FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Aloesy”
  • Aloesy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aloesy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Nikodemosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zava-manitra, Zavamaniry Mani-pofona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mandraisa Fianarana avy Amin’i Nikodemosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Aloesy”

ALOESY

(aloèsy) [heb.: ʼahalim (mr.) sy ʼahalôht (mr.); gr.: alôe].

Anaran’ny karazan-kazo misy zava-manitra natao ranomanitra fahiny. (Sl 45:8; Oh 7:17; To 4:14) Ny Aquilaria agallocha, antsoina indraindray hoe “hazom-boromahery” hita any Inde sy ny faritra manodidina azy, ilay aloesy resahin’ny Baiboly, hoy ny ankamaroan’ny mpivaofy teny. Hazo lehibe misandrahaka ilay izy, ary mety hahatratra 30 m ny haavony. Misy ditiny sy menaka manitra fanaovana ranomanitra lafo vidy ny atin’ny vatany sy sampany. Toa rehefa lo ilay hazo vao tena manitra, ka alevina ao anaty tany indraindray mba ho lo haingana. Antsoina hoe “aloesy” koa ilay izy rehefa atao vovony, ary amidy.

Toy ny ‘hazo aloesy nambolen’i Jehovah, ary tahaka ny hazo sedera eo amoron-drano’ ny tranolain’ny Israelita, hoy i Balama mpaminany. Misandrahaka mantsy ny hazo aloesy, ka toy ny tranolay anaty toby ireo hazo maro mifanakaiky. (No 24:6) Misy anefa milaza fa tsy misy any Palestina ny Aquilaria agallocha. Marina izany, nefa mety ho nisy tany io hazo io efa ho 3 500 taona lasa izay. Tsy voatery ho naniry tao amin’ilay faritra naminanian’i Balama koa ilay hazo. Tsy naniry tany, ohatra, ny sedera raha sederan’i Libanona ilay “hazo sedera” eo. Tsy voatery ho naniry tany koa àry ny aloesy, fa mety ho nohafarana avy tany ivelany. Ny andininy hafa kosa milaza fotsiny hoe manitra ny aloesy.

Nitondra “miora sy hazo manitra [“aloesy”, Kat.] iray fehezana” nilanja tokony ho 100 livatra romanina (33 kg) i Nikodemosy, mba hikarakarana ny fatin’i Kristy Jesosy rehefa halevina izy io. (Jn 19:39) Azo antoka fa nandoa vola be izy, na dia tsy voalaza aza ny lanjan’ny miora tsy dia lafo vidy tamin’ilay 100 livatra. Misy mihevitra fa ilay zavamaniry antsoina hoe Aloe vera (fianakaviamben’ny lisy) ilay “aloesy” eo. Atao fanafody mampivalana sy fitsaboana anefa ny ranoka marihitra avy amin’ny ravin’ny Aloe vera, fa tsy atao zava-manitra. Azo inoana fa avy tamin’ny hazo aloesy hoatran’ilay resahin’ny Soratra Hebreo ilay aloesy nentin’i Nikodemosy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara