FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ypq fanontaniana 10 p. 30-31
  • Fa Maninona Aho no Mila Mamaky Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Maninona Aho no Mila Mamaky Baiboly?
  • Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Mety sy ny Tsy Mety: Mila Mieritreritra An’izany Isika Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2024
  • Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
    Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?
  • Fanazavana Fanampiny
    Mifohaza!—2018
  • Afaka Manampy Anao Izy Io
    Mifohaza!—2019
Hijery Hafa
Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora
ypq fanontaniana 10 p. 30-31
Ankizilahy mipetrapetraka eny an-tokotany sady mamaky Baiboly

FANONTANIANA 10

Fa Maninona Aho no Mila Mamaky Baiboly?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Milaza ny Baiboly fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Raha marina izany, dia misy torohevitra tena mahasoa anao ao amin’ny Baiboly.

AHOANA NO HATAONAO?

Nankany amin’ny tanàna kely iray i Tojo. Efa alina tamin’izay ka tsy hitany tsara intsony ny lalana. Gaga izy fa hoatran’ny lalana tsy mahazatra azy mihitsy ilay alehany. Tonga saina izy hoe hay diso lalana tany alohaloha tany!

Inona no ho nataonao raha ianao no Tojo?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Manana safidy maromaro ianao:

  1. Manontany olona.

  2. Mampiasa jiro fanao am-paosy.

  3. Mandeha foana sady manantena hoe mbola ho hitanao ilay toerana tianao haleha.

Ilay safidy fahatelo no tena tsy mety.

Ilay faharoa anefa mbola tsara noho ilay voalohany. Azonao entina eny foana mantsy ilay jiro, satria hanampy anao hahita ny lalana tokony haleha.

Mitovy amin’izany mihitsy ny Baiboly.

Io no boky be mpanana indrindra. Ilainao izy io satria...

  • manampy anao rehefa manana olana ianao

  • manampy anao hamantatra sy hanatsara ny toetranao

  • manoro anao hoe ahoana no hatao raha te ho sambatra

MISY FANONTANIANA MAMPIASA SAINA ANAO VE?

Vao mahay miteny isika, dia efa tia manontany, ohatra hoe...

  • Fa maninona ny biby no tsy miteny?

  • Maninona kay no maizina be rehefa amin’ny alina?

Rehefa mihalehibe indray isika, dia manontany momba ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana, ohatra hoe...

  • Fa maninona isika no mijaly?

  • Fa maninona ny olona no maty?

Ahoana, hoy ianao, raha misy miteny aminao hoe ao amin’ny Baiboly daholo ny valin’ireo?

Be dia be no milaza fa efa lany andro ny Baiboly sady sarotra be. Angano fotsiny koa, hono, ny ao. Marina ve izany sa ny olona mihitsy no diso hevitra, na nilazana zavatra diso?

Misy, ohatra, milaza fa Andriamanitra no mpitondra an’izao tontolo izao. Izany, hono, no lazain’ny Baiboly. Tsy marina anefa izany. Tsy milamina mihitsy mantsy izao tontolo izao. Be dia be no mijaly, mahantra, marary, ary maty. Feno loza koa eran-tany. Andriamanitra ve dia hampijaly olona hoatr’izany, nefa izy be fitiavana?

Ny Baiboly ihany no mamaly an’izany. Ho gaga ianao raha mahalala fa tsy Andriamanitra no mpitondra an’izao tontolo izao fa hafa!

Voamarikao angamba fa avy ao amin’ny Baiboly daholo ny torohevitra ato. Resy lahatra ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly no tena manoro antsika an’izay tokony hatao. “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” mantsy izy io, “ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16, 17) Marina fa efa ela ny Baiboly nefa mbola ilaina foana. Vakio sy ianaro tsara àry izy io fa tena hahasoa anao!

JEREO KOA...

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?

Ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara