LESONA 49
Nosazina Ilay Mpanjakavavy Ratsy Fanahy
Nisy lehilahy atao hoe Nabota nanana tanimboaloboka tao Jezirela. Tazana avy teo am-baravarankelin’ny tranon’i Ahaba Mpanjaka ilay izy, dia tian’i Ahaba hovidina. Tsy nety nivarotra an’ilay izy anefa i Nabota, satria tsy azo namidy ny lova araka ny Lalàna nomen’i Jehovah. Ahoana anefa no fahitan’i Ahaba an’izany zavatra tsara nataon’i Nabota izany? Tezitra be izy, dia tsy nety nivoaka avy tao amin’ny efitra fatoriany, sady nidongy tsy nety nihinan-kanina.
Dia hoy i Jezebela ratsy fanahy tamin’ny vadiny: ‘Ianao ange, ry Ahaba, no mpanjakan’ny Israely e! Dia azonao alaina daholo izay tianao. Ao fa halaiko ho anao ilay tanimboaloboka.’ Dia nanoratra taratasy ho an’ny anti-panahy tao an-tanàna i Jezebela, dia nasainy nandainga ry zareo hoe niteny ratsy an’Andriamanitra i Nabota ka tokony hotorahana vato ho faty. Dia narahin-dry zareo ny teniny. Niteny tamin’i Ahaba i Jezebela avy eo hoe: ‘Efa maty i Nabota, fa alaivo amin’izay ilay tanimboaloboka.’
Tsy i Nabota irery ny olona tsy nanao ratsy akory nefa novonoin’i Jezebela. Betsaka ny olona tia an’i Jehovah nataony an’izany. Nanompo sampy koa i Jezebela, sady nanao zavatra ratsy hafa be dia be. Hitan’i Jehovah daholo anefa izany. Dia inona no nataony?
Rehefa maty i Ahaba, dia i Jorama zanany no lasa mpanjaka. Nirahin’i Jehovah ny lehilahy iray atao hoe Jeho, mba hanasazy an’i Jezebela sy ny fianakaviany.
Nandeha kalesy nankany Jezirela àry i Jeho, satria tany i Jezebela no nipetraka. Nandeha kalesy koa i Jorama mba hitsena an’i Jeho. Hoy izy: ‘Mpinamana ve isika?’ Dia hoy i Jeho: ‘Tsy mpinamana izany mihitsy isika raha mbola manao zavatra ratsy be dia be mamanareo.’ Nahodin’i Jorama àry ny kalesiny fa saika hitsoaka izy. Notifirin’i Jeho tamin’ny zana-tsipìka anefa izy dia maty.
Nankany amin’ny lapan’i Jezebela i Jeho avy eo. Nanao makiazy i Jezebela, raha vao fantany hoe ho avy i Jeho. Namboariny koa ny volony, dia niandry teo am-baravarankely ambony izy. Rehefa tonga i Jeho, dia nasiatsiaka be i Jezebela niarahaba azy. Hoy anefa i Jeho tamin’ny mpiasa nijoro teo akaikin’i Jezebela: “Azerao izy!” Dia natosiky ry zareo avy teo amin’ilay varavarankely izy ka maty.
Novonoin’i Jeho koa izy 70 lahy zanak’i Ahaba taorian’izay, ary nataony tsy nisy intsony ny fivavahana tamin’i Bala. Tsy hitanao amin’izany ve fa fantatr’i Jehovah daholo ny zavatra rehetra? Miandry fotoana mety fotsiny izy, dia saziny izay olona manao ratsy.
“Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tamin’ny voalohany, dia tsy hahazoana fitahiana izany amin’ny farany.”—Ohabolana 20:21