FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 34 p. 84-p. 85 feh. 2
  • Resin’i Gideona ny Midianita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Resin’i Gideona ny Midianita
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ny Sabatr’i Jehovah sy Gideona!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Gideona sy ny Olony 300 Lahy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Gideona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ry Anti-panahy, Mianara avy Amin’i Gideona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 34 p. 84-p. 85 feh. 2
Gideona sy ny miaramilany, mitsoka anjombona, manapotika siny, manetsiketsika fanilo, ary miantsoantso mafy

LESONA 34

Resin’i Gideona ny Midianita

Nivadika tamin’i Jehovah indray ny Israelita tatỳ aoriana, ka nanompo sampy. Nijaly be nandritra ny fito taona àry ry zareo, satria nangalarin’ny Midianita ny biby fiompiny, ary nopotehiny ny zavatra nambolen-dry zareo. Voatery niafina tany anaty lava-bato sy tany an-tendrombohitra ny Israelita. Hoy ry zareo tamin’i Jehovah: ‘Mba vonjeo re izahay e!’ Dia nasain’i Jehovah nankany amin’ny tovolahy iray atao hoe Gideona ny anjely anankiray hiteny hoe: ‘Nofidin’i Jehovah ianao mba ho miaramila matanjaka hamonjy ny Israelita.’ Dia hoy i Gideona: ‘Izaho tsisy dikany kely ity ve dia hahavita an’izany?’

Ahoana no nahafantaran’i Gideona hoe nifidy azy i Jehovah? Nasian’i Gideona volonondry teo amin’ny tany, dia hoy izy tamin’i Jehovah: ‘Raha lenan’ny ranonando ity volonondry ity rahampitso maraina fa ny tany kosa maina, dia ho fantatro hoe izaho no tianao hamonjy ny Israely.’ Mando be tokoa ilay volonondry ny ampitson’iny, nefa ny tany maina. Mbola nangataka indray anefa i Gideona hoe ilay volonondry indray no hatao maina, fa ny tany ho lena. Dia izany mihitsy no nitranga ny ampitson’iny! Niaiky àry i Gideona hoe nifidy azy i Jehovah, ka nangoniny daholo ny miaramilany mba hiady amin’ny Midianita.

Hoy i Jehovah tamin’i Gideona: ‘Hataoko mandresy ianareo. Betsaka loatra anefa ireo miaramilanao ireo, ka sao ianareo hieritreritra hoe ianareo ihany no nahatonga anareo handresy. Asaivo mody daholo àry izay matahotra.’ Dia nody ny 22 000, ka 10 000 sisa. Hoy anefa i Jehovah: ‘Mbola be loatra ireo. Mandehana eny amoron’ny renirano, dia asaivo misotro rano ry zareo. Dia ento hiady hiaraka aminao izay miaramila misotro rano sady mijery hoe sao dia misy fahavalo.’ Tsy nisy afa-tsy 300 no mailo foana rehefa nisotro rano. Ireo ihany, hoy i Jehovah, no handresy an’ireo miaramila midianita 135 000.

Rehefa alina ny andro, dia hoy i Jehovah tamin’i Gideona: ‘Mandehana amin’izay tafiho ny Midianita.’ Nomen’i Gideona anjombona sy siny lehibe ny miaramilany, ary nisy fanilo tao anatin’ilay siny. Hoy izy avy eo: ‘Jereo tsara aho, dia izay hataoko mihitsy hatao.’ Dia notsofin’i Gideona ny anjombona, nopotehiny ny siny, nahetsiketsiny ny fanilo, ary niantsoantso mafy izy hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” Dia nanao hoatr’izany koa ireo 300 lahy. Natahotra be ny Midianita dia lasa nitsoaka. Nisahotaka ry zareo ka nanomboka nifamono. Nampian’i Jehovah handresy an’ireo fahavalony indray ny Israelita.

Miaramila midianita, misahotaka

“Mba ho hita hoe nahazo hery mihoatra noho ny an’ny olombelona izahay, dia hery avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy aminay.”​—2 Korintianina 4:7

Fanontaniana: Inona no nataon’i Jehovah mba ho fantatr’i Gideona hoe izy no nofidiny? Fa naninona no lasa 300 sisa ny miaramilan’i Gideona?

Mpitsara 6:1-16; 6:36–7:25; 8:28

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara