FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 3
  • Miezaha ho Tsara Fanahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha ho Tsara Fanahy
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Zavatra Mahaliana Resahina
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Avelao Handrisika Anao “ny Lalàn’ny Hatsaram-panahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Miezaha ho Tsara Fanahy eo Anivon’ny Tontolo Masiaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Manaova izay sitrak’i Jehovah amin’ny fanehoana hatsaram-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 3

MIRESADRESAHA ALOHA

Manatona lehilahy jamba iray i Jesosy ary te hanasitrana azy.

Jaona 9:1-7

LESONA 3

Miezaha ho Tsara Fanahy

Torolalana: “Ny fitiavana ... tsara fanahy.”​—1 Kor. 13:4.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Manatona lehilahy jamba iray i Jesosy ary te hanasitrana azy.

VIDEO: Manasitrana Lehilahy Jamba Iray i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 9:1-7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Tonga dia nitory tamin’ilay lehilahy jamba ve i Jesosy sa nanasitrana azy aloha?​—Jereo ny Jaona 9:35-38.

  2. Nahoana no nanampy an’ilay lehilahy hanaiky ny vaovao tsara ny zavatra nataon’i Jesosy taminy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Ho vonona hihaino ny hafatra entintsika ilay olona raha tsapany hoe miahy azy isika.

Tahafo i Jesosy

3. Miezaha hipetraka eo amin’ny toerany, dia alaivo sary an-tsaina hoe ahoana no mety ho tsapany.

  1. Saintsaino izao: ‘Inona no mety hampiady saina azy? Inona no mety ho tiany hataoko mba hanampiana azy?’ Lasa mandeha ho azy ilay hoe tsara fanahy raha manao an’izany ianao.

  2. Henoy izy mba hampisehoana hoe tsy manamaivana an’izay zava-dehibe aminy ianao. Raha mamboraka ny ao am-pony izy na milaza aminao ny olana atrehiny, dia aza ovana ny resaka.

4. Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja rehefa miteny. Ho hita amin’ny fomba firesakao hoe mangoraka an’ilay olona sy tena te hanampy azy ianao. Fidio tsara ny teny holazainao sao dia manafintohina ary tandremo ny toe-peonao.

5. Ampio izy. Jereo sao dia misy azonao anampiana azy. Ho mora kokoa amin’ilay olona ny hiresaka raha tsara fanahy aminy ianao.

JEREO KOA IRETO

Rom. 12:15, 16; Gal. 6:10; Heb. 13:16

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara