Fampidirana ny Fizarana 1
Vao manomboka ny Baiboly, dia miresaka momba ny famoronana. Lasa azontsika tsara àry hoe tsara tarehy be ny zavatra nataon’i Jehovah, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany. Raha manan-janaka ianao, dia ampianaro azy hoe isan-karazany ny zavatra noforonin’i Jehovah, sady tsara be daholo. Tsy nataony mitovy amin’ny biby ny olombelona fa nataony mahay miteny, mieritreritra, mamorona zavatra, mihira, ary mivavaka. Ampio ny zanakao mba hahazo tsara hoe mahery sy manam-pahendrena i Jehovah ary tiany daholo ny zavatra noforoniny, anisan’izany isika tsirairay.