FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • rr p. 212
  • Ny Fizarana An’ilay Tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fizarana An’ilay Tany
  • Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Toerana sy andraikitra sarobidy ho an’ny rehetra
  • Anjara mitovy
  • ‘Zarao ho Lovanareo Ilay Tany’
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • “Aoka ny Fonao Handinika” ny Tempolin’Andriamanitra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Izao no ho Anaran’ilay Tanàna: ... I Jehovah no Ao”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Faritanin’ireo Fokon’ny Israely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
rr p. 212
Lehilahy mamirapiratra hoatran’ny varahina, mampiseho an’i Ezekiela an’ilay tany ho lovan’ny Israelita.

EFAJORO 20A

Ny Fizarana An’ilay Tany

Nolazain’i Jehovah mazava tsara hoe aiza sy aiza ny sisin’ilay tany hozaraina. Nanome toky ny Jiosy natao sesitany izany hoe tena haverina amin’ny laoniny ilay tany tsy foin-dry zareo. Inona no ianarantsika avy amin’io fahitana io? Diniho ireto zavatra roa mampiavaka an’ilay fahitana ireto:

Sarintany mampiseho ny sisin’ilay tany hozaraina amin’ireo Jiosy hiverina avy any an-sesitany, araka ny nolazain’i Ezekiela. Mitovy ny ampahana tany ho azon’ny foko tsirairay. Ny an’ny fokon’i Dana no manomboka azy any avaratra, dia avy eo ny an’i Asera, Naftaly, Manase, Efraima, Robena, Joda, Ilay Fanomezana (ampahana tany natokana ho an’ny fitondrana), Benjamina, Simeona, Isakara, Zebolona, ary ny an’ny fokon’i Gada no any amin’ny farany atsimo.

Toerana sy andraikitra sarobidy ho an’ny rehetra

Samy hahazo anjara tany ao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny ny Jiosy tsirairay rehefa tafody any an-tanindrazany. Hoatr’izany koa fa misy toerana ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra ao amin’ilay paradisa ara-panahy. Na hoatran’ny hoe tsy dia misongadina be aza ianao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia matokia fa misy toerana ho anao ao amin’ilay paradisa ara-panahy ary manana andraikitra sarobidy ianao ao. Samy sarobidy amin’i Jehovah daholo ny mpanompony.

Anjara mitovy

Asehon’ilay fahitan’i Ezekiela fa samy ho afaka hankafy ny vokatra tsara ao amin’ilay Tany Nampanantenaina naverina tamin’ny laoniny ny olona tsirairay, na aiza na aiza faritra hisy azy. Hoatr’izany koa fa samy afaka mahazo ny fitahian’i Jehovah daholo ny mpanompony ao amin’ilay paradisa ara-panahy.

Hiverina any amin’ny toko 20, fehintsoratra 5-11

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara