TOKO 15
Handray Soa Ianao Raha Manaja Fahefana
TSY maintsy mankatò an’Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, isika raha te ho voalamina mba hanao ny sitrapony. Ekentsika koa hoe ny Zanany no lohan’ny fiangonana kristianina. Mbola misy fahefana hafa tsy maintsy ekentsika koa anefa. Handray soa ny rehetra raha manaiky ny fahefana napetrak’Andriamanitra.
2 Efa hatrany amin’ny zaridainan’i Edena ny olombelona no nasaina nanaiky fahefana. Mampiharihary an’izany ilay didin’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 1:28 sy 2:16, 17. Hita ao fa tokony hanaiky ny fahefan’ny olombelona ny biby, ary tokony hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fahefany i Adama sy Eva. Hihavana sy hilamina tsara isika raha manaiky an’izany fahefan’Andriamanitra izany. Nasongadin’ny apostoly Paoly izany torolalana momba ny fahefana izany, tatỳ aoriana. Hoy izy ao amin’ny 1 Korintianina 11:3: ‘Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.’ Midika izany fa manana fahefana tokony hekena daholo ny rehetra, afa-tsy i Jehovah.
3 Tsy manaiky fahefana ny ankamaroan’ny olona. Vao tany Edena mantsy, dia efa ninia tsy nanaiky ny fahefan’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany. (Gen. 3:4, 5) Nieritreritra ny hahazo fahalalahana izy ireo, kanjo vao mainka nofehezin’i Satana Devoly, ilay anjely ratsy fanahy. Lasa lavitra an’Andriamanitra ny olombelona, taorian’io fikomiana voalohany io. (Kol. 1:21) Tsy mahagaga àry raha eo ambany fahefan’ilay ratsy ny ankamaroan’ny olona ankehitriny.—1 Jaona 5:19.
4 Tsy eo ambany fahefan’i Satana intsony isika, rehefa nianatra sy nampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Efa nanokan-tena sy vita batisa isika, ka manaiky an’i Jehovah ho mpitondra antsika. Miaiky isika fa marina ilay tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Ambonin’ny zava-drehetra” i Jehovah. (1 Tan. 29:11) Ekentsika fa “i Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika, ary azy isika. Vahoakany isika sady ondry ao an-kijanany.” (Sal. 100:3) Manaiky isika fa lehibe i Jehovah sady mendrika ny hankatoavina tanteraka, satria izy no namorona ny zava-drehetra. (Apok. 4:11) Mpanompon’ilay tena Andriamanitra isika ka mankatò azy foana toa an’i Jesosy Kristy, ilay modelintsika.
5 Inona no nianaran’i Jesosy avy tamin’ny zavatra niaretany teto an-tany? Hoy ny Hebreo 5:8: “Na dia zanaka aza izy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany.” Nankatò an’ilay Rainy any an-danitra foana i Jesosy, na tao anatin’ny mangidy aza. Tsy nanao na inona na inona araka izay tiany fotsiny izy. Tsy nilaza ny heviny manokana izy, na nitady voninahitra ho an’ny tenany. (Jaona 5:19, 30; 6:38; 7:16-18) Nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapon’ny Rainy, na dia lasa nisy nanohitra sy nanenjika aza izy. (Jaona 15:20) Nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy, ary “nanetry tena” ka maty “teo amin’ny hazo fijaliana” mihitsy aza. Maro ny soa azo noho izy nankatò tanteraka an’i Jehovah. Lasa mahazo famonjena mandrakizay ny olombelona. I Jesosy kosa nomena toerana ambony, ary ny Rainy indray nahazo voninahitra.—Fil. 2:5-11; Heb. 5:9.
FAHEFANA TOKONY HEKENA
6 Raha mankatò an’i Jehovah sy manao ny sitrapony isika, dia tsy ho be fanahiana na hiady saina toa an’ireo tsy manaiky ny zony hitondra. Mitady handrapaka antsika foana ny Devoly, ilay fahavalontsika. Hafahana amin’io fanahy ratsy io anefa isika raha manohitra azy, ka manetry tena sy mankatò an’i Jehovah an-tsitrapo.—Mat. 6:10, 13; 1 Pet. 5:6-9.
7 Ekentsika fa i Kristy no lohan’ny fiangonana kristianina, ary nomeny fahefana ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Misy vokany eo amin’ny fomba itondrantsika ny hafa izany. Raha manaiky ny fahefana eo anivon’ny fiangonana isika, dia hankatò izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra foana. Mankatò, ohatra, isika ka mandeha manompo, manatrika sy mandray anjara amin’ny fivoriana, manaiky an’ireo anti-panahy, ary manaraka tsara ny lamina apetraka eo anivon’ny fandaminana.—Mat. 24:45-47; 28:19, 20; Heb. 10:24, 25; 13:7, 17.
8 Hilamina tsara ny eo anivon’ny fiangonana, rehefa manaiky ny fahefana napetrak’Andriamanitra ny rehetra. Hita amin’izany hoe manahaka ny toetran’i Jehovah ny vahoakany. (1 Kor. 14:33, 40) Niaiky i Davida Mpanjaka fa samy hafa be ny mpanompon’i Jehovah sy ny ratsy fanahy. Hoy izy: “Sambatra izay vahoaka manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!” (Sal. 144:15) Miaiky an’izany koa isika rehefa mahita ny zava-mitranga eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.
9 Ny “lehilahy no lohan’ny vehivavy” eo amin’ny mpivady sy eo anivon’ny fianakaviana. Tokony hanaiky an’i Kristy koa anefa ny lehilahy, ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. (1 Kor. 11:3) Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, ary hankatò ray aman-dreny ny ankizy. (Efes. 5:22-24; 6:1) Milamina ny fianakaviana rehefa manaiky fahefana ny tsirairay.
10 Tokony haneho fitiavana toa an’i Kristy ny lehilahy, rehefa mampihatra ny fahefany. (Efes. 5:25-29) Raha mandray andraikitra sy tsy manampatra fahefana izy, dia ho faly hankatò azy ny vady aman-janany. Mpanampy na fameno ny vehivavy. (Gen. 2:18) Manohana sy manaja ny vadiny foana izy, ka mahazo sitraka aminy sady manome voninahitra an’Andriamanitra. (1 Pet. 3:1-4) Manome modely ho an’ny zanany ny ray aman-dreny, rehefa manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanajana fahefana.
Mila manaiky ny fahefana napetrak’i Jehovah foana isika eo amin’ny fiainana
11 Mankatò an’Andriamanitra koa isika raha manaiky ny “manam-pahefana” noho izy “namela ny manam-pahefana ho eo amin’ny toerany avy.” (Rom. 13:1-7) Olom-pirenena manara-dalàna ny Kristianina, ka mandoa hetra. Aloany ‘amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Mat. 22:21) Mifanaraka amin’ny lalàna eo an-toerana momba ny fiarovana fanazavana koa ny fomba iasana ny faritany. Mankatò an’ireo manam-pahefana foana isika, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah ny zavatra asainy ataontsika. Afaka manokana ny herintsika manontolo amin’ny asa fitoriana isika amin’izay.—Mar. 13:10; Asa. 5:29.
12 Mila manaiky ny fahefana napetrak’i Jehovah foana isika eo amin’ny fiainana. Tena mino isika hoe hanaiky an’i Jehovah Andriamanitra daholo ny olona rehetra indray andro any. (1 Kor. 15:27, 28) Hotahin’i Jehovah sy hankasitrahany izay manaiky azy ho mpitondra sady mankatò azy foana mandrakizay.