LESONA 87
Ny Sakafo Harivan’ny Tompo
Nankalaza ny Paska ny Jiosy isan-taona, isaky ny 14 Nisana. Amin’izay mantsy tadidin-dry zareo hoe nafahan’i Jehovah tsy ho andevo tany Ejipta ry zareo, ary nentiny tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nankalaza ny Paska tao amin’ny efitra iray ambony rihana tany Jerosalema i Jesosy sy ny apostoly, tamin’ny taona 33. Rehefa ho lany ny sakafo, dia hoy i Jesosy: ‘Hamadika an’ahy ny iray aminareo.’ Taitra be ny apostoly ka nanontany hoe: ‘Iza kay izany?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izay omeko an’ity mofo ity.’ Dia nomeny kely tamin’ilay mofo i Jodasy Iskariota. Tonga dia nitsangana izy, dia lasa nandeha.
Nivavaka i Jesosy avy eo, dia nandray mofo ary nozarazarainy tamin’ireo apostoly mbola teo ilay izy. Dia hoy izy: ‘Hano ity mofo ity. Eritrereto hoe ity ny vatako, ilay homeko ho anareo.’ Nivavaka indray izy, dia nomeny divay ny apostoly. Dia hoy izy: ‘Sotroy ity divay ity. Eritrereto hoe ity ny rako izay homeko, amin’izay ho voavela ny fahotan’ny olona. Mampanantena anareo aho hoe ho lasa mpanjaka hiaraka amiko any an-danitra ianareo. Ataovy foana izao isan-taona mba hahatsiarovana ahy.’ Mbola manao an’izany izao ny mpanara-dia an’i Jesosy isan-taona. Miara-mivory ry zareo isaky ny tonga io fotoana io, ary antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo ilay izy.
Rehefa avy nisakafo ry zareo, dia nifamaly ny apostoly hoe iza amin-dry zareo no ambony indrindra. Hoy anefa i Jesosy: ‘Izay mieritreritra ny tenany ho ambany indrindra, dia izy no ambony indrindra.
‘Namako ianareo, dia teneniko anareo daholo izay asain’ny Raiko tenenina aminareo. Kely sisa dia hiverina any amin’ny Raiko any an-danitra aho, fa ianareo mbola hijanona eto. Ho fantatry ny olona hoe mpianatro ianareo raha mifankatia. Tokony hifankatia ianareo hoatran’ny itiavako anareo.’
Nivavaka i Jesosy avy eo. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hiaro ny mpianany rehetra sy hanampy an-dry zareo hahay hiara-miasa. Nivavaka koa izy mba hohamasinina ny anaran’i Jehovah. Nihira fiderana ho an’i Jehovah avy eo i Jesosy sy ny apostoliny, ary lasa nandeha. Efa kely sisa dia hisy hisambotra i Jesosy.
“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana.”—Lioka 12:32