LESONA 30
Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo
Nankao an-tranon’ny vehivavy atao hoe Rahaba ireo mpitsikilo roa, rehefa tonga tao Jeriko. Vao henon’ny mpanjakan’i Jeriko izany, dia nandefa miaramila tany amin’i Rahaba izy. Nafenin’i Rahaba tany an-tampon-trano anefa ireo mpitsikilo, fa ireo miaramila kosa natorony lalan-kafa. Dia hoy i Rahaba tamin’ireo mpitsikilo: ‘Hampiako ianareo satria fantatro hoe manampy anareo i Jehovah, dia ho azonareo ity tany ity. Fa mba avoty ny fianakaviako!’
Hoy ireo mpitsikilo tamin’i Rahaba: ‘Ao fa tsy hataonay na inona na inona izay rehetra ato an-tranonao. Asio tady menamena mifatotra fotsiny eo am-baravarankelinao, dia ho avotra ianareo.’
Nampidinin’i Rahaba tamin’ny tady avy eo am-baravarankeliny ireo mpitsikilo rehefa handeha. Dia nankany an-tendrombohitra ry zareo, ary niafina tany telo andro vao niverina tany amin’i Josoa. Niampita ny Reniranon’i Jordana avy eo ny Israelita, ary niomana haka an’ilay tany. I Jeriko no tanàna voalohany nalainy. Nasain’i Jehovah nihodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro ry zareo nandritra ny enina andro, fa tamin’ny andro fahafito nasaina nihodidina an’ilay izy impito. Nitsoka trompetra avy eo ny mpisorona, ary nihorakoraka faran’izay mafy ny miaramila. Dia nirodana daholo ny mandan’ilay tanàna, afa-tsy ny tranon’i Rahaba. Teo amin’ilay manda mihitsy anefa ny tranony! Avotra àry ry Rahaba satria izy natoky an’i Jehovah.
‘Hoatr’izany koa i Rahaba. Tsy nolazaina hoe olo-marina ve izy noho izay nataony rehefa avy nandray tsara an’ireo iraka tonga tao aminy, ka nandefa azy ireo tany amin’ny lalan-kafa?’—Jakoba 2:25