FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 44 p. 108-p. 109 feh. 3
  • Tempoly ho An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tempoly ho An’i Jehovah
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanorina ny Tempoly i Solomona
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mpanjaka Hendry i Solomona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Solomona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 44 p. 108-p. 109 feh. 3
Afo avy amin’i Jehovah, mandevona ny fanatitra eo ambonin’ny alitara

LESONA 44

Tempoly ho An’i Jehovah

Solomona Mpanjaka, mivavaka

Rehefa lasa mpanjakan’ny Israely i Solomona, dia hoy i Jehovah taminy: ‘Inona no tianao homeko anao?’ Dia hoy i Solomona: ‘Mba omeo fahendrena aho fa mbola kely dia tsy mahay mitondra an’ireo vahoakanao ireo.’ Hoy i Jehovah: ‘Raha izany no angatahinao, dia ianao no hataoko hendry indrindra amin’ny olona rehetra. Hataoko manankarena be koa ianao. Ary ho ela velona ianao raha mankatò an’ahy foana.’

Nanomboka nanamboatra an’ilay tempoly amin’izay i Solomona. Volamena sy volafotsy sy hazo ary vato tsara indrindra no nampiasainy. Lehilahy sy vehivavy be dia be sady nahay no nanorina an’ilay izy. Vita ilay izy rehefa afaka fito taona, dia notokanana ho an’i Jehovah. Nisy alitara tao, dia nasiana fanatitra teo ambonin’ilay izy. Nandohalika teo anoloan’ilay izy i Solomona, dia nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, kely sady tsy dia tsara ity tempoly ity raha ho anao. Ato anefa izahay no hanompo anao sy hivavaka aminao, dia mba ekeo sy henoy izany.’ Ahoana kosa no fahitan’i Jehovah an’ilay tempoly sy ny vavak’i Solomona? Vao vita ilay vavaka, dia nisy afo avy any an-danitra nandevona an’ilay fanatitra. Tian’i Jehovah izany ilay tempoly. Faly be ny Israelita rehefa nahita an’izany!

Afo avy amin’i Jehovah, mandevona ny fanatitra eo ambonin’ny alitara

Fantatry ny olona rehetra tany Israely sy hatrany lavitra be hoe tena hendry i Solomona. Nankany aminy àry izay olona nanana olana. Tonga tany hatramin’ny mpanjakavavin’i Sheba, dia nanontany azy zavatra sarotra be. Hoy izy rehefa avy naheno ny valin-tenin’i Solomona: ‘Tsy nino an’izay notenenin’ny olona momba anao aho, nefa ianao aza kay mbola hendry lavitra noho ny notenenin-dry zareo. Tena manampy anao i Jehovah Andriamanitrao.’ Nahafinaritra erỳ ny fiainan’ny Israelita tamin’izany, ary sambatra be ry zareo. Hiova anefa izany.

‘Misy lehibe noho i Solomona eto.’​—Matio 12:42

Fanontaniana: Nahoana no nataon’i Jehovah tena hendry i Solomona? Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tiany ilay tempoly?

1 Mpanjaka 2:12; 3:4-28; 4:29–5:18; 6:37, 38; 7:15–8:66; 10:1-13; 2 Tantara 7:1; 9:22

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara