AHIMELEKA
(Ahimelèka).
1. Zanakalahin’i Ahitoba sady zafiafin’i Ely. Mpisoronabe tao amin’ny tranolay masina tao Noba izy. Nanampy an’i Davida izy satria tsy fantany hoe nandositra an’i Saoly i Davida. Novonoin’i Doega Edomita àry i Ahimeleka (sy ny mpisoron’i Jehovah niisa 84, niaraka tamin’ny lehilahy ary ny zaza amam-behivavy tao Noba). I Abiatara irery no zanak’i Ahimeleka afa-nandositra. (1Sa toko 21, 22) Nanoratra ny Salamo faha-52 i Davida tatỳ aoriana, ka nitantara ny vonoan’olona mahatsiravina nataon’i Doega. (Sl 52:t.m.) Nampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Ahimeleka sy Davida koa i Jesosy.—Mt 12:3, 4; Mr 2:25, 26; Lk 6:3, 4; jereo AHIA No. 3.
2. Zanakalahin’i Abiatara ary zafikelin’ilay Ahimeleka novonoin’i Doega.—1Ta 18:16; 24:3, 6, 31.
3. Hetita nasain’i Davida niaraka taminy hiditra an-tsokosoko tao an-tobin’i Saoly tamin’ny alina, fa tsy nety nandeha.—1Sa 26:6, 7.