FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 14 p. 141-156
  • Tandrovy ny Fihavanana sy ny Fahadiovan’ny Fiangonana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tandrovy ny Fihavanana sy ny Fahadiovan’ny Fiangonana
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MANDAMINA OLANA MADINIKA
  • MANOME TOROHEVITRA AVY AO AMIN’NY SORATRA MASINA
  • MARIHINA IZAY TSY LAITRA FEHEZINA
  • REHEFA MISY MANAO FAHADISOANA LEHIBE
  • REHEFA MISY MANAO FAHOTANA LEHIBE
  • FAMPANDRENESANA MOMBA NY FANANARANA
  • ROAHINA TSY HO ANISAN’NY FIANGONANA
  • FAMPANDRENESANA MOMBA NY FANDROAHANA
  • MIALA AN-TSITRAPO
  • RAISINA INDRAY
  • FAMPANDRENESANA MOMBA NY OLONA NORAISINA INDRAY
  • ANKIZY TSY AMPY TAONA EFA VITA BATISA
  • MPITORY TSY VITA BATISA
  • TAHIN’I JEHOVAH NY FIVAVAHANTSIKA RAHA MADIO SY MIHAVANA TSARA ISIKA
  • Ny Fibebahana Izay Mitaona Indray ho Amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1982
  • Ekeo Foana ny Fananaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ireo Toetra Ilaina mba Hitsarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1977
  • Tiavo sy Amindrao Fo ny Olona Nanota
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 14 p. 141-156

TOKO 14

Tandrovy ny Fihavanana sy ny Fahadiovan’ny Fiangonana

TANTERAKA ny faminanian’ny Baiboly, ka olona an’arivony no mirohotra mankao an-tranon’i Jehovah isan-taona, mba hanaraka ny fivavahana madio. (Mika 4:1, 2) Tena faly isika mandray azy ireny ho anisan’ny “fiangonan’Andriamanitra.” (Asa. 20:28) Faly koa izy ireo fa afaka manompo an’i Jehovah miaraka amintsika sady afaka mahita hoe madio sy mihavana tsara isika ao anatin’ny paradisa ara-panahy. Mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika sady mahazo ny fanahy masina, ka lasa mihavana tsara foana sy mahavita mitandro ny fahadiovan’ny fiangonana.​—Sal. 119:105; Zak. 4:6.

2 Lasa manana “toetra vaovao” isika, rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Kol. 3:10) Miezaka tsy miraharaha ny fifamaliana madinidinika na ny toetra tsy mitovy isika. Manahaka an’i Jehovah koa isika ka lasa miray saina toy ny mpirahalahy, fa tsy misaratsaraka toy ny olona eto amin’izao tontolo izao.​—Asa. 10:34, 35.

3 Misy olana mipoitra anefa indraindray, ary mety hahatonga ny fiangonana tsy hihavana sy tsy hiray saina izany. Mitranga izany rehefa tsy arahina ny torohevitry ny Baiboly. Mbola miady mafy koa isika satria tsy lavorary. Mpanota daholo mantsy isika. (1 Jaona 1:10) Mety hisy Kristianina haloto fitondran-tena na hanao zavatra hafa tsy ankasitrahan’Andriamanitra, ka mampiditra fanao ratsy eo anivon’ny fiangonana. Mety hampahatezitra olona koa isika amin’ny tenintsika na ny zavatra ataontsika, na isika no ho tezitra amin’ny zavatra lazain’ny olona na ataony. (Rom. 3:23) Ahoana no handaminantsika ny olana toy izany?

4 Soa ihany fa be fitiavana i Jehovah, ka efa noeritreretiny izany rehetra izany. Lazain’ny Teniny izay tokony hatao rehefa misy olana. Afaka manampy koa ireo mpiandry be fitiavana, izany hoe ny anti-panahy. Raha mampihatra ny torohevitra ara-baiboly omen’izy ireo isika, dia hifandray tsara amin’ny hafa sady hankasitrahan’i Jehovah foana. Raha omena famaizana na fananarana isika noho ny fahadisoantsika, dia afaka matoky fa porofon’ny fitiavan’ilay Raintsika any an-danitra antsika izany.​—Ohab. 3:11, 12; Heb. 12:6.

MANDAMINA OLANA MADINIKA

5 Mety hisy fifamaliana na olana madinika eo amintsika samy isika. Tokony hiezaka handamina an’izany haingana isika, ary ho be fitiavana rehefa manao izany. (Efes. 4:26; Fil. 2:2-4; Kol. 3:12-14) Hitanao angamba fa azo alamina tsara ny tsy fifanarahana amin’ny rahalahy sy anabavy, rehefa ampiharina ilay torohevitry ny apostoly Petera hoe: “Mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) “Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra”, hoy ny Baiboly. (Jak. 3:2) Ho afaka hamela sy hanadino an’ireo fahadisoana madinika isika, raha mitondra ny olona araka izay tiantsika hitondrany antsika.​—Mat. 6:14, 15; 7:12.

6 Raha misy olona tafintohina tamin’ny teninao na izay nataonao, dia tokony handamina an’izany haingana ianao fa tsy hangataka andro. Misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah mantsy ilay izy. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha mitondra fanomezana mankeny amin’ny alitara àry ianao, ka eny ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ilay fanomezanao, ary mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.” (Mat. 5:23, 24) Mifampiresaha tsara àry aloha, satria mety ho hevitra tsy mifankahazo fotsiny ilay izy. Raha mifampiresaka tsara ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, dia tsy hisy ny hevitra tsy mifankahazo ary ho voalamina ny olana vokatry ny tsy fahalavorariana.

MANOME TOROHEVITRA AVY AO AMIN’NY SORATRA MASINA

7 Mety hanome torohevitra ny anti-panahy indraindray, mba hanitsiana ny toe-tsain’ny olona iray. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Galatia: “Ry rahalahy, raha misy olona manao zavatra tsy mety nefa tsy fantany akory, dia ianareo izay matotra no tokony hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy.” (Gal. 6:1) Tsy mora foana akory ny manao an’izany.

8 Mikarakara tsara ny andian’ondry ny anti-panahy, ka afaka miaro ny fiangonana amin’izay zavatra mety hanimba ny finoany. Mety ho afaka hanakana ny olana lehibe tsy hitatra koa izy amin’izany. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Samy ho toy ny toerana fiafenana amin’ny rivotra izy ireo, sy fialofana amin’ny oram-baratra, sady ho toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina, ary ho toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.” (Isaia 32:2) Miezaka manatanteraka an’io tenin’i Jehovah io ny anti-panahy.

MARIHINA IZAY TSY LAITRA FEHEZINA

9 Inona no tokony hatao rehefa misy olona mety hitaona ny fiangonana hanao ratsy? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Mandidy anareo izahay, hoe ialao ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina, izay tsy mankatò ny fampianarana noraisinareo avy taminay.’ Nanazava ny tiany holazaina izy hoe: “Raha misy tsy mankatò an’izay lazainay ato amin’ity taratasy ity, dia mariho izany olona izany, ka aza mifanerasera aminy intsony mba ho menatra izy. Aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro foana toy ny rahalahy.”​—2 Tes. 3:6, 14, 15.

10 Mety tsy hiraharaha tsotra izao ny fitsipik’Andriamanitra ny Kristianina sasany, na dia tsy manao fahotana lehibe azo androahana azy aza. Mety ho kamo loatra na mpanakiana lava, ohatra, izy na voretra be. Mety ‘hidikiditra amin’ny zavatra tsy mahakasika azy’ koa izy. (2 Tes. 3:11) Mety hanao tetika hahazoana tombony avy amin’olon-kafa koa izy, na manao fialam-boly hita fa tsy mety. Tsy azo odian-tsy hita izany fahadisoana izany, satria mety hanaratsy laza ny fiangonana sady mety hianaran’ny Kristianina hafa.

11 Hiezaka hanampy an’ilay olona tsy laitra fehezina aloha ny anti-panahy, ka hanome torohevitra azy avy ao amin’ny Baiboly. Ahoana anefa raha efa nanarina imbetsaka ilay olona nefa mbola mikiry tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ihany? Mety hanapa-kevitra hanao lahateny hampitandremana ny fiangonana ny anti-panahy amin’izay. Rehefa tena lehibe sady mety hanimba ny hafa ihany anefa ilay fahadisoana, vao anaovana lahateny fampitandremana. Mila mahay manavaka tsara àry ny anti-panahy, rehefa mandinika an’izany. Hanome torohevitra momba an’ilay fitondran-tena tsy mety ilay mpandahateny, nefa tsy hanonona ny anaran’ilay olona tsy laitra fehezina. Tsy hiaraka be amin’ilay olona intsony izay mahafantatra an’ilay zavatra noresahina tao amin’ilay lahateny. Mbola hiara-manao zavatra ara-panahy amin’ilay olona ihany anefa izy ireo, ka ‘hananatra azy foana toy ny rahalahy.’

12 Mety ho menatra ilay olona tsy laitra fehezina, rehefa hitany fa tena tsy mivadika ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana, ka tsy manohana azy amin’ny zavatra ataony. Hanampy azy hiova koa izany. Tsy homarihina intsony izy, rehefa miharihary hoe efa nialany ilay zavatra tsy nety nataony.

REHEFA MISY MANAO FAHADISOANA LEHIBE

13 Marina fa mila miezaka tsy hijery ny fahadisoana kely ataon’ny mpiara-manompo amintsika isika, sady ho vonona hamela heloka. Izany anefa tsy midika hoe hankasitraka na tsy hiraharaha an’izay zava-dratsy ataon’ny hafa isika. Tsy ny fahadisoana rehetra mantsy no vokatry ny tsy fahalavorariana. Tsy hety raha tsy raharahaina ny fahadisoana lehibe. (Lev. 19:17; Sal. 141:5) Hita ao amin’ny fifaneken’ny Lalàna fa lehibe kokoa ny fahadisoana sasany, ary mbola mitombina izany ankehitriny.​—1 Jaona 5:16, 17.

14 Noresahin’i Jesosy ny dingana tokony harahina rehefa misy olana lehibe mila alamina eo amintsika samy Kristianina. Hoy izy: “Raha manota ny rahalahinao, dia [1] mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa nahatafarina ny rahalahinao ianao. Raha tsy mihaino kosa izy, dia [2] mitondrà olona iray na roa miaraka aminao, mba ho azo antoka ny zava-drehetra, noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia [3] miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra.”​—Mat. 18:15-17.

15 Hita amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy taorian’io, araka ny Matio 18:23-35, fa mahakasika vola na fananana ny iray amin’ireo fahotana resahina ao amin’ny Matio 18:15-17. Mety ho anisan’izany ny hoe tsy nandoa trosa ilay olona na nanao zavatra tamin-kafetsena. Mety hoe nanendrikendrika koa izy, ka tena nanimba ny lazan’ny mpiara-manompo aminy.

16 Aza maika hangataka ny fanampian’ny anti-panahy, na dia manana porofo azo antoka aza ianao fa nanao fahotana toy izany taminao ny rahalahy iray. Nilaza i Jesosy fa mila miresaka amin’ilay olona nampalahelo anao aloha ianao. Ianao sy izy irery aloha no tokony hiezaka handamina an’ilay izy. Tadidio fa tsy nilaza i Jesosy hoe ‘indray mandeha ihany ianao no mankany aminy, mba hampahafantatra ny fahadisoany.’ Mety ho tsara àry raha manatona azy indray ianao any aoriana, raha tsy nety niaiky ny fahadisoany sy nangata-pamelana izy. Mety ho voalamina eo ilay raharaha, ary tena hankasitraka anao ilay nanao fahadisoana satria tsy niresaka tamin’olona momba ny zavatra nataony ianao, na nanimba ny lazany teo anivon’ny fiangonana. ‘Hahatafarina ny rahalahinao ianao’ amin’izay.

17 Tsy ilaina ny manao dingana hafa, raha miaiky ny fahadisoany ilay olona, ary mangata-pamelana sy manao fanitsiana. Izay olona tafiditra amin’ilay izy ihany dia efa afaka mandamina ny olana toy izany, na dia lehibe aza ilay fahadisoana.

18 Mety ho mbola tsy nahatafarina an’ilay rahalahinao anefa ianao, rehefa nampahafantatra azy ny fahadisoany tamin’ianareo niresaka ‘nitokana.’ Azonao arahina amin’izay ilay tenin’i Jesosy hoe “mitondrà olona iray na roa miaraka aminao”, ary miresaha indray amin’ilay rahalahinao. Ny hahatafarina an’ilay rahalahy koa no tokony ho tanjon’ireo olona entinao. Tsara kokoa raha olona tena nahita an’ilay zavatra lazaina fa nataon’ilay rahalahy no entinao. Raha tsy misy anefa ny vavolombelona nahita maso, dia afaka mitondra olona iray na roa ianao mba hanatrika an’ilay resaka. Mety ho efa zatra olana mitovy amin’io izy ireo, ka mahay manavaka raha fahadisoana tokoa ilay izy na tsia. Tsy solontenan’ny fiangonana izay anti-panahy fidina hanao vavolombelona, satria tsy ny anti-panahy rehetra no nanendry azy hanao an’izany.

19 Mety mbola tsy hilamina ihany anefa ilay olana na dia efa niezaka nanarina an’ilay rahalahy imbetsaka aza ianao, izany hoe efa niresaka taminy mitokana ary avy eo nankany aminy niaraka tamin’ny olona iray na roa. Mety tsy ho vitanao koa ny hanadino an’ilay izy fotsiny. Inona àry no azonao atao? Miresaha amin’ny anti-panahin’ny fiangonana. Tadidio fa ny hitandro ny fihavanana sy ny fahadiovana eo anivon’ny fiangonana no tanjon’izy ireo. Rehefa avy miresaka amin’ny anti-panahy ianao, dia aleo izy ireo indray no handamina an’ilay izy ary matokia an’i Jehovah. Aza avela hanafintohina anao mihitsy ny zavatra tsy mety ataon’ny hafa, na hoe hahatonga anao tsy ho faly hanompo an’i Jehovah intsony.​—Sal. 119:165.

20 Hanadihady momba an’ilay olana ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Raha hita hoe tena nanao fahadisoana lehibe taminao izy, nefa tsy mibebaka sady tsy vonona hanonitra ny tsy nety nataony, dia mety handroaka an’ilay olona tsy ho anisan’ny fiangonana intsony ny komity iray ahitana anti-panahy maromaro. Miaro ny andian’ondry izy ireo amin’izany, sady mitandro ny fahadiovan’ny fiangonana.​—Mat. 18:17.

REHEFA MISY MANAO FAHOTANA LEHIBE

21 Anisan’ny fahotana lehibe ny fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, fanevatevana an’Andriamanitra, fivadiham-pinoana, ary ny fanompoan-tsampy. (1 Kor. 6:9, 10; Gal. 5:19-21) Amin’ny fahotana toy ireo, dia tsy ampy ny hoe mamela heloka fotsiny izay olona nanaovana fahadisoana. Tsy maintsy resahina any amin’ny anti-panahy ny fahotana toy izany, ary izy ireo no handamina azy. Mety tsy hadio eo anatrehan’i Jehovah intsony mantsy ny fivavahantsika sy ny fitondran-tenan’ny fiangonana, raha tsy izany. (1 Kor. 5:6; Jak. 5:14, 15) Misy Kristianina manatona anti-panahy mba hibaboka ny fahotana lehibe nataony. Misy indray manatona anti-panahy mba hitantara ny zavatra fantany momba ny fahotana lehibe nataon’ny hafa. (Lev. 5:1; Jak. 5:16) Raha vao maharay tatitra momba ny fahotana lehibe nataon’ny Kristianina iray vita batisa ny anti-panahy, na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana, dia hisy anti-panahy roa hanadihady tsara an’ilay izy. Raha hitan’izy ireo hoe marina ilay tatitra, ary voaporofo fa tena nanao fahotana lehibe ilay olona, dia hanangana komity mpitsara ny anti-panahy rehetra mba handamina an’ilay izy. Anti-panahy telo, fara fahakeliny, no anisan’io komity io.

22 Miahy sy mikarakara ny andian’ondry ny anti-panahy, ka miaro azy ireo amin’izay zavatra mety hanimba ny finoany. Miezaka mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo mba hananarana an’izay nanao fahadisoana, ka hahatonga azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah indray. (Joda 21-23) Mifanaraka amin’ity toromariky ny apostoly Paoly ho an’i Timoty ity izany: ‘Izao no ampirisihako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay hitsara ny velona sy ny maty: Mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, ampirisiho ny hafa, ka miezaha hanam-paharetana tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao an’izany.’ (2 Tim. 4:1, 2) Anisan’ny asa mafy ataon’ny anti-panahy izany, ary mety hitaky fotoana. Mankasitraka ny ezaka ataon’izy ireo ny fiangonana, ary mahita hoe “mendrika hahazo fanajana avo roa heny” izy ireo.​—1 Tim. 5:17.

23 Ny hanampy an’ilay olona nanao fahadisoana foana no tanjon’ny anti-panahy voalohany indrindra, mba hahatonga an’ilay olona hifandray tsara amin’i Jehovah indray. Ho afaka hanampy an’ilay olona ny anti-panahy, raha tena mibebaka izy. Hanarina mitokana izy, na eo imason’ireo olona nijoro ho vavolombelona nandritra ny fotoana nihainoan’ny komity mpitsara azy. Natao hanampiana azy izany, sady hahatonga an’ireo olona manatrika eo tsy ho sahy hamerina an’ilay fahadisoana. (2 Sam. 12:13; 1 Tim. 5:20) Misy fameperana ara-pitsarana ampiharina amin’izay rehetra nahazo fananarana. Hanampy an’ilay olona nanao fahadisoana ‘hanitsy ny lalany’ izany. (Heb. 12:13) Hesorina ireny fameperana ireny, rehefa hita hoe efa salama ara-panahy indray izy.

FAMPANDRENESANA MOMBA NY FANANARANA

24 Tokony hisy fampandrenesana tsotra hatao mandritra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, raha nibebaka ilay olona ary mieritreritra ilay komity nitsara azy hoe mety ho fantatry ny fiangonana na ny fiaraha-monina ilay raharaha. Hatao koa izany raha mila mitandrina ny fiangonana rehefa mifandray amin’ilay olona nanao ratsy. Toy izao ilay fampandrenesana: “[Anaran’ilay olona] dia nomena fananarana.”

ROAHINA TSY HO ANISAN’NY FIANGONANA

25 Mety hikiry hanao ratsy ihany anefa ilay olona, fa tsy hiraharaha ny ezaka atao mba hanampiana azy. Mety ho hitan’ny anti-panahy nandritra ny fotoana nitsarana azy fa tsy nampiseho firy izy hoe nibebaka. (Asa. 26:20) Inona àry no hatao? Tsy maintsy roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ilay mpanao ratsy tsy nibebaka, amin’izay izy tsy mifanerasera amin’ny vahoakan’i Jehovah intsony sady tsy ho afaka hitaona ny hafa hanao ratsy. Mbola ho tsara laza sy hadio fitondran-tena ny fiangonana amin’izay, ary hifandray tsara amin’i Jehovah foana. (Deot. 21:20, 21; 22:23, 24) Ren’ny apostoly Paoly fa nisy olona nanana fitondran-tena mahamenatra teo anivon’ny fiangonana tany Korinto, ka hoy izy tamin’ireo anti-panahy tao: ‘Atolory ho an’i Satana ilay lehilahy. Amin’izay dia ho voaro ny toe-tsain’ny fiangonana.’ (1 Kor. 5:5, 11-13) Noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny koa fa nisy olon-kafa voaroaka tamin’ny taonjato voalohany, noho izy ireo nanda ny fahamarinana.​—1 Tim. 1:20.

26 Rehefa tapaka hoe horoahina ilay mpanao ratsy tsy nibebaka, dia holazain’ilay komity mpitsara aminy izany sady hohazavainy ny antony araka ny Soratra Masina androahana azy. Horesahin’izy ireo koa fa azon’ilay olona atao ny mangataka ny hamerenana ny fitsarana azy, raha hitany hoe tsy mitombina ilay fanapahan-kevitra. Asaina ataony an-tsoratra izany, ary holazainy ao tsara ny anton’ilay fangatahana. Homena fito andro izy mba hanaovany izany, manomboka amin’ilay andro nilazana taminy an’ilay fanapahan-kevitra. Tokony hiresaka amin’ny mpiandraikitra ny faritra ny anti-panahy, raha nangataka famerenam-pitsarana ilay olona. Ny mpiandraikitra ny faritra no hanendry anti-panahy mahay ho anisan’ilay komitin’ny famerenam-pitsarana. Tokony hiezahana hatao haingana ilay famerenam-pitsarana, izany hoe ao anatin’ilay herinandro aorian’ny naharaisana an’ilay taratasy fangatahana. Mbola tsy tokony hampandrenesina hoe voaroaka ilay olona, raha nangataka ny hamerenana an’ilay fitsarana izy. Tsy mahazo manome valin-teny na mivavaka mandritra ny fivoriana izy amin’io fotoana io, sady tsy mahazo tombontsoam-panompoana manokana.

27 Fomba iray anehoana hatsaram-panahy amin’ilay olona ny famerenam-pitsarana. Afaka mamboraka ny fihetseham-pony indray mantsy izy amin’io. Hampandrenesina hoe voaroaka izy, raha tsy tonga tamin’ilay famerenam-pitsarana ary efa nezahina notadiavina.

28 Raha tsy te hangataka famerenam-pitsarana ilay nanao ratsy, dia tokony horesahin’ny komity mpitsara aminy fa mila mibebaka izy raha te ho tafaverina. Horesahin’izy ireo koa ny dingana tokony hataony mba handraisana azy indray any aoriana. Mangoraka sy te hanampy azy ny anti-panahy rehefa manao izany, sady manantena fa mbola hiova izy ka ho tafaverina eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah indray.​—2 Kor. 2:6, 7.

FAMPANDRENESANA MOMBA NY FANDROAHANA

29 Misy fampandrenesana fohy atao, rehefa tsy maintsy roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanao ratsy tsy mibebaka. Toy izao ilay fampandrenesana: “[Anaran’ilay olona] dia tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony.” Ho fantatr’ireo Kristianina tsy mivadika eo anivon’ny fiangonana amin’izay fa tsy tokony hifanerasera amin’io olona io intsony izy ireo.​—1 Kor. 5:11.

MIALA AN-TSITRAPO

30 Ny olona “miala an-tsitrapo” dia ireo vita batisa teo anivon’ny fiangonana, nefa nilaza fa tsy tiany intsony ny hekena na ho fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah. Na mety ho hita amin’ny zavatra ataony hoe tsy te ho anisan’ny Kristianina marina intsony izy. Angamba izy niditra tao amin’ny fikambanana iray fantatra hoe manao zavatra raran’ny Baiboly, ka lasa iharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah Andriamanitra.​—Isaia 2:4; Apok. 19:17-21.

31 Hoy ny apostoly Jaona momba an’ireo nanda ny finoany tamin’ny androny: “Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy ireny raha namantsika.”​—1 Jaona 2:19.

32 Hafa mihitsy ny fahitan’i Jehovah an’ireo miala an-tsitrapo, fa tsy toa an’ireo tsy mitory intsony. Mety ho lasa tsy nazoto nitory intsony ny Kristianina iray, satria nanao tsirambina ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra, na nanana olana, na tratran’ny fanenjehana. Hiezaka hanampy ny olona toy izany foana ny anti-panahy sy ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana, mba hahatonga azy hazoto indray.​—Rom. 15:1; 1 Tes. 5:14; Heb. 12:12.

33 Tsy toy izany kosa ny olona iray miala an-tsitrapo, satria izy mihitsy no tsy te ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Misy fampandrenesana fohy toy izao atao amin’ny fiangonana: “[Anaran’ilay olona] dia tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony.” Entina toy ny voaroaka ny olona toy izany.

RAISINA INDRAY

34 Azo raisina indray ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo, rehefa voaporofo hoe efa nibebaka izy, ka ampy tsara ny fotoana nampisehoany hoe efa tsy manao an’ilay zava-dratsy nataony intsony izy. Efa nasehony koa hoe te hifandray tsara amin’i Jehovah indray izy. Mila mitandrina tsara ny anti-panahy ka hamela fotoana ampy, mba hanaporofoan’ilay olona fa tena nibebaka izy. Mety hoe volana maro na herintaona na mahery izany, arakaraka ny zava-misy. Raha maharay taratasy ny anti-panahy hoe te horaisina indray ny olona iray, dia hisy komity antsoina hoe komitin’ny fandraisana indray hiresaka amin’ilay olona. Hojeren’ilay komity raha tena ‘miseho amin’ny ataony fa nibebaka’ izy. Hanapa-kevitra koa ilay komity raha azo raisina indray ilay olona amin’io fotoana io, na tsia.​—Asa. 26:20.

35 Mety hoe tsy tao amin’ilay fiangonana misy azy ilay olona no voaroaka fa tany amin’ny fiangonana hafa. Hisy komitin’ny fandraisana indray hatsangana ao amin’ilay fiangonana misy azy, ka io no hiresaka aminy sy handinika ny fangatahany. Raha hitan’ilay komity hoe efa azo raisina indray ilay olona, dia horesahiny ny anti-panahin’ilay fiangonana nandamina an’ilay raharaha tamin’ny voalohany. Hiara-miasa ny komity avy amin’ireo fiangonana roa ireo mba hamantarana ny zava-misy rehetra, ka ho ara-drariny ny fanapahan-kevitra horaisina. Ny komitin’ny fandraisana indray ao amin’ilay fiangonana nandamina an’ilay raharaha tamin’ny voalohany ihany anefa no tokony hanapa-kevitra raha horaisina indray izy na tsia.

FAMPANDRENESANA MOMBA NY OLONA NORAISINA INDRAY

36 Hisy fampandrenesana hatao any amin’ilay fiangonana nandamina an’ilay raharaha tamin’ny voalohany, raha resy lahatra ny komitin’ny fandraisana indray hoe tena nibebaka ny olona iray voaroaka na niala an-tsitrapo ka tokony horaisina indray. Hasiana fampandrenesana toy izany koa ao amin’ilay fiangonana nifindrany. Toy izao ilay fampandrenesana: “[Anaran’ilay olona] dia voaray indray ho Vavolombelon’i Jehovah.”

ANKIZY TSY AMPY TAONA EFA VITA BATISA

37 Tokony horesahina amin’ny anti-panahy ny fahotana lehibe nataon’ny ankizy tsy ampy taona efa vita batisa. Rehefa mandamina an’ilay raharaha ny anti-panahy, dia tsara kokoa raha manatrika eo ny ray aman-drenin’ilay zaza, raha efa vita batisa izy ireo. Tokony hiara-miasa amin’ilay komity mpitsara izy ireo fa tsy hiaro an’ilay zanany tsy ho voasazy. Hiezaka hananatra an’ilay zaza ilay komity ary hanampy azy ho tafarina indray, toy ny ataon’izy ireo amin’ny olon-dehibe manao ratsy ihany. Tsy maintsy roahina anefa izy raha tsy mibebaka.

MPITORY TSY VITA BATISA

38 Ahoana kosa raha mpitory tsy vita batisa ilay nanao fahotana lehibe? Tsy anisan’ny mpitory vita batisa eo anivon’ny fiangonana izy, ka tsy afaka ny hoe roahina. Mety ho tsy nahatakatra tsara ny fitsipiky ny Baiboly anefa izy, ka mila omena torohevitra mba hahafahany ‘hanitsy ny lalany.’ (Heb. 12:13) Hiezaka ny ho tsara fanahy ny anti-panahy rehefa manao izany.

39 Ahoana raha efa nisy anti-panahy roa nanampy an’ilay mpitory, nefa mbola tsy nibebaka ihany izy? Hisy fampandrenesana fohy toy izao hatao ho an’ny fiangonana: “[Anaran’ilay olona] dia tsy ekena ho mpitory tsy vita batisa intsony.” Hihevitra an’ilay olona ho toy ny olona eo amin’izao tontolo izao ny fiangonana amin’izay. Marina fa tsy voaroaka ilay olona, nefa hitandrina ny mpiara-manompo rehefa tsy maintsy mifandray aminy. (1 Kor. 15:33) Tsy hanaiky ny tatitra momba ny fanompoany ny anti-panahy.

40 Mety haniry hitory indray ny olona natsahatra tsy ho mpitory, any aoriana. Hisy anti-panahy roa hihaona aminy mba hijery raha efa niezaka nanao fandrosoana izy. Hisy fampandrenesana fohy toy izao hatao, raha mahafeno fepetra indray izy: “[Anaran’ilay olona] dia ekena ho mpitory tsy vita batisa indray.”

TAHIN’I JEHOVAH NY FIVAVAHANTSIKA RAHA MADIO SY MIHAVANA TSARA ISIKA

41 Manome sakafo ara-panahy tondraka ho an’ny vahoakany i Jehovah. Afaka mankafy an’izany izay rehetra miaraka amin’ny fiangonany ankehitriny. Betsaka tokoa ny sakafo ara-panahy raisintsika, ary toy izany koa ny ranon’ny fahamarinana, izay tena mamelombelona. Manao fandaharana hiarovana antsika koa i Jehovah, ka i Kristy no mitarika azy io. (Sal. 23; Isaia 32:1, 2) Ao anatin’ny paradisa ara-panahy isika ka tsy manana ahiahy, na dia mikorontana aza ny fiainana amin’izao andro farany izao.

Mampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana foana isika, raha mitandro ny fihavanana sy ny fahadiovan’ny fiangonana

42 Mampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana foana isika, raha mitandro ny fihavanana sy ny fahadiovan’ny fiangonana. (Mat. 5:16; Jak. 3:18) Hitahy antsika i Jehovah, ka ho faly isika hahita olon-kafa maro be lasa mahafantatra azy sy manao ny sitrapony miaraka amintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara