FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ahaba”
  • Ahaba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahaba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Niaritra Izy na teo aza ny Tsy Rariny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Jezebela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Samaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nabota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ahaba”

AHABA

(Ahàba) [Rahalahin-dray].

1. Zanakalahin’i Omry ary mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Nanjaka tany Samaria nandritra ny 22 taona i Ahaba, nanomboka tamin’ny 940 T.K. tany ho any.​—1Mp 16:28, 29.

Tsy nofoanany ny fivavahan-diso. I Ahaba no anisan’ny nalaza ratsy indrindra tamin’ireo olona niala tamin’ny fivavahana marina. Efa voazimbazimba ny fivavahana tamin’i Jehovah tamin’izay, noho ilay fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena natombok’i Jeroboama. Tsy nofoanan’i Ahaba izany. Navelany hiroborobo be teo amin’ny Israely koa ny fivavahana tamin’i Bala, noho izy naka vady an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibala mpanjakan’i Sidona. Nanonona ny tenin’i Ménandre, mpahay tantara, i Josèphe ao amin’ny bokiny (Diso Hevitra i Apion, I, 123 [18]), ary nantsoiny hoe Itobala i Etibala. Resahiny ao fa mpisoron’i Astarta i Itobala, ary novonoin’i Itobala ny mpanjaka mba hakany ny toerany.

Nanambady an’i Jezebela mpanompo sampy i Ahaba ka nanaiky hotaominy hanompo an’i Bala sy hanorina tempoly ho azy, ary hanao tsato-kazo masina hanomezam-boninahitra an’i Aseraha. (1Mp 16:30-33) Vetivety dia lasa 450 ny mpaminanin’i Bala ary 400 ny mpaminanin’ny tsato-kazo masina. Samy nihinana teo an-databatr’i Jezebela tao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo. (1Mp 18:19) Novonoina tamin’ny sabatra ny mpaminanin’i Jehovah, ka saika ringana izy ireo raha tsy teo ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Obadia, mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Ahaba. Nafeniny tao anaty lava-bato ny mpaminanin’i Jehovah 100 lahy, ary nitondrany mofo sy rano mba tsy ho faty.​—1Mp 18:3, 4, 13; 19:10.

Nilaza tamin’i Ahaba i Elia fa hisy hain-tany mafy, noho i Ahaba nanompo an’i Bala. (1Mp 17:1; 18:1) Naharitra telo taona sy tapany izany, araka ny Lioka 4:25 sy ny Jakoba 5:17, ary tsy nilatsaka ny orana raha tsy noho ny baiko avy tamin’i Elia. Notadiavin’i Ahaba tany amin’ireo firenena sy fanjakana rehetra nanodidina i Elia, nefa tsy hitany mihitsy raha tsy efa tonga ny fotoana voatondro. (1Mp 17:8, 9; 18:2, 10) I Elia no nomen’i Ahaba tsiny hoe tompon’andraikitra tamin’ilay hain-tany sy mosary. Nanda i Elia ka nanazava hoe noho i Ahaba nitarika ny olona hivavaka tamin’i Bala no tena nahatonga izany. Nisy fitsapana natao teo amin’ny Tendrombohitra Karmela ka voaporofo hoe tsinontsinona i Bala fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Nasain’i Elia novonoina àry ireo mpaminanin’i Bala, ary tsy ela taorian’izay dia nisy oram-be nivatravatra namarana an’ilay hain-tany. (1Mp 18:17-46) Niverina tany Jezirela i Ahaba, ary notantarainy tamin’ny vadiny izay nataon’i Elia tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala. Nilaza i Jezebela fa hovonoiny tsy hananany antra i Elia. Nandositra tany amin’ny Tendrombohitra Horeba àry izy.​—1Mp 19:1-8.

Asa fanorenana tao an-drenivohitra sy fandresena an’i Syria. Nanorina zavatra maro i Ahaba Mpanjaka. Azo inoana fa izy no namita ireo manda lehibe nanodidina an’i Samaria. Hitan’ny mpikaroka fa manda telo lehibe mafy tena tsara voatra izany. Hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany koa ny toerana avoavo marin-tampona nisy ny lapa. Mahitsizoro ilay izy ary nirefy 90 m x 180 m teo ho eo. Voakaly tsara ireo vato narafitra nananganana ny fefin’ilay izy. Nahitana takelaka maro vita tamin’ny ivoara teo amin’ilay toerana. Nandravahana fanaka sy rindrina izy ireny, angamba tao amin’ilay “trano ivoara” natsangan’i Ahaba, resahin’ny 1 Mpanjaka 22:39.​—SARY, Boky 1, p. 948; ampit. Am 3:15; 6:4.

Tsy ela tatỳ aoriana, dia nanao fahirano an’i Samaria ilay mpanjakan’i Syria atao hoe Beni-hadada II sy ny mpanjaka 32 notarihiny. Marina fa nanan-karena sy tsara toerana i Samaria, nefa hanampy azy ho tafavoaka tamin’ilay fahirano ve izany? Nanaiky fotsiny i Ahaba tamin’ny voalohany, rehefa nisy zavatra nangatahin’ilay mpanjakan’i Syria. Tsy nanaiky intsony anefa izy taorian’izay, satria toy ny hoe te handroba ny lapany mihitsy i Beni-hadada. Nisy raharaham-pihavanana natao saingy tsy nahomby. Nasain’Andriamanitra nanafika tampoka an’ireo Syrianina i Ahaba, ka ripaka mora foana izy ireo. Afa-nandositra kosa i Beni-hadada.​—1Mp 20:1-21.

Nino i Beni-hadada fa “Andriamanitry ny tendrombohitra” fotsiny i Jehovah. Niverina niaraka tamin’ny miaramila nitovy isa tamin’ny teo aloha àry izy ny taona nanaraka, mba hiady tamin’ny Israely teo amin’ny lembalemba iray akaikin’i Afeka, tao amin’ny faritanin’i Manase. Tsy nandroso tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Samaria anefa izy. (Jereo AFEKA No. 6.) Nivoaka hifanandrina tamin’izy ireo ny miaramila israelita. Toy ny “osy vitsy kely roa toko” anefa izy ireo, raha nampitahaina tamin’ny toby miaramila syrianina izay tena lehibe. Nanome toky an’i Ahaba i Jehovah fa Andriamanitra mahery izy na eny an-tendrombohitra na eny amin’ny lemaka iva. Nampahery azy izany ka resiny tanteraka ny Syrianina. (1Mp 20:26-30) Tsy novonoin’i Ahaba anefa i Beni-hadada, toy ny tsy namonoan’i Saoly Mpanjaka an’i Agaga, mpanjakan’ny Amalekita. Nanao fifanekena i Ahaba sy Beni-hadada hoe haverin’i Beni-hadada amin’ny Israely ireo tanàna nobaboin’ny Syrianina, ary homena arabe ao Damaskosy i Ahaba. Azo inoana fa mba hanorenan’i Ahaba tsena teny amin’ireny arabe ireny no anton’izany, ka hampandrosoana ny varotra nataony tao amin’io renivohitra syrianina io. (1Mp 20:31-34) Nanameloka an’i Ahaba i Jehovah noho izany, toy ny nanamelohany an’i Saoly. Hisy loza àry hanjo an’i Ahaba sy ny vahoakany.​—1Mp 20:35-43.

Ny namonoana an’i Nabota sy ny vokatr’izany. Tsy nisy ady nandritra ny telo taona nanaraka. Tamin’izay i Ahaba no nitsiriritra ny tanimboalobok’i Nabota avy any Jezirela. Tena tiany ilay izy satria teo akaikin’ny lapany. Tsy nanaiky anefa i Nabota satria milaza ny lalàn’Andriamanitra fa tsy azo amidy ny lova. Sosotra àry i Ahaba ka nidongy. Niditra tao an-tranony izy, nandry teo am-pandrianany ary nitodika tany amin’ny rindrina, sady tsy nety nihinan-kanina. Rehefa fantatr’i Jezebela mpanompo sampy ny anton’izany, dia nanao tetika hamonoana an’i Nabota izy. Nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahaba izy, ka mody nataony hoe nanevateva an’Andriamanitra i Nabota, mba hampiakarana fitsarana azy. Nihaona tamin’i Elia i Ahaba, rehefa handeha haka an’ilay tany notsiriritiny. Tsy niolakolaka i Elia nilaza taminy fa mpamono olona izy sady tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao ratsy, noho ny fampirisihana tsy an-kijanona nataon’ilay vadiny mpanompo sampy. Holelafin’ny alika ny ran’i Ahaba, toy ny nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota, ary hohanin’ny alika sy ny voro-manidina i Jezebela sy ny taranak’i Ahaba. Tonga saina i Ahaba rehefa nandre an’izany. Nalahelo mafy izy ka sady nifady hanina no nitafy gony. Tsy nahatombin-tsiraka izy satria kivy. Nahazo famindram-po àry izy ka tsy nataon’Andriamanitra tonga tamin’ny androny ny loza.​—1Mp 21:1-29.

Nihatsara ny fifandraisan’i Ahaba tamin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo, rehefa nanambady an’i Jorama, zanakalahin’i Josafata Mpanjaka, i Atalia, zanakavavin’i Ahaba. (1Mp 22:44; 2Mp 8:18, 26; 2Ta 18:1) Namangy an’i Ahaba tany Samaria i Josafata, indray mandeha. Nandresy lahatra azy i Ahaba mba hiaraka aminy haka an’i Ramota-gileada teo an-tanan’ny Syrianina. Hita mantsy fa tsy tena notanterahin’ny Syrianina ilay fifanekena efa nataon’i Beni-hadada hoe hamerina ny tanàna nobaboiny. Nanome toky an’i Ahaba sy Josafata ireo mpaminany sandoka maro be nasaina ho tonga teo fa hahomby izy roa lahy. Tsy nanaiky anefa i Josafata raha tsy nantsoina koa i Mikaia, ilay mpaminany halan’i Ahaba. Naminany loza i Mikaia. Nasain’i Ahaba nosamborina i Mikaia, ary nikiry nanafika ihany izy. Marina fa mailo izy ka mody nanao olon-kafa, nefa nisy olona nandefalefa zana-tsipìka fahatany ka nahavoa azy ary maty izy avy eo. Nalevina tany Samaria izy. “Nolelafin’ny alika ny ran’i Ahaba”, rehefa “nosasana teo akaikin’ny dobon’i Samaria ilay kalesin’ady.” Hita tamin’ny fikarohana tany ambanin’ny tany fa nisy dobo lehibe nolavahana teo amin’ny zorony avaratrandrefana tamin’ny tokotany lehiben’ilay lapa tany Samaria, ary teo angamba no tanteraka io faminaniana io.​—1Mp 22:1-38.

Asa soratra moabita sy asyrianina. Voalaza fa tamin’ny andro nanjakan’i Ahaba no nanorenana indray an’i Jeriko, angamba mba hahafahan’ny Israely hifehy bebe kokoa an’i Moaba. (1Mp 16:34; ampit. 2Ta 28:15.) Nosoratan’i Mesa Mpanjaka teo amin’ny Vato Moabita fa i Omry Mpanjaka sy ny zanany lahy no nifehy an’i Moaba tamin’izany.

Misy asa soratra asyrianina maro mitantara ny ady tany Karkar teo amin’i Salmanesera III sy ny mpanjaka 12 niray dina. Voasoratra tao ny anarana hoe A-ha-ab-bo, izay anisan’ireo mpanjaka niray dina. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i Ahaba mpanjakan’ny Israely io. Misy porofo koa anefa mampiseho fa mampisalasala izany. Jereo ilay lahatsoratra hoe SALMANESERA No. 1, mba hahitana ireo porofo ireo.

2. Mpaminany sandoka teo amin’ireo olona natao sesitany tany Babylona. Zanak’i Kolaia i Ahaba. Naloto fitondran-tena sy naminany lainga izy. Nilaza mialoha i Jeremia fa hodoran’i Nebokadnezara ao anaty afo izy sy ilay namany.​—Je 29:21-23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara