AHITOBA
(Ahitòba) [Rahalahiko ny Hatsaran-toetra].
1. Taranak’i Itamara zanakalahin’i Arona. Zanakalahin’i Finehasa izy sady zafikelin’i Ely Mpisoronabe. (1Sa 14:3; 1Ta 24:3) Mety ho i Ahitoba no lasa mpisoronabe, rehefa maty tao anatin’ny indray andro ny rainy sy ny raibeny. (1Sa 4:17, 18) Zanany i Ahimeleka Mpisoronabe, ilay nasain’i Saoly novonoina.—1Sa 22:9-20.
2. Zanakalahin’i Amaria taranak’i Eleazara zanakalahin’i Arona. (1Ta 6:3-8) Tsy voalaza hoe mpisoronabe i Ahitoba, satria ny taranak’i Itamara no mpisoronabe tamin’izany fotoana izany. Tsy mpisoronabe koa i Zadoka zanany lahy, fa mpisorona lefitra kosa tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Voatendry ho mpisoronabe hisolo an’i Abiatara anefa i Zadoka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.—2Sa 8:17; 1Ta 18:16; 1Mp 1:8; 2:27.
3. Mpisorona iray hafa, taranak’i Ahitoba No. 2. Voasoratra ao amin’ny tetirazana fa “mpitarika tao an-tranon’Andriamanitra” izy. (1Ta 9:11; Ne 11:11) Amaria koa no anaran-drainy. Toa zanany lahy i Meraiota ary zafikeliny i Zadoka, rehefa jerena ny 1 Tantara 9:11 sy ny Nehemia 11:11.—1Ta 6:11, 12; Ezr 7:2.