FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 11
  • Ataovy Mora Azo ny Fampianaranao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Mora Azo ny Fampianaranao
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Tandremo Tsara ny ‘Fahaizanao Mampianatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Tohino ny Fon’ny Olona Miara-Mianatra Baiboly Aminao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 11

REHEFA MAMPIANATRA

Mampianatra olona maromaro i Jesosy. Misy rano, vorona manidina ary voninkazo maniry eo akaiky eo.

Mat. 6:25-27

LESONA 11

Ataovy Mora Azo ny Fampianaranao

Torolalana: “Raha tsy mora azo ny teny lazainareo, dia ahoana no hahafantaran’ny olona an’izay lazainareo?”​—1 Kor. 14:9.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Mampianatra olona maromaro i Jesosy. Misy rano, vorona manidina ary voninkazo maniry eo akaiky eo.

VIDEO: Fanoharan’i Jesosy Mampiseho hoe Mikarakara Antsika Ilay Raintsika

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Matio 6:25-27. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy hoe mikarakara antsika i Jehovah?

  2. Na dia nahafantatra zavatra be dia be momba ny vorona aza i Jesosy, dia nataony tsotra ny fampianarany. Inona ny tsipiriany tena nifantohany? Nahoana izany no nandaitra?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Ho mora tadidin’ny olona sy hanohina ny fony ny fampianarantsika raha tsotra.

Tahafo i Jesosy

3. Aza be resaka. Mifantoha amin’ny hevitra ao amin’ny fitaovana fampianarana ampiasainareo fa aza resahina aminy daholo izay rehetra fantatrao momba an’ilay foto-kevitra. Isaky ny avy mametraka fanontaniana ianao dia omeo fotoana kely izy mba hieritreretana ny valiny. Raha diso ny valin-teniny na tsy fantany izay havaly, dia mametraha fanontaniana fanampiny mba hampisaintsainana azy. Mifindrà amin’ny hevitra manaraka raha vao azony ny hevi-dehibe.

4. Ampio izy hahita ny ifandraisan’ny zava-baovao ianarany amin’izay efa fantany. Manaova, ohatra, famerenana fohy momba ny hoe manao ahoana ny maty alohan’ny handinihanareo ny lesona momba ny fitsanganana amin’ny maty.

5. Fidio tsara ny fanoharana ampiasainao. Eritrereto izao alohan’ny hampiasanao fanoharana:

  1. a. ‘Tsotra ve ilay fanoharana?’

  2. b. ‘Ho mora azon’ny mpianatro ve ilay izy?’

  3. d. ‘Hanampy azy hitadidy ny hevi-dehibe ve ilay izy, sa ilay fanoharana fotsiny no ho tadidiny?’

JEREO KOA IRETO

Mat. 11:25; Jaona 16:12; 1 Kor. 2:1

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara