FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 32 p. 80-p. 81 feh. 2
  • Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampandositra Tafika Nahery i Baraka Noho ny Finoany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Vehivavy Roa Nahery Fo
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • ‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Baraka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 32 p. 80-p. 81 feh. 2
Baraka, manasa an’i Debora hiaraka aminy

LESONA 32

Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra

I Josoa no nitarika ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nanompo an’i Jehovah foana ny Israelita tamin’izay. Rehefa maty anefa i Josoa tamin’izy 110 taona, dia lasa nanompo sampy hoatran’ny Kananita ry zareo. Navelan’i Jehovah hampijaly an-dry zareo àry ilay mpanjaka kananita atao hoe Jabina. Nijaly be ny Israelita ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Dia nomen’i Jehovah mpitarika vaovao ry zareo. Baraka no anarany. Hanampy an-dry zareo hiverina amin’i Jehovah izy.

Nisy mpaminanivavy atao hoe Debora naniraka olona hiteny tamin’i Baraka hoe: ‘Mitondrà lehilahy 10 000, hoy i Jehovah, dia mandehana miady amin’ny miaramilan’i Jabina eo amin’ny reniranon’i Kisona. Ho resinao eo i Sisera, ilay lehiben’ny tafik’i Jabina.’ Dia hoy i Baraka tamin’i Debora: ‘Handeha aho raha miaraka amiko ianao.’ Hoy i Debora: ‘Andao àry. Fa tsy ianao anefa no hamono an’i Sisera, hoy i Jehovah, fa vehivavy anankiray izay.’

Dia lasa i Debora niaraka tamin’i Baraka sy ny miaramilany nankeny amin’ny Tendrombohitra Tabara. Vao fantatr’i Sisera izany, dia nangoniny teny amin’ny lohasaha terỳ ambanin’ilay tendrombohitra daholo ny miaramilany sy ny kalesy fitondrany miady. Hoy i Debora tamin’i Baraka: ‘Hataon’i Jehovah mandresy ianao androany.’ Nidina hiady tamin-dry Sisera àry i Baraka sy ny miaramilany.

Dia nataon’i Jehovah tondraka be ny reniranon’i Kisona avy eo. Lasa tsy afaka nandeha ny kalesin-dry Sisera satria nisy fotaka be. Resin-dry Baraka àry ny miaramilany. I Sisera kosa lasa nitsoaka, dia navelany teo ny kalesiny. Nandositra nankany amin’ny tranolain’izay vehivavy atao hoe Jaela izay izy. Nomen’i Jaela ronono izy, ary norakofany bodofotsy. Reraka be izy dia resin-tory. Nijaikojaiko i Jaela avy eo, dia notsatohany fantsika be ny lohan’i Sisera. Dia maty izy.

Baraka sy Debora, manao hira fiderana an’i Jehovah

Tonga hitady an’i Sisera tao amin’i Jaela avy eo i Baraka. Dia hoy i Jaela: ‘Mandrosoa fa atoroko anao ilay olona tadiavinao.’ Dia niditra izy, ary hitany maty teo i Sisera. Niara-nihira fiderana an’i Jehovah àry i Baraka sy Debora, satria nampiany handresy an’ireo fahavalony ny Israelita. Nilamina ry zareo nandritra ny 40 taona taorian’izay.

“Tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.”​—Salamo 68:11

Fanontaniana: Inona no nataon’i Debora mba hanampiana ny Israelita? Ahoana no nampisehoan’i Jaela hoe tsy natahotahotra izy?

Mpitsara 4:1–5:31

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara