LESONA 72
Jesosy Tamin’izy Ankizilahikely
Nipetraka tany Nazareta i Josefa sy Maria ary Jesosy sy ireo zandriny lahy sy zandriny vavy. Mpandrafitra i Josefa, ary izany no namelomany ny fianakaviany. Nampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy ny Lalàny koa izy. Nandeha nivavaka tany amin’ny synagoga foana izy mianakavy, ary nankany Jerosalema isan-taona mba hankalaza ny Paska.
Nankany Jerosalema hoatran’ny efa fanaon-dry zareo ny fianakavian’i Jesosy, tamin’izy 12 taona. Feno olona tonga hankalaza ny Paska ilay tanàna tamin’izay. Rehefa vita ilay fety, dia nody ry Josefa sy Maria. Nieritreritra ry zareo hoe tafaraka tamin’ireo olona niara-dalana taminy i Jesosy. Tsy hita anefa izy rehefa notadiavina tany amin’ny havany.
Niverina tany Jerosalema àry ry zareo, dia nitady azy nandritra ny telo andro. Nankany amin’ny tempoly ry zareo tamin’ny farany. Dia io fa tao i Jesosy! Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra izy, sady nihaino tsara no nanontany. Gaga be ireo mpampianatra ireo ka nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy. Variana ry zareo tamin’ny valin-teniny satria hitany hoe tena nahay ny Lalàn’i Jehovah izy.
I Josefa sy Maria anefa efa nitebiteby nitady azy. Dia hoy i Maria: ‘Izahay izao efa nitady anao hatraiza hatraiza, anaka! Fa taiza ianao?’ Hoy i Jesosy: ‘Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ato an-tranon’ny Raiko aho?’
Nandeha nody tany Nazareta niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Jesosy avy eo. Nampianarin’i Josefa nandrafitra izy tany. Mba hoatran’ny ahoana àry i Jesosy tamin’izy tanora? Rehefa nihalehibe izy, dia nihahendry sady vao mainka tian’Andriamanitra sy ny olona.
“Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ao anatiko lalina ao ny lalànao.”—Salamo 40:8