LESONA 47
Nampahery An’i Elia i Jehovah
Henon’i Jezebela hoe maty daholo ny mpaminanin’i Bala, dia tezitra be izy. Naniraka olona hiteny tamin’i Elia àry izy hoe: ‘Ho faty hoatr’ireny mpaminany ireny koa ianao rahampitso.’ Natahotra be i Elia, dia nandositra nankany an-tany efitra. Nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, tena tsy zakako intsony izao fa aleoko maty.’ Tafatory teo ambany hazo izy avy eo satria reraka be.
Nisy anjely namoha an’i Elia avy eo, dia niteny moramora taminy hoe: ‘Mifohaza dia hano ireto.’ Nahita mofo boribory anankiray teo ambony vato mahamay i Elia, dia rano tao anaty jaogy. Rehefa avy nihinana sy nisotro an’ireo izy, dia niverina natory. Nofohazin’ilay anjely indray anefa izy sady noteneniny hoe: ‘Mihinàna fa mbola handeha lavitra ianao.’ Dia nihinana indray i Elia. Nandeha 40 andro sy 40 alina izy avy eo, ka tonga tany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Dia niditra tao anatin’izay lava-bato izay izy mba hatory. Hoy anefa i Jehovah taminy: ‘Elia, fa maninona atỳ ianao?’ Dia hoy izy: ‘Nivadika taminao ny Israelita, dia narodany ny alitaranao, ary novonoiny ny mpaminaninao. Dia tadiavin-dry zareo hovonoina koa aho.’
Dia hoy i Jehovah tamin’i Elia: ‘Mitsangàna eo amin’ilay tendrombohitra.’ Nisy rivotra nifofofofo be tamin’izay, dia avy eo nisy horohoron-tany, ary nisy afo tamin’ny farany. Naheno feo malefaka kely i Elia taorian’izay. Nosaronany tamin’ny akanjony ny tarehiny, dia nitsangana teo ivelan’ilay lava-bato izy. Nanontanian’i Jehovah izy hoe fa naninona izy no nandositra. Dia hoy izy: ‘Izaho irery ange sisa no manompo anao e!’ Hoy anefa i Jehovah: ‘Tsy ianao irery izany fa mbola misy Israelita 7000 koa manompo an’ahy. Mandehana fidio ho mpaminany hisolo anao i Elisa.’ Tonga dia nandeha i Elia. Ary ianao? Mino ve ianao hoe hanampy anao koa i Jehovah rehefa manao an’izay asainy hatao ianao? Matokia fa hanampy anao izy. Andao hojerentsika izay nitranga, tamin’ilay mbola tsy nisy orana mihitsy.
“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.”—Filipianina 4:6