FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 18 p. 48-p. 49 feh. 4
  • Nirehitra Ilay Voarointsilo!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nirehitra Ilay Voarointsilo!
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Roimemy Nirehitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana no Nandositra i Mosesy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 18 p. 48-p. 49 feh. 4
Mosesy mijery an’ilay voarointsilo mirehitra

LESONA 18

Nirehitra Ilay Voarointsilo!

Efa 40 taona izao i Mosesy no nipetraka tany Midianina. Nanambady izy tany ary nanan-janaka. Nahita zavatra mahagaga izy, indray andro, rehefa niandry ondry teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Nisy voarointsilo nirehitra teo nefa tsy nety kilan’ny afo. Rehefa nankeo akaikin’ilay izy i Mosesy, dia nisy feo avy ao niteny hoe: ‘Mosesy, aza manatona intsony. Dia esory ny kapanao fa tany masina io ijoroanao io.’ I Jehovah, raha ny marina, no niresaka taminy fa nampiasa anjely izy.

Natahotra be i Mosesy dia nosaronany ny tarehiny. Hoy ihany ilay niteny taminy: ‘Hitako hoe ampijalin’ny Ejipsianina ny Israelita, fa andeha havotako dia hoentiko any amin’ny tany tsara be. Ianao no tiako hitondra ny vahoakako hiala any Ejipta.’ Mety hoe taitra be ve izao i Mosesy rehefa naheno an’izany?

Hoy i Mosesy: ‘Dia inona no holazaiko raha manontany ry zareo hoe iza no naniraka an’ahy?’ Hoy Andriamanitra: ‘Teneno hoe i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no naniraka anao.’ Dia hoy indray i Mosesy: ‘Dia ahoana raha tsy mino an’ahy ry zareo?’ Nomen’i Jehovah porofo àry izy hoe hampiany. Nasainy natsipin’i Mosesy tamin’ny tany ny tehiny, dia lasa bibilava. Rehefa noraisin’i Mosesy tamin’ny rambony ilay izy, dia lasa tehina indray. Dia hoy i Jehovah: ‘Rehefa mahita an’izany famantarana izany ry zareo, dia hatoky hoe izaho no naniraka anao.’

Hoy i Mosesy: ‘Izaho ange tsy mahay miresaka e!’ Dia hoy i Jehovah: ‘Ao fa hatoroko anao izay tokony holazaina. Asaiko manampy anao koa i Arona zokinao.’ Izay vao nino i Mosesy hoe hanampy azy i Jehovah, dia nankany Ejipta amin’izay izy sy ny vadiny ary ny zanany lahy.

“Aza manahy momba an’izay holazainareo na ny fomba hilazanareo azy, fa amin’izay ora izay no hatoro anareo izay tokony holazainareo.”​—Matio 10:19

Fanontaniana: Inona no hitan’i Mosesy rehefa niandry ondry izy? Inona no tian’i Jehovah hataon’i Mosesy?

Eksodosy 3:1–4:20; Asan’ny Apostoly 7:30-36

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara