FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Arada” No. 1 § 1-No. 2 § 3
  • Arada

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arada
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-tsarobidy Hita tao Tel Arad
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ny Vakin-tanimanga Fahiny sy ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Horma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Edera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Arada” No. 1 § 1-No. 2 § 3

ARADA

(Aràda).

1. Lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Benjamina. Nisy fotoana izy nonina tao Jerosalema.​—1Ta 8:15, 28.

2. Tanàna tany amin’ny sisin-tanin’i Kanana, teo amin’ny sisin-tany atsimo. Notafihin’ny mpanjakan’i Arada ny Israely rehefa ho tonga tany Kanana izy ireo. Noringanin’ny Israelita anefa ilay faritra ary nantsoiny hoe “Horma”, izay midika hoe “Natokana Haringana.” (No 21:1-3; 33:40) Azo inoana fa afa-nandositra ny olona sasany tao ka tsy ringana. Tsy nonina tao anefa ny Israelita. Anisan’ireo mpanjaka 31 notafihin’i Josoa ka resiny tao anatin’ny fotoana fohy ny mpanjakan’i Arada. (Js 12:14) Nonina tany an-tany efitra tany atsimon’i Arada ny Kenita tatỳ aoriana.​—Mpts 1:16.

[Sary, pejy 175]

Sisa tavela tamin’ny lapa iray tao Tel ʽArad. Miresaka momba ny “tranon’i Jehovah” ny iray tamin’ireo vakin-tanimanga hita tsy lavitra teo, izay nisy soratra hebreo

Maro no milaza fa i Tel ʽArad, anisan’ny havoana avo indrindra tany amin’ny faritr’i Negeba, ilay tanàna israelita atao hoe Arada. Any amin’ny toerana iray somary lemademaka, any amin’ny 28 km eo ho eo, any atsinanan’i Beri-sheba no misy azy io. Nahita vakin-tanimanga 200 teo ho eo tao Tel ʽArad ireo mpikaroka. Nisy soratra hebreo ny antsasany teo ho eo tamin’ireo, ary nisy soratra aramianina kosa ny ambiny. Voalaza fa tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. ny iray tamin’ireo vakin-tanimanga nisy soratra hebreo ireo. Izao no voasoratra teo amin’izy io: “Ho an’i Eliasiba tompoko: Hanome fiadanana anao anie i Jehovah! ... Monina ao an-tranon’i Jehovah izy.”​—SARY, Boky 1, p. 325.

Tsy nisy sisan-javatra tatỳ aoriana kokoa hita tao Tel ʽArad, ka izany no nahatonga an’i Y. Aharoni hilaza fa nety ho tany Tell el-Milh (Tel Malhata), any amin’ny 12 km any atsimoandrefan’i Tel ʽArad, ilay tanàna kananita atao hoe Arada.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara