AHILODA (Ahilòda). Rain’ilay Josafata mpanoratra ny raharaham-panjakana tamin’ny andron’i Davida. (2Sa 8:16; 1Ta 18:15) Azo inoana fa izy koa no rain’ilay Bana lehibem-paritra mpamatsy sakafo tamin’ny andron’i Solomona.—1Mp 4:7, 12.