LESONA 22
Ilay Fahagagana teo Amin’ny Ranomasina Mena
Vao henon’i Farao hoe niala tany Ejipta ny Israelita, dia niova hevitra indray izy. Hoy izy tamin’ny miaramilany: ‘Omano daholo ny kalesy fitondra miady, dia andao henjehina ireny! Tahaka izay tsy nalefantsika ireny.’ Dia lasa ry zareo nanenjika ny Israelita.
Nampiasa rahona i Jehovah tamin’ny antoandro mba hitari-dalana ny vahoakany, ary afo rehefa alina. Nentiny nankany amin’ny Ranomasina Mena ry zareo, ary nasainy nijanona teo.
Tazan’ny Israelita hoe ireny i Farao sy ny miaramilany fa nanenjika an-dry zareo. Tsy afaka nandositra anefa ry zareo satria ranomasina no teo alohany. Hoy ry zareo tamin’i Mosesy: ‘Ho faty eto daholo izahay androany! Fa maninona izahay raha navelanao tany Ejipta fotsiny e?’ Dia hoy i Mosesy: ‘Aza matahotra izany! Jereo tsara fa hamonjy antsika i Jehovah.’ Tena natoky an’i Jehovah i Mosesy!
Nasain’i Jehovah niainga amin’izay ny Israelita. Nafindran’i Jehovah ilay rahona tamin’io alina io, dia nataony teo anelanelan’ny Israelita sy ny Ejipsianina. Maizina be àry ny tany amin’ny Ejipsianina, fa nazava kosa ny tany amin’ny Israelita.
Nasain’i Jehovah natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany. Dia nataon’i Jehovah nisy rivotra nitsoka mafy be nandritra ny alina manontolo. Nisaraka roa àry ny ranomasina, dia nisy lalana maina azo naleha teo afovoany. Lasa hoatran’ny tamboho avo be teo ankavia sy ankavanana ilay rano, ka afaka nandeha teo ireo Israelita an-tapitrisany.
Dia nanaraka ny Israelita teo afovoan’ny ranomasina ny miaramilan’i Farao. Nataon’i Jehovah nisahotaka anefa ry zareo. Nanomboka nipitika koa ny kodiaran’ny kalesiny, dia niantsoantso ry zareo hoe: ‘Andao isika hitsoaka fa i Jehovah no miady amintsika.’
Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao.’ Tonga dia nitambatra indray ilay ranomasina, ka sarona tao i Farao sy ny miaramilany. Maty daholo ry zareo. Tsisy niangana na iray aza!
Ny Israelita kosa terỳ ampita nidera an’i Jehovah dia nihira hoe: ‘Mihirà ho an’i Jehovah fa lasa nisandratra avo dia avo izy. Natsipiny mafy tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.’ Ny sasany nihira, dia ny vehivavy nandihy sy nively amponga kely. Faly be daholo izy rehetra satria izay vao tena avotra.
“Dia ho be herim-po isika amin’izay, ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’”—Hebreo 13:6