FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 89 p. 208-p. 209 feh. 1
  • Nanda An’i Jesosy i Petera

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanda An’i Jesosy i Petera
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Mpisoronabe Nanameloka An’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Nanda An’i Jesosy i Petera
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Kaiafa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 89 p. 208-p. 209 feh. 1
Petera, ao an-tokotanin’i Kaiafa, milaza hoe tsy mahafantatra an’ i Jesosy

LESONA 89

Nanda An’i Jesosy i Petera

Hoy i Jesosy tamin’ny apostoly, tamin-dry zareo mbola tao amin’ilay efitra ambony rihana: ‘Hilaozanareo rehetra izao ’zaho androany alina.’ Dia hoy i Petera: ‘Izaho tsy hanao an’izany mihitsy. Na handositra daholo aza ireo, dia izaho hiaraka aminao foana.’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Ianao aza izao intelo no hiteny hoe tsy mahafantatra an’ahy, raha mbola tsy maneno akory ny akoho.’

Nandositra tokoa ny ankamaroan’ny apostoly, rehefa nentin’ny miaramila tany amin’i Kaiafa i Jesosy. Nisy apostoly anankiroa anefa nanaraka an’ilay vahoaka teny. I Petera ny iray. Niditra tao an-tokotanin’i Kaiafa izy, dia nitanina afo teo. Rehefa notarafin’ny hazavana avy tamin’ilay afo ny tarehin’i Petera, dia nisy vehivavy mpiasa tao nilaza hoe: ‘Fantatro ianao! Naman’i Jesosy koa ianao!’

Hoy i Petera: ‘Fa inona izany resahinao izany e? Tsy marina izany!’ Dia lasa izy nankeny amin’ny vavahady. Nisy vehivavy mpiasa hafa nahita azy indray anefa afaka kelikely, dia niteny hoe: ‘Niaraka tamin’i Jesosy mihitsy io!’ Dia hoy i Petera: ‘Tsy haiko akory aza hoe iza izany!’ Dia nisy lehilahy niteny koa hoe: ‘Hita fa na ny fiteninao aza fantatra be hoe avy any Galilia, hoatran’ny fitenin’i Jesosy. Tena naman-dry zareo ianao!’ Hoy anefa i Petera: ‘Tena mba marina raha fantatro izany e!’

Nisy akoho naneno tamin’izay. Hitan’i Petera i Jesosy nitodika tany aminy, dia tadidiny ilay tenin’i Jesosy. Nivoaka tany ivelany àry izy, dia nitomany be.

Ny Fitsarana Avo Jiosy tamin’izay efa nivory tao an-tranon’i Kaiafa mba hitsara an’i Jesosy. Efa hoe hamono an’i Jesosy ry zareo, fa nitady antony hahafahana manao an’izany fotsiny sisa. Tsy nahita mihitsy anefa ry zareo. Farany dia hoy i Kaiafa tamin’i Jesosy: ‘Zanak’Andriamanitra ve ianao?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ie.’ Dia hoy i Kaiafa: ‘Inona intsony ny porofo tadiavintsika, fa izy aza izany miteny ratsy an’Andriamanitra?’ Namoaka didy àry ny fitsarana hoe hovonoina izy. Nofelahan-dry zareo izy dia nororany. Notampenan-dry zareo koa ny masony, dia nasiany totohondry izy sady noteneniny hoe: ‘Mpaminany moa ianao e? Iza àry no namely anao teo?’

Nentin-dry zareo tany amin’ny trano nisy ny Fitsarana Avo Jiosy i Jesosy rehefa maraina ny andro, dia nanontaniany indray hoe: ‘Zanak’Andriamanitra ve ianao?’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ianareo aza izany miteny hoe Zanany aho.’ Nolazain-dry zareo fa niteny ratsy an’Andriamanitra izy, ka nentiny tany amin’ny lapan’i Pontio Pilato, governora romanina. Dia inona no nitranga?

“Ho tonga ny fotoana handosiranareo tsirairay any amin’izay halehanareo, dia havelanareo ho irery aho. Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko.”​—Jaona 16:32

Fanontaniana: Inona no nitranga teo an-tokotanin’i Kaiafa? Inona no antony nanamelohan’ny fitsarana an’i Jesosy ho faty?

Matio 26:31-35, 57–27:2; Marka 14:27-31, 53–15:1; Lioka 22:55-71; Jaona 13:36-38; 18:15-18, 25-28

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara