FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ahitoba”
  • Ahitoba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahitoba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Amaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mpisoronabe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Meraiota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zadoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ahitoba”

AHITOBA

(Ahitòba) [Rahalahiko ny Hatsaran-toetra].

1. Taranak’i Itamara zanakalahin’i Arona. Zanakalahin’i Finehasa izy sady zafikelin’i Ely Mpisoronabe. (1Sa 14:3; 1Ta 24:3) Mety ho i Ahitoba no lasa mpisoronabe, rehefa maty tao anatin’ny indray andro ny rainy sy ny raibeny. (1Sa 4:17, 18) Zanany i Ahimeleka Mpisoronabe, ilay nasain’i Saoly novonoina.​—1Sa 22:9-20.

2. Zanakalahin’i Amaria taranak’i Eleazara zanakalahin’i Arona. (1Ta 6:3-8) Tsy voalaza hoe mpisoronabe i Ahitoba, satria ny taranak’i Itamara no mpisoronabe tamin’izany fotoana izany. Tsy mpisoronabe koa i Zadoka zanany lahy, fa mpisorona lefitra kosa tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Voatendry ho mpisoronabe hisolo an’i Abiatara anefa i Zadoka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.​—2Sa 8:17; 1Ta 18:16; 1Mp 1:8; 2:27.

3. Mpisorona iray hafa, taranak’i Ahitoba No. 2. Voasoratra ao amin’ny tetirazana fa “mpitarika tao an-tranon’Andriamanitra” izy. (1Ta 9:11; Ne 11:11) Amaria koa no anaran-drainy. Toa zanany lahy i Meraiota ary zafikeliny i Zadoka, rehefa jerena ny 1 Tantara 9:11 sy ny Nehemia 11:11.​—1Ta 6:11, 12; Ezr 7:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara