FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 3 p. 14-p. 15 feh. 3
  • Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Namoy ny Fonenany Izy Ireo
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Misy Olona Ambony Noho Isika
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Nanao Ahoana ny Fiainana tao Amin’ny Paradisa?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Misy Persona Iray Ambony Noho Isika
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 3 p. 14-p. 15 feh. 3
Adama sy Eva, voaroaka avy ao amin’ny zaridainan’i Edena

LESONA 3

Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva

Adama, mitazona an’ilay voankazo voarara nomen’i Eva azy

Irery i Eva indray andro, fa tsy teo i Adama. Nisy bibilava niteny taminy tamin’izay hoe: ‘Izany, hono, ianareo dia tsy mahazo mihinana amin’ireo voankazo rehetra ireo?’ Hoy i Eva: ‘Tsy izany ka! Azonay hanina daholo ireo, afa-tsy ny voan’ny hazo anankiray ihany. Raha mihinana an’ilay izy izahay dia ho faty.’ Dia hoy ilay bibilava: ‘Tsy ho faty izany ianareo, fa vao mainka aza ianareo hitovy amin’Andriamanitra!’ Tena marina ve anefa izany? An an an! Nandainga izy. Nino ny teniny anefa i Eva. Nojerijereny foana ilay voankazo, dia vao mainka izy lasa te haka an’ilay izy. Nohaniny ilay izy, dia nomeny koa i Adama. Efa fantatr’i Adama hoe ho faty ry zareo raha tsy mankatò, nefa mbola nohaniny ihany ilay izy.

Adama sy Eva, voaroaka avy ao amin’ny zaridainan’i Edena. Misy anjely sy sabatra mirehitra misakana ny fidirana mankao

Nanontanian’i Jehovah i Adama sy Eva ny harivan’iny hoe maninona ry zareo no tsy nankatò an’azy. Nanome tsiny an’ilay bibilava i Eva, dia i Adama nanome tsiny an’i Eva. Noroahin’i Jehovah niala tao amin’ilay zaridaina àry ry zareo. Dia nasiany anjely sy sabatra mirehitra teo amin’ny fidirana mankao, amin’izay ry zareo tsy afaka miverina any.

Nilaza i Jehovah fa hosaziny koa ilay nandainga tamin’i Eva. Tsy tena ilay bibilava anefa ilay izy, satria i Jehovah tsy nanamboatra bibilava afaka miteny. Anjely ratsy saina atao hoe Satana Devoly no nampiteny an’ilay bibilava mba hamitahana an’i Eva. Haringan’i Jehovah izy any aoriana any, amin’izay tsy ho afaka hamitaka ny olona intsony ka hitaona an-dry zareo hanao ratsy.

“Efa mpamono olona hatrany am-boalohany [ny Devoly], ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina mihitsy ao aminy.”​—Jaona 8:44

Fanontaniana: Fa naninona i Eva no nihinana an’ilay voankazo? Nataon’i Jehovah ahoana i Adama sy Eva rehefa tsy nankatò? Iza izany Satana Devoly izany?

Genesisy 3:1-24; Jaona 8:44; 1 Jaona 3:8; Apokalypsy 12:9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara