LESONA 88
Nosamborina i Jesosy
Ireny fa nandalo teo amin’ny Lohasahan’i Kidrona i Jesosy sy ny apostoly, dia nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva. Efa taorian’ny misasakalina tamin’izay, ary fenomanana ny volana. Rehefa tonga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane ry zareo, dia hoy i Jesosy: ‘Mijanòna eto dia aza matory.’ Dia niala kely an-dry zareo i Jesosy ary nandohalika. Nitebiteby be izy tamin’izay, dia nivavaka tamin’i Jehovah hoe: ‘Aleo ny sitraponao foana no atao.’ Dia nandefa anjely i Jehovah mba hampahery azy. Rehefa niverina nankeny amin’ny apostoly i Jesosy, dia ireo fa natory ry zareo. Hoy izy: ‘Mifohaza! Tsy fotoana tokony hatoriana ange izao e! Efa ho avy izay ilay hamadika ahy, dia hosamborin’ny fahavalo aho.’
Tonga i Jodasy avy eo, niaraka tamin’ny vahoaka nitondra sabatra sy kibay. Fantatr’i Jodasy hoe ao amin’io zaridaina io no hahitana an’i Jesosy, satria efa mpankao ry zareo. Efa niteny tamin’ny miaramila izy hoe hatorony an-dry zareo i Jesosy. Tonga dia nankeny amin’i Jesosy àry izy sady niteny hoe: ‘Manahoana Mpampianatra ô!’ Nanoroka an’i Jesosy izy avy eo. Dia hoy i Jesosy: ‘Oroka ve no hamadihanao an’ahy, ry Jodasy?’
Nanatona an’ilay vahoaka i Jesosy dia nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?” Dia hoy ry zareo: “I Jesosy avy any Nazareta.” Hoy i Jesosy: ‘Izaho izany.’ Dia nihemotra ry zareo ka nianjera tamin’ny tany. Hoy ihany i Jesosy: “Fa iza ho’aho no tadiavinareo?” Dia namaly indray ry zareo hoe: “I Jesosy avy any Nazareta.” Hoy i Jesosy: ‘Efa hoe izaho izany, fa avelao handeha ireto.’
Tonga saina i Petera hoe hay hisambotra an’i Jesosy ry zareo. Namoaka sabatra àry izy dia nasiany tamin’iny i Malko, mpiasan’ny mpisoronabe, dia niala ny sofiny. Nokasihin’i Jesosy anefa ny sofiny dia sitrana. Dia hoy i Jesosy tamin’i Petera: ‘Ampirimo iny sabatrao iny, fa raha mampiasa sabatra ianao dia ho fatin’ny sabatra.’ Nosamborin’ny miaramila i Jesosy taorian’izay, dia nofatoran-dry zareo ny tanany. Ny apostoly kosa lasa nitsoaka. Dia nentin’ny vahoaka tany amin’i Anasy, lehiben’ny mpisorona, i Jesosy. Nanontanintaniany teo izy, dia avy eo nalefany tany amin’i Kaiafa Mpisoronabe. Ary mba nanao ahoana ny apostoly?
“Eo amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa manàna herim-po! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:33