FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 67 p. 158-p. 159 feh. 1
  • Ny Mandan’i Jerosalema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Mandan’i Jerosalema
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Mandan’i Jerosalema
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nehemia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-16 — Nehemia
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • “Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 67 p. 158-p. 159 feh. 1
Nehemia, manome toromarika an’ireo olona manamboatra ny mandan’i Jerosalema, sy ireo olona miambina

LESONA 67

Ny Mandan’i Jerosalema

Hojerentsika izay nitranga tamin’ny andron’i Nehemia, mpiasan’i Artaksersesy Mpanjaka. Israelita izy ary nipetraka tao Sosana, tany Persa. Tonga avy tany Joda ny rahalahin’i Nehemia, dia nilaza vaovao ratsy hoe: ‘Tsy voaro ny olona nody any Jerosalema, satria mbola tsy vita ny manda sy ny vavahady noravan’ny Babylonianina.’ Nalahelo be i Nehemia ka te ho any Jerosalema hanampy an-dry zareo. Nivavaka àry izy mba havelan’ny mpanjaka handeha.

Hitan’ny mpanjaka, tatỳ aoriana, hoe nalahelohelo i Nehemia. Dia hoy izy: ‘Mbola tsy nahita anao hoatr’izao mihitsy aho. Fa misy inona?’ Hoy i Nehemia: ‘Malahelo aho fa mbola rava i Jerosalema tanànanay.’ Dia hoy ny mpanjaka: ‘Inona àry no tianao hataoko?’ Tonga dia nivavaka mangina i Nehemia. Hoy izy avy eo: ‘Mba avelao aho ho any Jerosalema mba hanamboatra ny manda.’ Navelan’ny mpanjaka handeha i Nehemia, sady nataony izay tsy hahitany olana teny an-dalana. Notendren’ny mpanjaka ho governoran’i Joda koa izy, sady nomeny hazo hanaovana ny vavahadin’i Jerosalema.

Rehefa tonga tany Jerosalema i Nehemia, dia nojereny tsara ny manda. Nantsoiny avy eo ny mpisorona sy ny olona ambony, dia hoy izy: ‘Tena voa mafy isika! Mila averintsika amin’ny laoniny ireo.’ Nanaiky an’izany ny olona dia nanomboka nanamboatra an’ilay izy.

Nisy fahavalon’ny Israelita anefa nanesoeso hoe: ‘Io manda ataonareo io ve tsy donin’ny alika fotsiny dia mianjera!’ Tsy noraharahian’ny Israelita anefa izany fa notohizany ihany ny asa, dia lasa avo be sy ngezabe ilay manda.

Dia nanao tetika ny fahavalo hoe: ‘Andao isika hanodidina an’i Jerosalema dia hotafihintsika tampoka ry zareo.’ Henon’ny Jiosy ilay tetika ka natahotra ry zareo. Hoy anefa i Nehemia: ‘Aza matahotra fa i Jehovah ange manampy antsika e!’ Nasian’i Nehemia mpiambina koa teny rehetra teny mba hiaro ny mpiasa, ka tsy afaka nanafika ny fahavalo.

Tao anatin’ny 52 andro fotsiny dia vita ny manda sy ny vavahady. Notokanana ilay izy, dia nasain’i Nehemia ho any Jerosalema daholo ny Levita tamin’izay. Nozarainy ho antoko-mpihira roa ry zareo. Niakatra teo ambony manda ry zareo, teo amin’ny tohatra akaikin’ny Vavahadin’ny Loharano. Nisaraka ry zareo avy eo, dia ny antoko-mpihira iray nandeha niankavanana ary ny iray nandeha niankavia nanodidina an’ilay tanàna. Nihaona teo amin’ny tempoly ry zareo tamin’ny farany. I Ezra no niaraka tamin’ilay antoko anankiray, fa i Nehemia kosa no niaraka tamin’ny anankiray. Samy nanao hira ho an’i Jehovah ireo antoko roa ireo, sady nitsoka trompetra sy nitendry kipantsona sy harpa. Nanao sorona ho an’i Jehovah ny olona rehetra na lahy na vavy na ankizy. Faly be ry zareo ka henon’ny olona hatrany lavitra be ny feony.

“Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.”​—Isaia 54:17

Fanontaniana: Nahoana i Nehemia no nankany Jerosalema? Vita tao anatin’ny firy andro ny mandan’i Jerosalema?

Nehemia 1:1-11; 2:1-20; 4:1-23; 5:14; 6:1-19; 12:27-43

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara