FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 24 p. 62-p. 63 feh. 2
  • Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Ombilahy Kely Volamena
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 24 p. 62-p. 63 feh. 2
Ny Israelita, mihira sy mandihy manodidina an’ilay zanak’omby volamena

LESONA 24

Tsy Nanatanteraka An’ilay Voady Izy Ireo

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Miakara atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra. Hisy lalàna hosoratako amin’ny vato fisaka mantsy, dia homeko anao ilay izy.’ Niakatra nankany àry i Mosesy, ary nijanona tany 40 andro sy 40 alina. Nosoratan’i Jehovah teo amin’ny vato fisaka anankiroa ny Didy Folo, dia nomeny an’i Mosesy.

Atsipin’i Mosesy amin’ny tany ireo vato fisaka

Elaela tany i Mosesy, ka nieritreritra ny Israelita hoe nilaozany ry zareo. Hoy ry zareo tamin’i Arona: ‘Mila mpitarika izahay fa anamboary andriamanitra!’ Dia hoy i Arona: ‘Omeo an’ahy àry ny volamenanareo.’ Natsonik’i Arona ilay izy avy eo, dia nanamboarany sarivongana zanak’omby. Hoy ny vahoaka: ‘Io zanak’omby io ilay Andriamanitra nitondra antsika niala tany Ejipta!’ Dia nivavaka tamin’ilay izy ry zareo sady nanao fety. Izany ve dia mety? Efa nivoady mantsy ry zareo hoe i Jehovah ihany no ivavahany.

Hitan’i Jehovah ny zavatra nataon’ny Israelita, dia hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Mandehana midina fa mivadika amiko ny vahoaka. Lasa mivavaka amin’ny andriamanitra hafa ry zareo.’ Nidina àry i Mosesy, ary nentiny ireo vato fisaka anankiroa.

Rehefa akaikikaiky an’ilay vahoaka i Mosesy, dia naheno an-dry zareo nihira. Nahita an-dry zareo nandihy sy nivavaka tamin’ilay zanak’omby izy avy eo. Tezitra be i Mosesy! Natsipiny tamin’ny tany ireo vato fisaka ka potipotika. Tonga dia nopotehiny koa ilay sarivongana zanak’omby. Dia hoy izy tamin’i Arona: ‘F’inona loatra no notenenin-dry zareo anao no nanaiky hanao an’io zavatra mahatsiravina io ianao?’ Dia hoy i Arona: ‘Aza tezitra moa e! Fantatrao ihany ireo. Nangataka andriamanitra ry zareo, dia natsipiko tao anaty afo ny volamenany, dia io zanak’omby io no nivoaka tao!’ Tsy tokony ho nanao an’izany i Arona. Niakatra nankany an-tendrombohitra indray àry i Mosesy, dia niangavy an’i Jehovah mba hamela ny fahadisoan’ny vahoaka.

Navelan’i Jehovah ny fahadisoan’izay vonona hankatò azy. Tsy hitanao amin’izany ve hoe tena nila nankatò an’i Mosesy ny Israelita satria izy no nasain’i Jehovah nitarika an-dry zareo?

“Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia aza miandry ela vao manatanteraka, satria tsy mahafaly azy ny tsisy saina. Koa tanteraho ny voadinao.”​—Mpitoriteny 5:4

Fanontaniana: Inona no nataon’ny Israelita rehefa lasa tany an-tendrombohitra i Mosesy? Inona no nataon’i Mosesy rehefa niverina teo amin’ny vahoaka izy?

Eksodosy 24:12-18; 32:1-30

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara