FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ypq fanontaniana 7 p. 21-23
  • Inona no Hataoko fa Tereny Hanao Firaisana Aminy Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hataoko fa Tereny Hanao Firaisana Aminy Aho?
  • Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
  • Mitovitovy Aminy
  • Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?
    Mifohaza!—2010
  • Inona no Hataoko Raha Misy Manery ahy Hanao Firaisana?
    Manontany ny Tanora
  • Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
ypq fanontaniana 7 p. 21-23
Ankizivavy tsy manaiky hiaraka amin’ny ankizilahy iray

FANONTANIANA 7

Inona no Hataoko fa Tereny Hanao Firaisana Aminy Aho?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Ho potika ny hoavinao raha tsy misaina tsara ianao fa manaonao foana.

AHOANA NO HATAONAO?

Vao roa volana izay i Hasina sy Rado no niaraka, nefa hoatr’ireny efa niaraka firy taona ireny! Tsy tapitra akory aza ny tenin’ny anankiray, dia efa hain’ny iray ny tohiny. Mifandefa SMS foana ry zareo, ary mifampiantso ela be. Tsy resaka intsony anefa izao no tadiavin’i Rado fa zavatra hafa.

Nifampitantana sy nifanoroka kely fotsiny izy roa, talohan’izao. Tena tsy te hihoatra an’izay i Hasina, nefa matahotra koa izy sao hisarahan’i Rado. Izy irery mantsy no mba miteny aminy hoe manja kely izy sady tsy misy hoatr’azy. Mieritreritra àry izy hoe: ‘Koa inona moa ny olana e? Izahay tsinona mifankatia!’

Efa ampy taona angamba ianao, ka efa afaka mampiaraka. Inona no ho nataonao raha ianao no Hasina?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Akanjo lasa natao famafana vovoka

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana, fa natao ho an’ny mpivady ihany. Tsy asianao vidiny ilay fanomezana, raha manao firaisana amin’olona mbola tsy vadinao ianao. Hoatran’ny hoe nomen’olona akanjo tsara tarehy ianao, nefa ataonao famafana vovoka ilay izy

Natao hisotro rano ny olombelona, ka mety ho faty raha tsy manaraka an’izany. Hoatr’izay koa fa asain’ny Baiboly ‘mifady ny fijangajangana’ isika. (1 Tesalonianina 4:3) Ratsy foana ny vokany raha tsy arahina izany, satria efa izay no lalàna nataon’Andriamanitra.

Inona ny vokany raha tsy mankatò an’io lalàna io ianao? Hoy ny Baiboly: ‘Manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ (1 Korintianina 6:18) Inona ny dikan’izany?

Hitan’ny mpikaroka fa maro amin’ny tanora efa nanao firaisana talohan’ny fanambadiana no...

  • MANENINA. Ny ankamaroany mihitsy no mahatsapa an’izany.

  • TSY MIFAMPATOKY. Samy miady saina izy roa hoe: ‘Sao dia mba efa nanao firaisana tamin’ny olon-kafa koa àry izy?’

  • DISO FANANTENANA BE. Maro ny ankizivavy diso fanantenana any anatiny any, satria ilay ankizilahy nantenainy hiaro azy indray no nanararaotra azy. Matetika koa no tsy tena tian’ny ankizilahy intsony izay ankizivavy nanaiky hanao firaisana taminy.

  • Tadidio àry izao: Tena sarobidy ny vatanao ka aza omemena olona fotsiny. Tsy asianao vidiny ilay izy, raha manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao.—Romanina 1:24.

Asehoy fa vitanao ny mankatò an’ilay hoe ‘mifady ny fijangajangana.’ (1 Tesalonianina 4:3) Aza maika fa mbola ho afaka hanao firaisana foana ianao rehefa manambady. Tsy hanenina na hiady saina toa an’ireo tanora nanao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao amin’izay, fa mba tena hankafy an’ilay izy.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:3.

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Raha olona tena tia anao ve, dia handeha hanimba ny vatanao sy hanao izay hampalahelo anao?

  • Raha tena tia anao ve izy, dia hataony izay hampahatezitra an’Andriamanitra aminao?—Hebreo 13:4.

HO AN’NY ANKIZIVAVY

Ankizivavy mipetraka sady mieritreritra

Be dia be ny ankizilahy miteny hoe tsy hanambady ankizivavy efa nanaovany firaisana. Aleony, hono, ankizivavy virjiny!

Gaga angamba ianao maheno an’izany na tezitra mihitsy. Tadidio fa amin’ny filma fotsiny no mody aseho hoe mahafinaritra sy tsy mampaninona ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, sady hoatran’ny hoe tsy tena mifankatia raha tsy manao an’izany.

Aza manaiky hofetsifetsena anefa! Tia tena ilay ankizilahy matoa manambitamby anao hoe hanao firaisana, nefa ianareo tsy mpivady akory.—1 Korintianina 13:4, 5.

HO AN’NY ANKIZILAHY

Ankizilahy mipetraka sady mieritreritra

Raha misy ankizivavy miaraka aminao, dia eritrereto hoe: ‘Tena tia azy ve aho? Raha izany, inona no tena tokony hataoko?’ Asehoy azy fa mahavita mankatò ny lalàn’Andriamanitra ianao. Asehoy koa fa hendry ianao, ka ialanao izay zava-drehetra mety hahatonga anareo hanaonao foana. Porofoy fa tia azy ianao, ka tsy manao izay tianao fotsiny.

Ho faly be ilay ankizivavy amin’izay, sady vao mainka ho tia anao. Hiteny hoatran’ilay Solemita tena hendry izy hoe: “Ahy ny malalako, ary azy aho.”—Tononkiran’i Solomona 2:16.

SOSO-KEVITRA

Rehefa misy manambitamby anao hoe: “Eo moa raha tena tia an’ahy ianao e”, dia valio hoe: “Ka raha tena tia an’ahy koa ianao, dia tsy hisisika amin’izany!”

Izao tadidina rehefa miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy ianao: Raha zavatra tsy sahinao atao eo imason’ny dadanao sy mamanao, dia aza atao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

  • Izao no holazaiko rehefa misy manambitamby an’ahy mba hanao firaisana aminy:

  • Rehefa inona no tena hitako hoe sarotra ilay mandà?

  • Izao no hataoko mba hialana amin’izany:

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara