Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
Ry mpiara-manompo malala,
Tombontsoa lehibe ny hoe tafaray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra! “Mpiara-miasa” aminy mantsy isika, satria nirahiny hanao an’ilay asa masina sy mamonjy aina. Tsy inona izany fa ny hitory sy hampianatra ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, izay efa tafaorina. (1 Kor. 3:9; Mat. 28:19, 20) Tokony ho voalamina tsara isika raha tiantsika ny hiray saina sy hihavana tsara, ka hamita an’io asa io eran-tany.—1 Kor. 14:40.
Hanampy anao hahafantatra ny fomba fiasan’ny fiangonana ity boky ity. Resahina ato ny tombontsoa raisinao sy ny andraikitrao, noho ianao anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. ‘Hihamatanjaka ny finoanao’ raha heverinao ho sarobidy izany tombontsoa izany, ary ataonao tsara ny andraikitrao.—Asa. 16:4, 5; Gal. 6:5.
Ianaro tsara àry ity boky ity. Eritrereto hoe ahoana no azonao ampiharana ny fanazavana ato. Ahoana, ohatra, raha vao haingana ianao no lasa mpitory tsy vita batisa? Inona avy ny dingana azonao atao mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ianao? Raha efa vita batisa indray ianao, inona no azonao atao raha te ho matotra kokoa ianao ary te hampitombo ny fanompoanao? (1 Tim. 4:15) Ahoana no azonao itandroana ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana? (2 Kor. 13:11) Resahina ato daholo izany.
Ahoana indray raha rahalahy efa vita batisa ianao? Inona no azonao atao raha tianao ny hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana na anti-panahy? An’arivony ireo vaovao manatona ny fandaminan’Andriamanitra, ka tena ilaina ny rahalahy mahafeno fepetra hitarika azy ireo. Resahina ato ny ezaka tokony hataonao, mba hanatratrarana an’ireo tanjona ireo.—1 Tim. 3:1.
Manantena izahay fa hanampy anao hahafantatra sy hankasitraka ny anjara toeranao eo anivon’ny fiangonana ity boky ity. Tena tianay ianareo rehetra, ary enga anie ianareo ka ho anisan’ireo hahita fifaliana mandrakizay amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Sal. 37:10, 11; Isaia 65:21-25.
Ny mpiara-manompo aminareo,
Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah