FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 42 p. 102-p. 103 feh. 3
  • Tsy Natahotra sy Tsy Nivadika i Jonatana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Natahotra sy Tsy Nivadika i Jonatana
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • “Niraiki-po Be Tamin’i Davida” i Jonatana
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • “Niara-niasa Tamin’Andriamanitra” i Jonatana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Tsy Misy Mahasakana An’i Jehovah”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Tafaray eo ambany fanevan’ny fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 42 p. 102-p. 103 feh. 3
Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany

LESONA 42

Tsy Natahotra sy Tsy Nivadika i Jonatana

I Jonatana no lahimatoan’i Saoly Mpanjaka. Miaramila izy sady tsy natahotahotra mihitsy. Nilaza i Davida hoe mahery mandeha noho ny voromahery izy, sady matanjaka noho ny liona. Nahita miaramila filistinina 20 teo an-tampon-kavoana i Jonatana indray andro, dia hoy izy tamin’ny mpitondra ny fiadiany: ‘Hotafihintsika ireo raha miteny hoe avia atỳ, fa izay no famantarana hoe hampian’i Jehovah isika.’ Dia niantsoantso tokoa ny Filistinina hoe: ‘Avia hiady aminay!’ Niakatra an’ilay havoana àry izy roa lahy, dia resiny ireo Filistinina ireo.

Jonatana, manome an’i Davida ny akanjony sy ny fiadiany

I Jonatana no tokony ho mpanjaka handimby an’i Saoly, satria izy no lahimatoa. Fantatr’i Jonatana anefa fa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely. Na izany aza dia tsy nialona azy izy. Lasa mpinamana be izy roa lahy, sady nanao voady hoe hifanampy sy hifampiaro foana. Nomen’i Jonatana an’i Davida ny akanjony, ny sabany, ny tsipìkany, ary ny fehikibony mba hampisehoana hoe mpinamana be ry zareo.

Tamin’i Davida nandositra an’i Saoly, dia nankany aminy i Jonatana. Hoy izy tamin’i Davida: ‘Mahereza dia aza matahotra, fa efa nofidin’i Jehovah ho mpanjaka ianao. Na dadanay aza mahafantatra an’izany.’ Tianao ve raha mba manana namana tsara hoatr’izany ianao?

Imbetsaka i Jonatana no saika maty satria niaro an’i Davida. Fantany hoe te hamono an’i Davida ny dadany, dia hoy izy taminy: ‘Manota ianao raha mamono an’i Davida. Izy tsinona tsy nanao ratsy.’ Tezitra be tamin’i Jonatana i Saoly. Maty tany an’ady i Saoly sy Jonatana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.

Rehefa maty i Jonatana, dia notadiavin’i Davida i Mefiboseta zanak’i Jonatana. Dia hoy i Davida taminy: ‘Satria namako be mihitsy dadanareo, dia izaho no hikarakara anao mandritra ny androm-piainanao. Hipetraka ato amin’ny lapako ianao sady hiara- misakafo amiko.’ Tsy hadinon’i Davida mihitsy i Jonatana.

“Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.”​—Jaona 15:12, 13

Fanontaniana: Ahoana no nampisehoan’i Jonatana hoe tsy natahotahotra mihitsy izy? Ary ahoana no nampisehoany hoe tsy nivadika izy?

1 Samoela 14:1-23; 18:1-4; 19:1-6; 20:32-42; 23:16-18; 31:1-7; 2 Samoela 1:23; 9:1-13

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara