LESONA 26
Ireo Mpitsikilo 12
Niala teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, ary nandalo tany amin’ny tany efitr’i Parana. Tonga tao Kadesy ry zareo tamin’ny farany. Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Mifidiana lehilahy iray isaky ny foko, dia iraho ry zareo hitsikilo ny tany Kanana. Homeko ny Israelita mantsy io tany io.’ Nifidy 12 lahy àry i Mosesy, dia hoy izy tamin-dry zareo: ‘Mandehana any Kanana, dia jereo raha mamokatra ilay tany. Jereo koa raha matanjaka ny olona any, dia ao anaty tanàna ve ry zareo no mipetraka sa ao anaty tranolay.’ Nankany Kanana àry ireo mpitsikilo 12, anisan’izany i Josoa sy Kaleba.
Niverina ireo mpitsikilo rehefa afaka 40 andro, dia nitondra aviavy sy ampongabendanitra ary voaloboka. Hoy ry zareo: ‘Tsara be ilay tany, fa ny mponina ao no matanjaka be, dia ny mandan’ilay tanàna avo be.’ Dia hoy i Kaleba: ‘Resintsika ’reo e! ’Ndao tonga dia tafihina!’ Fantatrao ve hoe maninona i Kaleba no niteny an’izany? Satria natoky izy sy Josoa hoe hampian’i Jehovah ny Israelita. Hoy anefa ireo mpitsikilo folo: ‘Aza mankany ’zany fa ngezabe ny olona any! ’Zahay aza hoatran’ny valala kely teo anatrehany.’
Kivy be ny Israelita dia nimenomenona. Nifampiresaka ry zareo hoe: ‘Andao isika hifidy mpitarika hafa dia hiverina any Ejipta, fa ho faty any eo daholo isika!’ Dia hoy i Josoa sy Kaleba: ‘Araho fotsiny ny tenin’i Jehovah. Aza matahotra fa hiaro antsika izy.’ Tsy niraharaha an’izany anefa ny Israelita, fa izy roa lahy indray aza no saika hovonoiny ho faty!
Dia inona no nataon’i Jehovah? Hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Be dia be mihitsy ny zavatra efa nataoko ho an’ny Israelita, nefa ry zareo mbola tsy mankatò an’ahy ihany. Hajanoko atỳ an-tany efitra atỳ 40 taona ireo, dia aleo ho faty atỳ. Ny zanany sy Josoa ary Kaleba ihany sisa no hipetraka ao amin’ilay tany noteneniko hoe homeko an-dry zareo.’
“Nahoana ianareo no saro-tahotra, ry kely finoana?”—Matio 8:26