FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 71 p. 168-p. 169 feh. 1
  • Narovan’i Jehovah i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Narovan’i Jehovah i Jesosy
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fandosirana ny tanan’ny mpanapaka jadona iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Jesosy sy ireo mpanandro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Tsy nahomby ilay mpampijaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 71 p. 168-p. 169 feh. 1
Maria sy Jesosy mitaingina ampondra, ary Josefa mandeha an-tongotra eo akaikin-dry zareo

LESONA 71

Narovan’i Jehovah i Jesosy

Nino ny olona tany amin’ny tany iray tany atsinanan’i Israely hoe afaka mitari-dalana azy ny kintana. Nisy lehilahy vitsivitsy avy any, nahita hoatran’ny kintana nazava be nandeha teny amin’ny lanitra, indray alina. Narahin-dry zareo ilay izy dia tonga tany Jerosalema ry zareo. Nanontanian-dry zareo ny olona tany hoe: ‘Aiza kay izany zaza ho lasa mpanjakan’ny Jiosy izany? Tonga hiankohoka eo anatrehany mantsy izahay.’

I Heroda no mpanjakan’i Jerosalema tamin’izay. Rehefa henony hoe hisy mpanjaka vaovao, dia niady saina be izy. Nanontaniany àry ny lehiben’ny mpisorona hoe: ‘Aiza, hono, no ho teraka izany mpanjaka izany?’ Dia hoy ry zareo: ‘Any Betlehema, hoy ny mpaminany.’ Nantsoin’i Heroda àry ireo lehilahy avy any Atsinanana, dia hoy izy: ‘Mandehana mankany Betlehema, dia tadiavo ilay zaza. Miverena atỳ avy eo milaza amiko hoe aiza izy, fa mba te hiankohoka eo anatrehany koa aho.’ Lainga anefa izany.

Nandeha indray ilay “kintana”, dia nitarika an’ireo lehilahy ireo nankany Betlehema. Nijanona teo ambonin’ny trano anankiray ilay izy. Niditra tao àry ry zareo dia nahita an’i Jesosy sy Maria reniny. Niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ry zareo, dia nanome azy volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. I Jehovah tokoa ve anefa no naniraka an’ireo lehilahy ireo hitady an’i Jesosy? Tsia.

Niteny tamin’i Josefa tao amin’ny nofy i Jehovah ny alin’iny hoe: ‘Ento mandositra any Ejipta ny vady aman-janakao, fa tian’i Heroda hovonoina i Jesosy. Dia aza miala any raha tsy rehefa teneniko.’ Tonga dia nankany Ejipta àry i Josefa sy ny fianakaviany.

Notenenin’i Jehovah ireo lehilahy avy any Atsinanana hoe: ‘Aza miverina any amin’i Heroda.’ Tezitra be i Heroda rehefa tsy niverina ry zareo. Tsy hitany hoe aiza no misy an’i Jesosy, ka nasainy novonoina daholo ny zazalahikely rehetra nitovy taona tamin’i Jesosy tany Betlehema. I Jesosy anefa tamin’izay efa lavitra be, tany Ejipta.

Rehefa maty i Heroda, dia hoy i Jehovah tamin’i Josefa: ‘Afaka mody amin’izay ianareo.’ Niverina tany Israely àry i Josefa sy Maria ary Jesosy, ary lasa nipetraka tao Nazareta.

“Dia ho toy izany ny teny lazaiko ... ary tsy maintsy ho vitany izay rehetra anirahako azy.”​—Isaia 55:11

Fanontaniana: Fa maninona i Jesosy no nisy nitady hamono? Ahoana no niarovan’i Jehovah azy?

Matio 2:1-23; Mika 5:2

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara