FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Abisaga”
  • Abisaga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Abisaga
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Adonia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpanjaka Voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Solomona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vadikely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Abisaga”

ABISAGA

(Abisàga).

Tovovavy virjiny avy any Sonema, tanàna tany avaratr’i Jezirela sy ny Tendrombohitra Gilboa, tany amin’ny faritanin’i Isakara. (Js 19:17-23) “Faran’izay tsara tarehy razazavavy”, ka nofidin’ny mpanompon’i Davida mba hikarakara ny mpanjaka sy ho namany nandritra ny andro farany niainany.​—1Mp 1:1-4.

Osa be i Davida tamin’izy 70 taona teo ho eo (2Sa 5:4, 5) ka tsy nety nafana ny vatany. Nikarakara azy i Abisaga tamin’ny antoandro, ka azo inoana fa nampihiratra ny androny ny fisian’io tanora tsara tarehy sy navitribitrika io teo akaikiny. Rehefa alina kosa, dia ‘natory teo an-tratran’ny mpanjaka’ i Abisaga. “Tsy nanao firaisana taminy anefa ny mpanjaka.” Noheverina ho toy ny vadin’i Davida, na vadikeliny anefa i Abisaga, ary manaporofo izany ny tenin’i Solomona momba azy, tatỳ aoriana. Araka ny fanaon’ny Tatsinanana fahiny, dia tokony ho lasa fananan’izay handova ny fanjakana i Abisaga rehefa maty i Davida.

Vao vita iny fitantarana momba an’i Abisaga iny dia voaresaka ilay saika nandrombahan’i Adonia ny seza fiandrianana (i Adonia angamba no zokiny indrindra tamin’ireo zanakalahin’i Davida, mbola velona tamin’izay). Toa fanahy iniana nalahatra toy izany ny fitantarana mba hampahazava tsara ilay zavatra nataon’i Adonia rehefa nanjaka i Solomona. Rehefa lasa mpanjaka tokoa i Solomona, dia navelany ny helok’i Adonia, saingy nasiany fepetra. Taorian’izay, dia nasain’i Adonia nangataka an’i Abisaga ho vadiny tany amin’i Solomona i Batseba renin’i Solomona. Takatr’i Solomona fa tsy noho i Abisaga tsara tarehy no nahatonga an’i Adonia hangataka azy, fa tiany hohamafisina kosa hoe izy no tokony ho mpanjaka. Tezitra mafy àry i Solomona, ka nofoanany ilay famelan-keloka, ary nasainy novonoina i Adonia. (1Mp 2:13-25) Tsy misy firesahana an’i Abisaga intsony taorian’izay. Azo inoana anefa fa mbola anisan’ireo vady na vadikelin’i Solomona izy.​—Jereo ADONIA No. 1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara