho naman’izao tontolo izao àry, dia mitsangana ho fahavalon’Andriamanitra.” (Jak. 4:4) Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah sy hisaraka amin’izao tontolo izao foana.

7 Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tsy tokony hanana fitondran-tena ratsy sy mahamenatra isika. Hoy ny Efesianina 5:3: “Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mety amin’ny olona masina izany.” Tsy avelantsika hifantoka amin’ny zavatra vetaveta na mahamenatra mihitsy àry ny saintsika, sady tsy hiresaka momba an’izany mihitsy isika. Asehontsika amin’izany fa tena tiantsika ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, izay sady madio no marina.

MADIO ARA-BATANA

8 Fantatry ny Kristianina fa tokony hadio ara-batana izy ireo, ankoatra ny hoe madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena. Andriamanitra masina i Jehovah, ka nilazany ny Israelita fahiny hoe tsy maintsy madio foana ny tobin’izy ireo. Tsy maintsy madio koa isika “sao hahita zavatra tsy mendrika” eo amintsika izy.​—Deot. 23:14.

9 Mifandray akaiky ny hoe masina sy ny hoe madio ara-batana, ao amin’ny Baiboly. Hoy, ohatra, i Paoly: “Ry malala, ... aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana sy ny saina, ka hiezaka mafy ho masina tanteraka sady hatahotra an’Andriamanitra.” (2 Kor. 7:1) Tokony hiezaka ny hadio foana àry ny Kristianina, ka hanasa ny akanjony sy handro tsy tapaka. Tsy mitovy ny zava-misy any amin’ny tany rehetra. Tsy sarotra anefa ny mahita savony sy rano amin’ny ankapobeny, ka afaka mandro isika sy ny zanatsika mba hadio foana.

10 Fantatry ny mpiray tanàna amintsika isika, noho isika mandeha mitory. Toy ny hoe efa mitory amin’izy ireny anefa isika raha madio sy milamina ny tranontsika, na ny ao anatiny na ny eo ivelany. Mila mifarimbona ny mpianakavy mba hahavitana an’izany. Tokony hataon’ireo rahalahy azo antoka fa madio sy milamina foana ny tokotaniny sy ny tranony, satria fantany fa mety hisy vokany tsara eo amin’ny olona izany. Hita hoe mahay mitondra tsara ny ankohonany ny loham-pianakaviana, raha manao izany sady manampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. (1 Tim. 3:4, 12) Manana ny andraikiny koa ny anabavy, indrindra amin’ny fikarakarana ny ao an-tranony. (Tit. 2:4, 5) Manao ny anjarany koa ny ankizy tsara taiza, ka ataony madio sy milamina foana, na ny vatany na ny efitranony. Miara-miasa àry ny mpianakavy mba ho zatra madio, ka ho mendrika ny hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

11 Maro ny mpanompon’i Jehovah manana fiara hoentina mivory. Tena ilaina amin’ny asa fitoriana koa ny fiara, any amin’ny faritra sasany. Tokony hadio sy ho voakojakoja foana izy ireny. Ho hita hoe anisan’ilay vahoaka madio sy masina manompo an’i Jehovah isika, raha ataontsika madio ny tranontsika sy ny fiarantsika. Tokony hadio tsara koa ny kitapo sy ny Baiboly fitondrantsika manompo.

12 Tokony hanaraka ny torolalan’Andriamanitra isika eo amin’ny resaka fitafiana sy taovolo. Tsy ho sahy hanao akanjo misavoritaka na fitena isika, raha handeha ho any amin’ny manam-pahefana. Mbola zava-dehibe noho izany anefa ny misolo tena an’i Jehovah eny amin’ny fanompoana sy eny amin’ny lampihazo. Mety ho tsara na ratsy mantsy ny fahitan’ny olona ny fivavahantsika, arakaraka ny fitafiana sy ny taovolontsika. Tsy mety mihitsy àry raha tsy maotina izany. Tsy tokony hanao izay hanafintohina ny hafa koa isika. (Mika 6:8; 1 Kor. 10:31-33; 1 Tim. 2:9, 10) Tokony hotadidintsika foana izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fahadiovana sy ny paozy maotina, rehefa miomana handeha hanompo isika, na handeha hivory, na hanatrika fivoriambe. Tiantsika mantsy ny hidera sy hanome voninahitra an’i Jehovah foana.

Efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika, ka tokony hanome voninahitra azy amin’izay rehetra lazaintsika sy ataontsika

13 Tokony hanao toy izany koa isika, rehefa mitsidika ny foibe any Etazonia na ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tadidio fa midika hoe “Tranon’Andriamanitra” ny hoe Betela. Tokony ho toy ny rehefa mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana àry ny fitafiana sy fihetsitsika rehefa mankany.

14 Tokony ho maotina tsara koa ny fitafiana sy ny taovolontsika, na dia miala voly aza isika. Eritrereto hoe: ‘Ho sahy hitory tsy ara-potoana amin’izao paoziko izao ve aho?’

FIALAM-BOLY METY

15 Mila miala sasatra sy miala voly isika, raha te ho salama sy hisaina tsara foana. Nasain’i Jesosy niaraka taminy tany amin’ny toerana mitokana ny mpianany, indray mandeha, mba ‘hiala sasatra kely.’ (Mar. 6:31) Mba miova kely amin’ny zavatra fanao andavanandro isika, rehefa miala voly na miala sasatra tsindraindray. Mamelombelona antsika izany, ka afaka manohy ny asantsika indray isika avy eo.

16 Maro loatra izao ny karazana fialam-boly, ka tsy maintsy mahay mifidy ny Kristianina. Ataony mifanaraka amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ny fialam-boly ataony. Ilaina ny miala voly, nefa tsy izany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Efa nilaza ny Baiboly hoe “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra” ny olona “amin’ny andro farany.” (2 Tim. 3:1, 4) Tsy mety amin’ireo te hanaraka ny fitsipik’i Jehovah koa ny ankamaroan’ireo lazaina fa fialam-boly.

17 Tena tia fahafinaretana ny olona tamin’ny taonjato voalohany, ka tsy maintsy nanohitra an’izany toe-tsaina izany ny Kristianina. Anisan’ny fialam-bolin’ny Romanina ny nijery olona nampijalijalina tao amin’ny kianjan’izy ireo. Naseho teo amin’ilay kianja ny herisetra sy ny fandatsahan-dra ary ny fitondran-tena ratsy, izay natao hamalifaliana ny olona. Nanalavitra an’izany rehetra izany anefa ny Kristianina. Zavatra mitovitovy amin’izany koa no hita amin’ny fialam-boly ankehitriny, ary natao hamalifaliana an’ireo tia zava-dratsy izany. Tena mila ‘mitandrina tsara foana’ àry isika, ka tsy hanao fialam-boly ratsy. (Efes. 5:15, 16; Sal. 11:5) Mety hoe azontsika Kristianina atao ihany anefa ny fialam-boly iray, fa ny olona miara-miala voly amintsika na ny zava-misy any amin’ilay toerana no ratsy.​—1 Pet. 4:1-4.

18 Betsaka ny fialam-boly mahafinaritra azon’ny Kristianina atao. Maro no nandray soa, rehefa nanaraka ny torohevitry ny Soratra Masina sy ny soso-kevitra mahasoa ao amin’ny boky sy gazetintsika.

19 Mety hanasa fianakaviana maromaro ho any an-tranony ny Kristianina sasany indraindray, mba hiara-mikorana aminy. Mety hasaina hanatrika fampakaram-bady na fety hafa koa ny rahalahy sy anabavy. (Jaona 2:2) Tokony ho fantatr’ilay tompom-panasana fa izy no tompon’andraikitra amin’izay mitranga any. Tena ilaina ny mitandrina rehefa be dia be ny olona miara-mikorana. Afaka manao izay mba mahafinaritra azy mantsy ny olona amin’ireny fiaraha-mikorana ireny, ka lasa nanao zavatra tsy mety amin’ny Kristianina ny sasany. Nihinana sy nisotro be loatra izy ireo ary nanao fahotana lehibe mihitsy aza. Malina àry ny Kristianina sasany, ka ferany ny olona asainy sy ny faharetan’ilay fiarahana. Tokony hahay handanjalanja isika raha misy zava-pisotro misy alkaola ao. (Fil. 4:5) Tsy hieritreritra be loatra momba ny sakafo sy zava-pisotro isika, raha ny handray soa sy fampaherezana avy amin’ilay fiarahana no tanjontsika.

20 Tsara ny hoe tia mandray vahiny. (1 Pet. 4:9) Tokony mba hasaintsika koa ireo sahirana, rehefa manasa Kristianina hiara-misakafo sy hiara-miala voly ary hiara-mikorana amintsika isika. (Lioka 14:12-14) Tokony hanaraka an’ilay voalazan’ny Marka 12:31 kosa ianao, raha anisan’ireo nasaina. Asehoy hoe mankasitraka ny zavatra tsara nataon’ny olona taminao ianao.

21 Faly ny Kristianina noho ny fanomezana maro avy amin’Andriamanitra. Afaka ‘mihinana sy misotro ary mankafy ny asa mafy rehetra ataony’ izy ireo noho izany. (Mpito. 3:12, 13) “Ataovy mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra” àry ny zava-drehetra. Raha samy miezaka manao an’izany ny tompom-panasana sy ireo nasaina, dia ho faly erỳ izy ireo rehefa mahatsiaro an’ilay fiarahana nahafinaritra sy nampahery.

ANY AM-PIANARANA

22 Tena ilain’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah ny mianatra any am-pianarana. Te hahay hamaky teny sy hanoratra tsara mantsy izy ireo. Mahasoa azy ireo koa ny taranja sasany ianarany any, satria manampy azy hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Hiezaka mafy àry izy ireo mandritra ny fotoana ianarany mba ‘hahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao azy’, ka hanao loha laharana foana ny fanompoana azy.​—Mpito. 12:1.

23 Mila mitandrina ny tanora mbola mianatra, mba tsy hiarakaraka amin’ny mpiara-mianatra tsy Vavolombelona, raha tsy hoe misy antony tsy maintsy anaovana an’izany angaha. (2 Tim. 3:1, 2) Azo antoka hoe hahavita hanohitra ny fitaoman’ny namana ianao, satria manome zavatra be dia be hiarovana anao i Jehovah. (Sal. 23:4; 91:1, 2) Hararaoty àry ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hiarovana anao.​—Sal. 23:5.

24 Aleon’ny ankamaroan’ny tanora Vavolombelona tsy mandray anjara amin’ny zavatra atao ivelan’ny ora fianarana, amin’izay izy ireo tafasaraka amin’izao tontolo izao. Mety tsy hahatakatra ny anton’izany mihitsy ny mpiara-mianatra aminy na ny mpampianatra azy ireo. Ny mampifaly an’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe. Manaraka tsara ny feon’ny fieritreretany àry ny tanora kristianina, ka tsy mandray anjara mihitsy amin’ny fifaninanana na ny fanindrahindram-pirenena fanaon’izao tontolo izao. (Gal. 5:19, 26) Ho afaka hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana ianareo, ry tanora, raha mankatò ny torohevitra ara-baiboly omen’ireo ray aman-dreny Vavolombelona, sady manararaotra miaraka amin’ny mpiara-manompo eo anivon’ny fiangonana.

ASA FIVELOMANA SY NAMANA

25 Milaza ny Soratra Masina fa tsy maintsy mamelona ny ankohonany ny loham-pianakaviana. (1 Tim. 5:8) Mpanompon’Andriamanitra anefa izy ka fantany hoe mbola zava-dehibe kokoa noho ny asa fivelomana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (Mat. 6:33; Rom. 11:13) Tsy be fanahiana izy sady tsy lasa tia vola, satria mahafoy tena ho an’Andriamanitra, ary mianina amin’ny sakafo sy fitafiana.​—1 Tim. 6:6-10.

26 Tokony hanaraka ny torolalan’ny Baiboly momba ny asa fivelomana foana ny Kristianina efa nanokan-tena rehetra. Manao ny marina isika amin’izany, ka tsy handika ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’ny tany misy antsika. (Rom. 13:1, 2; 1 Kor. 6:9, 10) Ataontsika an-tsaina foana fa manimba ny mifanerasera amin’ny naman-dratsy. Miaramilan’i Kristy isika, ka tsy manao raharaham-barotra mandika ny fitsipik’i Jehovah, na manimba ny fifandraisantsika aminy, na mety hahatonga antsika hanao ny fanaon’izao tontolo izao. (Isaia 2:4; 2 Tim. 2:4) Tsy manao asa mifandray amin’i “Babylona Lehibe”, na ireo fivavahana manohitra an’Andriamanitra, koa isika.​—Apok. 18:2, 4; 2 Kor. 6:14-17.

27 Raha mankatò ny fitsipik’Andriamanitra isika, dia tsy hohararaotintsika hanaovana raharaham-barotra na zavatra hafa ahazoantsika tombony ny fotoana ivoriana sy anaovana fivoriambe. Ny hivavaka amin’i Jehovah mantsy no tena antony amonjentsika azy ireny. Misakafo eo amin’ny latabany isika amin’ireny, ary ‘mifampahery’ amin’ny mpiara-manompo. (Rom. 1:11, 12; Heb. 10:24, 25) Izay zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ihany no tokony hataontsika amin’ireny fivoriana ireny.

MIRAY SAINA FOANA

28 Raha manaraka ny fitsipik’i Jehovah koa isika dia tokony “ho tafaray foana sady hihavana, satria efa nampiraisin’ny fanahy masina.” (Efes. 4:1-3) Hitady izay hahasoa ny namany ny Kristianina tsirairay, fa tsy hanao izay hampifaly ny tenany fotsiny. (1 Tes. 5:15) Azo inoana hoe izany no hitanao eo anivon’ny fiangonanareo. Fitsipika iray ihany no arahin’ny Kristianina rehetra, na inona na inona volon-kodiny, fireneny, saranga misy azy, fahaizany, na fari-piainany. Na ny tsy Vavolombelon’i Jehovah aza mahita hoe izany no mampiavaka antsika.​—1 Pet. 2:12.

29 Nanamafy an’izany ny apostoly Paoly, rehefa nilaza ny antony mahatonga antsika hiray saina. Hoy izy: “Iray ny vatana, ary iray ny fanahy masina, hoatran’ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray ihany. Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa. Iray ilay Andriamanitra sady Rain’ny olona rehetra, ary manana fahefana amin’izy rehetra. Mampiasa azy rehetra koa izy, ary miasa ao anatin’izy rehetra.” (Efes. 4:4-6) Midika izany fa mila mampitovy ny fahazoantsika ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly sy ny fampianarana hafa isika. Asehontsika amin’izany hoe manaiky ny zon’i Jehovah hitondra isika. Novan’i Jehovah ho fiteny madio tokoa ny fitenin’ny vahoakany rehefa nampahafantariny ny fahamarinana izy ireo. Lasa miray saina àry izy ireo rehefa manompo azy.​—Zef. 3:9.

30 Tena mahafinaritra antsika mpanompon’i Jehovah rehetra ny miaraka amin’ny fiangonana, satria milamina sy miray saina daholo ny olona any. Tanteraka tokoa ilay tenin’i Jehovah hoe: “Hataoko miray hina izy ireo, ka ho lasa andiany iray.” (Mika 2:12) Manaraka ny fitsipik’i Jehovah isika, satria tiantsika hiray saina foana ny mpiara-manompo eo anivon’ny fiangonana.

31 Sambatra izay lasa anisan’ny fiangonana madio manompo an’i Jehovah! Tsy misy tsara noho ny hoe mitondra ny anaran’i Jehovah, na dia mety hamoizantsika zavatra maro aza izany. Hiezaka foana isika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah sy hampianatra an’izany amin’olon-kafa, sady hiezaka hifandray tsara aminy foana.​—2 Kor. 3:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara