FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ahava”
  • Ahava

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahava
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Godorao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Eofrata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ahava”

AHAVA

(Ahàva).

Anarana renirano na lakandrano sy anarana toerana iray teo akaikiny tany Babylonia, tany avaratrandrefan’i Babylona. Teo i Ezra no namory Jiosy sasany, ary teo izy ireo no nifady hanina talohan’ny nandehanany tany Jerosalema. (Ezr 8:15, 21, 31) Niainga avy tany Babylona izy ireo, ary nandeha valo na sivy andro teo ho eo vao tonga tao Ahava. (Ampit. Ezr 7:9; 8:15, 31.) Nilaza i Hérodote (I, 179) fa nisy renirano kely nantsoina hoe Is nivarina tao Eofrata, ary valo andro teo ho eo ny faharetan’ny dia avy tany Babylona nankany amin’ny tanànan’i Is teo amoron’ilay renirano. Maro no mihevitra fa ilay tanànan’i Hit ankehitriny io Is io, ka misy milaza fa teo angamba no nisy an’i Ahava.

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1987, Boky Faha-5, p. 949) momba an’i Hit: “Tanàna kely misy manda eo amoron’ny Reniranon’i Eofrata i Hit, ary eo ambony dongon-tany roa izay nisy tanàna iray fahiny. Nampiasaina efa hatramin’ny 3 000 taona, fara fahakeliny, ireo lavaka fitrandrahana godorao eny amin’ny manodidina. Efa nampiasaina tamin’ny fanorenana an’i Babylona koa izy ireny.” Mety ho nampiasaina tamin’ny fanorenana ny Tilikambon’i Babela resahin’ny Baiboly koa izy ireny, satria godorao no natao solon-drihitra tamin’izany.​—Ge 11:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara