FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Alfa sy Omega”
  • Alfa sy Omega

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Alfa sy Omega
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Omega
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Manome Antoka i Jehovah fa Hisy ny Paradisa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Tonga Hitondra Fampaherezana i Jesosy
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Andriamanitra Telo Izay Iray
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Alfa sy Omega”

ALFA SY OMEGA

(Alfà sy Ômegà).

Litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika, ary anaram-boninahitra miverina intelo ao amin’ny Apokalypsy. Mbola miverina izy io ao amin’ny Apokalypsy 1:11, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Tsy misy azy io anefa ny Apokalypsy 1:11 ao amin’ny sora-tanana grika tranainy sasany, toy ireo Kôdeksa Alexandrinus, Sinaiticus, ary Ephraemi rescriptus. Tsy nasiana koa àry ao amin’ny Baiboly maoderina maro.

Maro ny mpivaofy teny milaza fa samy Alfa sy Omega na Andriamanitra na i Kristy. I Jehovah Andriamanitra ihany anefa ilay izy, raha dinihina tsara ireo andininy misy azy io. Resahin’ny Apokalypsy 1:1 fa Andriamanitra no nanome an’i Jesosy Kristy ny zavatra tokony haharihary amin’ny mpanompony, ary i Kristy avy eo no nampita izany. Andriamanitra àry indraindray no miteny (amin’ny alalan’ny anjely), ary indraindray i Kristy Jesosy. (Ap 22:8) Hoy ny Apokalypsy 1:8 (Prot.): “Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra [“Jehovah Andriamanitra”, TV], Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.” Marina fa i Kristy Jesosy no resahin’ny andininy faha-7, nefa miharihary fa ilay Andriamanitra “Tsitoha” na “Mahery Indrindra” no resahin’ny andininy faha-8. Hoy ny Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao (1974): “Tsy azo antoka hoe i Jesosy Tompo no tian’ny mpanoratra holazaina eo. ... Tsy diso akory isika raha mihevitra koa fa Andriamanitra no tian’ilay mpanoratra holazaina.”

Hita ao amin’ny Apokalypsy 21:6 koa ilay anaram-boninahitra. Fantatra hoe iza no miteny eo, satria hoy ny andininy manaraka: “Izay mandresy dia handova izany, ka ho Andriamaniny aho ary izy ho zanako.” Antsoin’i Jesosy hoe ‘rahalahy’ fa tsy ‘zanaka’ ireo handova ilay Fanjakana miaraka aminy. I Jehovah Andriamanitra Rain’i Jesosy àry no miteny ao amin’ny Apokalypsy 21:6.​—Mt 25:40; ampit. He 2:10-12.

Ao amin’ny Apokalypsy 22:13 no ahitana farany an’ilay anaram-boninahitra, manao hoe: “Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.” Maromaro no miteny ao amin’io Apokalypsy toko faha-22 io: Anjely no niresaka tamin’i Jaona eo amin’ny andininy faha-8 sy 9; i Jesosy no miteny eo amin’ny andininy faha-16; “ny fanahy sy ny ampakarina” kosa eo amin’ny tapany voalohany amin’ny andininy faha-17; ary i Jaona eo amin’ny tapany farany amin’ny andininy faha-20. Azo inoana àry fa ilay “Alfa sy Omega” terỳ aloha no resahin’ny andininy faha-12-15, izay tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra. Tsy voatery ho i Jesosy no nilaza hoe “Ho avy haingana aho” (and. 12), satria efa nilaza koa Andriamanitra fa “ho avy” hampihatra didim-pitsarana izy. (Ampit. Is 35:4.) Milaza koa ny Malakia 3:1-6 fa ho avy hiaraka hitsara i Jehovah sy ny “iraky ny fifanekena.”

Midika hoe “ny voalohany sy ny farany” sy hoe “ny fiandohana sy ny fiafarana”, ilay anaram-boninahitr’i Jehovah hoe “Alfa sy Omega.” Tsy nisy Andriamanitra Mahery Indrindra mantsy talohany, ary tsy hisy handimby azy. Hoporofoiny fa izy no tena Andriamanitra, ka ho voaporofo mandrakizay fa izy no hany Andriamanitra Mahery Indrindra.​—Ampit. Is 44:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara